Scripture Stories
Toko 18: Mibebaka i Almà zanany


Toko 18

Mibebaka i Almà zanany

Sary
i Almà manendry ny hafa

Nataon’i Môzià mpanjaka ho mpitarika ny Fiangonana tao Zarahemla i Almà. Avy dia nisafidy lehilahy hafa i Almà mba hanampy azy hampianatra ny Nefita.

Sary
mpino voahenjika

Nitaintaina i Almà sy i Môzià Mpanjaka satria ireo tsy mpino dia nampijaly ireo mpikamban’ny Fiangonana noho ny finoan’izy ireo.

Sary
Almà zanany

Nanan-janakalahy nantsoina hoe Almà i Almà. Tsy nino ny fampianaran-drainy i Almà zanany ary lasa olona ratsy fanahy.

Sary
i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià Mpanjaka

Niady tamin’ny Fiangonanana i Almà zanany sy ireo zanakalahy efatr’i Môzià Mpanjaka. Nandresy lahatra olona maro izy ireo mba hiala amin’ny Fiangonana sy ho tonga olona ratsy fanahy.

Sary
i Almà mivavaka

Nivavaka i Almà mba hahalalan’ny zanakalahiny ny fahamarinana sy ny mba hibebahany.

Sary
i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià Mpanjaka

Nanohy niezaka ny handrava ny Fiangonana i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià Mpanjaka.

Sary
anjely miseho amin’ny olona

Indray andro dia nisy anjely iray niseho tamin’izy ireo. Niteny tamin’ny feo mahery nampiovitrovitra ny tany ilay anjely.

Sary
zatovolahy natahotra anjely

Natahotra loatra ireo zatovolahy dimy hany ka dia nianjera tamin’ny tany. Tamin’ny voalohany dia tsy nety azon’izy ireo ny zavatra nolazain’ilay anjely.

Sary
anjely miresaka amin’i Almà zanany

Tonga ny anjely ho valin’ny vavaka nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nanontanian’ilay anjely an’i Almà zanany ny antony nanoherany ny Fiangonana.

Sary
Almà zanany

Niovitrovitra ny tany tamin’ilay anjely niteny an’i Almà zanany mba hitsaharany amin’ny fiezahana ny handrava ny Fiangonana.

Sary
ankizilahy mianjera amin’ny tany

Nianjera tamin’ny tany indray i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià. Nahita anjely iray izy ireo ary fantany fa ny herin’Andrimanitra no nampiovitrovitra ny tany.

Sary
i Almà zanany mianjera amin’ny tany

Gaga loatra i Almà zanany ka tsy nahay niteny intsony. Lasa nalemy loatra izy hany ka tsy afaka na dia ny nampihetsika ireo tanany aza.

Sary
i Almà zanany nobataina

Nentin’ireo zanakalahin’i Môzià ho any amin’ny rainy i Almà zanany ary nolazain’izy ireo avokoa ireo zavatra rehetra nitranga tamin’izy ireo.

Sary
i Almà mivavaka

Faly i Almà. Fantany fa efa namaly ireo vavaka nataony Andriamanitra.

Sary
i Almà zanany eo am-pandriana

Namory ny vahoaka i Almà mba hahitan’izy ireo ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’ny zanany lahy sy ireo zanakalahin’i Môzià.

Sary
i Almà mitsodrano ny zanany lahy

I Almà sy ireo olon-kafa tao amin’ny Fiangonana dia niara-nifady hanina sy nangataka tamin’Andiamanitra mba hanampiana an’i Almà zanany hahazo hery indray.

Sary
i Almà zanany miresaka amin’ny rainy

Afaka roa andro sy roa alina dia afaka niteny sy nihetsika i Almà zanany.

Sary
i Almà zanany miresaka amin’ny hafa

Nambarany ny olona fa efa nibebaka tamin’ny fahotany izy ary efa namela ny helony Andriamanitra.

Sary
i Almà zanany mampianatra

Nampianatra izy fa tsy maintsy lasa olo-marina ny olona tsirairay mba hahafahan’izy ireo miditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Izy koa dia nitantara ny amin’ny fanaintainana lehibe niaretany noho ny fahotany.

Sary
i Almà zanany

Faly i Almà zanany satria efa nibebaka izy ary efa namela ny helony Andriamanitra. Fantany hoe tia azy Andriamanitra.

Sary
lehilahy mampianatra

Nanomboka nampianatra ny fahamarinana nanerana ny tany rehetra i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià sady niteny tamin’ny olon-drehetra ny zavatra hitan’izy ireo sy ren’izy ireo.

Sary
i Almà zanany mampianatra olona

Niezaka ny nanitsy ireo hadisoana efa vitan’izy ireo izy ireo. Nanazava ny soratra masina tamin’ny vahoaka izy ireo ary nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Almà zanany manao batisa ny hafa

Notahian’Andriamanitra i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià rehefa nitory ny filazantsara izy ireo. Maro ireo olona nihaino sy nino azy ireo.