Toko 23
I Amôna: mpanompo lehibe
Nandeha tany amin’ny tanin’i Ismaela i Amôna. Rehefa niditra ny tanàna izy dia nofatoran’ny Lamanita izy ary nentiny tany amin’i Lamônia mpanjakan’izy ireo.
Nilaza tamin’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna fa te honina teo anivon’ny Lamanitra izy. Faly i Lamônia ary novahan’ny olony i Amôna.
Nilaza i Amôna fa mba te ho iray amin’ireo mpanompon’ny mpanjaka izy. Nalefan’ny mpanjaka hiambina ny andian’ondriny izy.
Indray andro rehefa nandeha nitondra ny andian’ondry mba hisotro rano iny i Amôna sy ny mpanompo sasany, dia naparitak’ireo mpandroba Lamanitra ireo biby sady noezahan’izy ireo hangalarina.
Raiki-tahotra ireo mpanompo niaraka tamin’i Amôna. Novonoin’i Lamônia Mpanjaka mantsy ireo mpanompony hafa izay namery ny biby noho ireo mpangalatra ireo.
Fantatr’i Amôna fa izany no fahafahana ho azy hampiasa ny herin’ Andriamanitra mba hambabo ny fon’ny Lamanita. Amin’izay dia hihaino ny fampianarany izy ireo.
Notenen’i Amôna tamin’izy ireo hoe raha voangony ireo biby naparitaka ireo dia tsy hovonoin’ny mpanjaka izy ireo.
Vetivety dia hitan’i Amôna sy ireo mpanompo ireo biby ary noroahany hiverina teny amin’ny toerana fisotroana rano.
Niverina indray ireo mpandroba Lamanita. Nasain’i Amôna nambenan’ireo mpanompo hafa ireo andian’ondry mandritra ny fotoana hiadivany amin’ireo mpandroba.
Tsy natahotra an’i Amôna ireo mpandroba Lamanita. Noheverin’izy ireo hoe ho fatin’izy ireo mora fotsiny i Amôna.
Niaraka tamin’i Amôna ny herin’Andrimanitra. Notorahany sy novonoiny tamin’ny vato ny sasany tamin’ireo mpandroba; tezitra be tamin’izany ireo mpandroba ambiny.
Niezaka namono an’i Amôna tamin’ny famakiny izy ireo fa isaky ny mampiakatra ny famakiny ny mpandroba iray mba hamelezana an’i Amôna dia notapahan’i Amôna hiala ny sandriny. Natahotra ary ireo mpandroba ka lasa nitsoaka.
Nentin’ireo mpanompo tany amin’ny Mpanjaka Lamônia ireo sandry voatapaka ary notantarain’izy ireo azy ny zavatra vitan’i Amôna.
Gaga tamin’ny hery lehibe nananan’i Amôna ny mpanjaka. Te hahita an’i Amôna izy saingy natahotra satria noheveriny hoe i Amôna no ilay Fanahy Lehibe.
Rehefa nandeha nijery azy i Amôna dia tsy nahita holazaina ny Mpanjaka Lamônia. Tsy nahateny nandritra ny adiny iray izy.
Nampian’ny Fanahy Masina i Amôna hahafantatra ny zavatra nieritreretin’ny mpanjaka. Nohazavain’i Amôna fa tsy ilay Fanahy Lehibe izany izy. Olombelona ihany izy.
Nomen’ny mpanjaka an’i Amôna avokoa izay rehetra tiany raha toa i Amôna milaza aminy hoe hery inona no nampiasainy mba handresena ireo mpangalatra sy ny nahafantarany ny eritreritry ny mpanjaka.
Nilaza i Amôna fa ny hany zavatra iriany dia ny mba hinoan’ny Mpanjaka Lamônia izay zavatra holazainy. Nilaza ny mpanjaka fa hinoany avokoa izay rehetra hambaran’i Amôna.
Nanontanian’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia raha nino an’ Andriamanitra izy. Nilaza ny mpanjaka fa mino ny fisian’ny Fanahy Lehibe iray izy.
Nambaran’i Amôna fa ilay Fanahy Lehibe dia Andriamanitra, fa izy no nahary ny zavatra rehetra eny an-danitra sy ety an-tany ary mahafantatra ny eritretry ny olona izy.
Nilaza i Amôna fa ny olombelona dia nohariana (namboarina) araka ny endrik’ Andriamanitra. Nolazainy ihany koa fa Andriamanitra no niantso azy hampianatra ny filazantsara amin’i Lamônia sy ny vahoakany.
Nampiasa soratra masina i Amôna nampianatra ny Mpanjaka Lamônia momba ny Fahariana, sy Adama ary i Jesoa Kristy.
Nino an’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia ka nivavaka mba ho voavela tamin’ny fahotany. Dia nianjera tamin’ny tany izy; toy ireny hoe maty ireny.
Nobatain’ireo mpanompon’ny mpanjaka tany amin’ny vadiny izy ary nampandriany teo am-pandriana. Afaka roa andro dia nihevitra ireo mpanompo hoe maty izy ka nanapa-kevitra ny handevina azy.
Tsy nino ny mpanjakavavy hoe maty ny vadiny. Rehefa nandre mikasika ny hery lehibe nananan’i Amôna izy dia nangataka an’i Amôna mba hanampy ny mpanjaka.
Fantatr’i Amôna fa teo ambanin’ny herin’Andrimanitra i Lamônia. Nambarany tamin’ny mpanjakavavy fa hifoha ny ampitson’io i Lamônia.
Nijanona teo anilan’i Lamônia izy ny alina manontolo. Ny ampitson’iny dia nitsangana i Lamônia ary nilaza izy fa nahita an’i Jesoa Kristy. Heniky ny Fanahy Masina ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy.
Nampianatra ny vahoakany momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy i Lamônia. Ireo izay nino dia nibebaka tamin’ny fahotany ary natao batisa.