Scripture Stories
Toko 17: mitsoaka i Almà sy ny vahoakany


Toko 17

mitsoaka i Almà sy ny vahoakany

Sary
olona miasa eny an-tsaha

Indray andro raha niasa teny an-tsaha ny vahoakan’i Almà dia nisy tafika miaramila niditra ny faritry ny tanin’izy ireo.

Sary
i Almà miresaka amin’ny olona

Natahotra ny Nefita ka nitsoaka nankany an-tanàna mba ho voaaro. Niteny azy ireo i Almà mba hahatsiaro an’ Andriamanitra ary dia ho ampiany izy ireo. Nanomboka nivavaka ny Nefita.

Sary
i Almà miresaka amin’ireo Lamanita

Nataon’ny Tompo ho malefaka ny fon’ireo Lamanitra ka tsy nandratra ny Nefita izy ireo. Very ireo Lamanitra raha niezaka ny hikaroka ny vahoakan’i Limia Mpanjaka.

Sary
i Almà mampiseho an’ireo Lamanita ny lalana miverina mody

Nampanantena ireo Lamanita fa tsy hanelingelina ny vahoakany izy ireo raha atorony azy ireo ny fomba hiverenana any amin’ny tanin’izy ireo. Natoron’i Almà azy ireo ny lalana.

Sary
Lamanita miambina ny vahoakan’i Almà

Saingy tsy nitazona ny fampanantenan’izy ireo ny Lamanita. Nasian’izy ireo mpiambina manodidina ny tany ka tsy olona afaka intsony i Almà sy ny vahoakany.

Sary
i Amiolôna miresaka amin’ireo mpiambina Lamanita

Nataon’ny Mpanjaka Lamanita ho mpifehy teo amin’ny vahoakan’i Almà. Nefita i Amiolôna taloha ary iray tamin’ny mpisorona ratsy fanahy an’i Noà Mpanjaka.

Sary
i Amiolôna manara-maso ny olona miasa

Nataon’i Amiolôna niasa faran’izay mafy ny vahoakan’i Almà. Nivavaka izy ireo saingy nolazain’i Amiolôna fa hovonoina izay olona tratra mivavaka. Nanohy nivavaka tany am-pony ny olona.

Sary
ankizilahy mitondra harona

Henon’ Andriamanitra ny vavaka nataon’izy ireo ary nampatanjahany ny vahoaka mba ho toy ny ho maivana amin’izy ireo ny asany. Falifaly sy nanana faharetana ny vahoaka.

Sary
Andriamanitra miresaka amin’i Almà

Faly Andriamanitra fa nahatoky ny vahoaka. Nolazainy tamin’i Almà fa ho ampiany izy ireo hitsoaka ny Lamanita.

Sary
Mitsoaka i Almà sy ny vahoakany

Nandritra ny alina dia nangonin’ny olona ny sakafon’izy ireo sy ny biby fiompin’izy ireo. Ny ampitso marainan’iny dia nataon’ Andriamanitra resin-tory ny Lamanita nandritra ny nialan’i Almà sy ny vahoakany ny tanàna.

Sary
ny Mpanjaka Môzià mandray an’i Almà

Tonga tao Zarahemla ireo vahoaka rehefa avy nandeha nandritra ny 12 andro ka noraisin’ny Mpanjaka Môzià sy ny vahoakany izy ireo.