Scripture Stories
Toko 31: Mandresy an’i Zerahemnà ny Kapiteny Môrônia


Toko 31

Mandresy an’i Zerahemnà ny Kapiteny Môrônia

Sary
Lamanita miresaka

Notadiavin’i Zerahemnà, ilay mpitarikan’ireo Lamanita mbola hanohy hankahala an’ireo Nefita sy ny hanandevo azy ireo ny vahoakany.

Sary
miaramila Nefita

Ny hitazona ny fahafahana ho an’ny tanin’izy ireo sy ny ankohonan’izy ireo no fanirian’ireo Nefita. Tian’izy ireo ihany koa ny hananan’izy ireo fahafahana ny hidera an’ Andriamanitra.

Sary
Kapiteny Môrônia

I Kapiteny Môrônia no mpitarika ny tafika Nefita. Rehefa tonga hiady ny Lamanita dia nihaona tamin’izy ireo tao amin’ny tanin’i Jersôna ny Kapiteny Môrônia sy ny tafikany.

Sary
i Kapiteny Môrônia miaraka amin’ny tafika

Efa nanomana ny tafikany tamin’ny fitaovam-piadiana sy ny ampinga ary ny akanjo vy sy akanjo matevina i Kapiteny Môrônia.

Sary
Tafika Lamanita

Maro an’isa kokoa ny tafika Lamanita kanefa natahotra izy ireo raha nahita ny akanjo vy nanaovan’ny Nefita–tsy dia nanao akanjo firy ny Lamanita.

Sary
miafina any an-tany foana ny Lamanita

Tsy sahy niady tamin’ny tafiky ny kapiteny Môrônia ny tafika Lamanita. Nandositra tany an-tany foana ny Lamanita ka nanapa-kevitra ny hanafika ny tanàna Nefita hafa.

Sary
i Almà mivavaka

Nandefa mpitsikilo hanara-maso ny Lamanita i Môrônia. Ary nangataka an’i Almà koa izy mba hivavaka amin’ny Tompo hangataka fanampiana. Natoron’ny Tompo an’i Almà ny toerana izay hotafihan’ny Lamanita.

Sary
i Môrônia mandeha miaraka amin’ny tafikany

Rehefa nandray ny hafatr’i Almà i Môrônia dia nametraka miaramila maromaro hiambina ny ao Jersôna izy ka nandeha nitondra ny miaramila ambiny mba hihaona amin’ny Lamanita.

Sary
miafina ireo miaramilan’i Môrônia

Niafina teny amin’ny andaniny roa amin’ny reniranon’ Sidôna ny miaramilan’i Kapiteny Môrônia ka niandry hamandrika ny tafika Lamanita.

Sary
ady tao amin’ny renirano

Nanomboka ny ady ka saika nandositra niampita ny renirano ny Lamanita nefa mbola nisy Nefita niandry azy ireo teny am-pita.

Sary
mitifitra zanatsìpika ireo Nefita

Tsy mbola niady fatratra ohatran’izany hatramin’izay i Zerahemnà sy ny tafikany ka namono Nefita maro izy ireo. Niantsoantso fanampiana tamin’ny Tompo ny Nefita.

Sary
Nefita miatrika ny Lamanita

Nankahery ny tafika Nefita ny Tompo. Nanodidina ny Lamanita ny tafika ka nasaini Môrônia natsahatra ny ady.

Sary
i Môrônia miresaka amin’i Zerahemnà

Niteny tamin’i Zerahemnà i Môrônia fa ny Nefita dia tsy mikatsaka ny hamono na ny hanandevo ny Lamanita.

Sary
i Môrônia miresaka

Nolazain’i Môrônia fa tsy afaka handrava ny finoan’ny Nefita an’i Jesoa Kristy ny Lamanita. Nolazainy fa raha toa ka mbola mahatoky ny Nefita dia mbola hanampy azy ireo Andriamanitra.

Sary
mandidy an’i Zerahemnà i Môrônia

Nandidy an’i Zerahemnà hanary ny fiadiany i Môrônia. Tsy hovonoina ny Lamanita raha manome toky fa tsy hiady amin’ny Nefita intsony izy ireo.

Sary
manome fitaovam-piadiana an’i Môrônia i Zerahemnà

Nomen’i Zerahemnà an’i Môrônia ny fiadiany saingy tsy nanaiky ny hanome toky izy fa tsy hiady intsony. Naverin’i Môrônia ireo fitaovam-piadiana mba hahafahan’ireo Lamanita hiaro tena.

Sary
miaramila Nefita manapaka ny sabatr’i Zerahemnà

Niantsambotra mba hamono an’i Môrônia i Zerahemnà saingy nisy miaramila Nefita izay namely ka nanapaka ny sabatr’i Zerahemnà.

Sary
miaramila manala ny hodi-dohan’i Zerahemnà

Avy eo dia nesorin’ilay miaramila ny hodi-dohan’i Zerahemnà ary napetrany tamin’ny tendron’ny sabany sy nampiakariny ambony.

Sary
hodi-dohana Lamanita

Nolazainy azy \ ireo fa ho lavo toy ny nahalavon’ny hodidoha izy ireo raha tsy manary ny fiadian’izy ireo sy manome toky fa tsy hiady intsony izy ireo.

Sary
Lamanita mametraka fitaovam-piadiana

Lamanita maro no nametraka ny fiadiany teo an-tongotr’i Môrônia ary nanome toky fa tsy hiady. Navela nandeha malalaka izy ireo.

Sary
Lamanita miady

Tezitra izaitsizy i Zerahemnà ka nandrangitra ny miaramilany ambiny mba hiady. Maro tamin’ireny no matin’ny miaramilan’i Môrônia.

Sary
i Zerahemnà mitalaho amin’i Môrônia

Rehefa hitan’i Zerahemnà fa ho faty avokoa izy sy ny lehilahiny dia nitalaho tamin’i Môrônia izy mba tsy hovonoiny izy ireo. Nampanantena izy fa tsy hiady amin’ny Nefita intsony.

Sary
Lamanita mandao ny Nefita

Najanon’i Môrônia ny ady ary noraisiny ny fiadian’ny Lamanita. Rehefa avy nanome toky ny Lamanita fa tsy hiady dia lasa izy ireo nandao.