Scripture Stories
Toko 2: Mampitandrina ny vahoaka i Lehia


Toko 2

mampitandrina ny vahoaka i Lehia

Sary
mpaminany mampianatra

Olona ratsy fanahy ny ankamaroan’ireo olona niaina tao Jerosalema 600 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Nandefa mpaminany Andriamanitra hilaza azy ireo mba hibebaka fa tsy nihaino izy ireo.

Sary
i Lehia sy ny andri-afo

Mpaminany i Lehia. Nivavaka izy mba hibebaka ny olona. Raha teo am-pivavahana izy dia nisy andri-afo niseho. Nilaza sy nampiseho zavatra maro tamin’i Lehia Andriamanitra.

Sary
i Lehia mahita fahitana

Niverina tany an-tranony i Lehia ary nahita fahitana. Nahita an’ Andriamanitra nohodidinin’ny anjely maro izy. Nihira sy nidera an’ Andriamanitra ireo anjely.

Sary
Ny fahitan’i Lehia

Tao anatin’ny fahitany, i Lehia dia notolorana boky iray izay nilaza ny zavatra hitranga amin’ny ho avy. Namaky izy fa horavana i Jerosalema noho ny faharatsian’ny vahoaka.

Sary
i Lehia miresaka amin’ny vahoaka

Nolazain’i Lehia ny vahoaka fa horavana i Jerosalema. Nanambara ny amin’ny fiavian’i Jesoa ihany koa izy. Tezitra ny vahoaka ary nitady ny hamono an’i Lehi kanefa niaro azy ny Tompo.