Scripture Stories
Toko 47: Mitsodrano ireo mpianany i Jesoa Kristy


Toko 47

Mitsodrano ireo mpianany i Jesoa Kristy

Sary
i Jesoa miaraka amin’ireo mpianany

Indray andro raha niara-nifady hanina sy nivavaka ny mpianatra dia tonga teo amin’izy ireo i Jesoa Kristy.

Sary
i Kristy miresaka amin’ireo mpianany

Nanontanian’ny mpianatra Azy izay tokony hatao anaran’ny Fiangonana. Nolazain’i Jesoa fa tokony hitondra ny anarany ilay izy satria Fiangonany.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ireo mpianany

Nohazavain’i Jesoa tamin’ny mpianany fa naniraka Azy teto an-tany ny Ray any An-danitra mba hanolorany ny ainy ho an’ny olon-drehetra.

Sary
i Kristy miresaka amin’ny mpianany

Nolazainy fa izay rehetra mibebaka ka atao batisa amin’ny anarany ary mankato ny didiny dia tsy hanana heloka eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.

Sary
i Kristy miresaka amin’ny mpianany

Nasain’ny Mpamonjy tireo mpianany hanao ny zavatra izay hitan’izy ireo nataony. Nanome ohatra ho azy ireo Izy.

Sary
i Kristy miresaka momba ny soratra masina

Nasainy nosoratan’izy ireo ihany koa izay zavatra hitan’izy ireo sy henon’izy ireo mba hahafahan’ny hafa hahafantatra momba izany.

Sary
i Kristy miaraka amin’ny mpianany

Nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianany izay irian’izy ireo angatahina Aminy. Ny sivy tamin’izy ireo dia naniry hiaraka Aminy rehefa mifarana ny fiainany eto an-tany.

Sary
i Jesoa miaraka amin’ireo mpianany

Nampanantena azy ireo i Jesoa fa rehefa tonga ny faha–72 taonan’izy ireo dia handeha ho any Aminy any an-danitra izy ireo.

Sary
i Jesoa miaraka amin’ireo mpianatra anankitelo

Ny mpianatra telo hafa dia tsy sahy nangataka izay irian’izy ireo saingy fantatr’i Jesoa izany. Ny fanirian’izy ireo dia ny hijanona eto an-tany ka hampianatra ny filazantsara hatramin’ny hiverenan’i Jesoa indray.

Sary
ny Mpamonjy miaraka amin’ireo mpianany

Nampanantena azy ireo ny Mpamonjy fa tsy hahatsapa fanaintainana na halahelo izy ireo ary tsy ho faty. Hampianatra ny filazantsara hatramin’izay hiverenany izy ireo.

Sary
Lasa i Jesoa

Nokasihan’i Jesoa tsirairay ny mpianany afa-tsy ireo telo izay hijanona eto an-tany. Avy eo dia lasa Izy.

Sary
nalaina ho any an-danitra ireo mpianatra telo

Ny mpianatra telo dia nalaina tany an-danitra ka nahita sy nahare zavatra mahatalanjona maro. Afaka nahatakatra bebe kokoa ireo zavatr’ Andriamanitra izy ireo.

Sary
mpianatra telo

Novana ny vatan’izy ireo mba tsy ho faty intsony izy ireo.

Sary
mpianatra manao batisa ny hafa

Niverina teto an-tany ny mpianatra telo ary nanomboka nampianatra sy nanao batisa izy ireo.

Sary
mpianatra telo ao anaty lavaka lalina

Nisy Nefita ratsy fanahy izay nampiditra ny mpianatra telo am-ponja sy tao anaty lavaka lalina saingy ny herin’ Andriamanitra no nanampy azy ireo handositra.

Sary
mpianatra natosika ao anaty memy

Rehefa natosika tao anaty memy sy tao an-davaka misy biby izy ireo dia narovan’ny herin’ Andriamanitra ihany koa izy ireo.

Sary
mpianatra mitory amin’ny vahoaka

Mbola nanohy nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita ny mpianatra telo. Mbola manohy mitory ny filazantsarany izy ireo amin’izao fotoana izao.