Scripture Stories
Toko 15: Mampianatra sy manao batisa i Almà


Toko 15

Mampianatra sy manao batisa i Almà

Sary
i Almà manoratra

Tafatsoaka tamin’ny mpanompon’i Noà mpanjaka i Almà ary niafina nandritra ny andro maro izy. Nandritra ny niafenany dia nosoratany izay nampianarin’ny mpaminany Abinadia.

Sary
i Almà mampianatra ny hafa

Nibebaka tamin’ny fahotany i Almà ary nandeha ankiafinafina tany amin’ny Nefita, hampianatra azy ireo ny hafatr’i Abinadia. Niteny tamin’ny vahoaka mba hanana finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka i Almà.

Sary
Almà

Nandritra ny andro dia niafina tao amin’ny kirihitr’ala iray ao akaikin’ny dobo antsoina hoe ny ranon’i Môrmôna i Almà.

Sary
i Almà manao batisa ny hafa

Nandeha tany amin’ny ranon’i Môrmôna ary natao batisa ireo izay nino ny fampianaran’i Almà. Nanao batisa olona 204 ho ao amin’ny Fiangonan’i Kristy i Almà.

Sary
i Almà manendry mpisorona

Nanendry mpisorona hampianatra ny vahoaka i Almà. Niteny tamin’ny mpisorona izy mba hampianatra ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Niteny ihany koa izy fa tsy mahazo miady izy ireo fa tokony hiray hina.

Sary
olona mizara

Nifankatia sy nifanompo ny vahoakan’i Almà. Nizara izay rehetra nananany izy ireo ary feno fankasitrahana fa nianatra momba an’i Jesoa Kristy Mpanavotra azy ireo.

Sary
ireo mpanompon’i Noà mitsikilo an’i Almà

Hitan’ireo mpanompon’i Noà mpanjaka i i Almà nampianatra ny vahoaka. Nolazain’ny mpanjaka fa nambosyny Nefita hanohitra azy i Almà ka nandefa tafika iray izy hamono azy ireo.

Sary
i Almà sy ny hafa mandositra

Nampitandrina an’i Almà Andriamanitra fa efa tamy ny tafik’i Noà Mpanjaka. Nanangona ny ankohonany, ny biby fiompiny sy ny fananany hafa ny vahoaka ary nandositra tany an-tany foana.

Sary
Miaramilan’ny Mpanjaka Noà

Nampatanjahan’Andriamanitra ny vahoakan’i Almà mba hahafahanízy ireo mandositra amin’ny tafik’i Noa Mpanjaka. Nitady ny tafika fa tsy nety nahita azy ireo.

Sary
olona mamboly

Rehefa nandeha tany an-tany foana nandritry ny valo andro ny vahoakan’i Almà dia tonga tamin’ny faritra nahafinaritra iray izay nisy rano madio nikoriana teo. Teo izy no nanao fambolena sy nanangana trano.

Sary
i Almà miresaka amin’ny olon-kafa

Tian’ny vahoaka atao ho mpanjakany i Almà, fa nolazain’i Almà fa tsy sitrapon’ Andriamanitra ny ananan’izy ireo mpanjaka. Tian’ Andriamanitra ho olona afaka izy ireo.