Scripture Stories
Toko 36: I Hagôta


Toko 36

I Hagôta

Sary
Nefita mifindra monina

Teo amin’ny 55 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy dia an’arivony tamin’ireo lehilahy, sy vehivavy ary zaza Nefita no nandao ny tanin’i Zarahemla ka nifindra ho any avaratra.

Sary
i Hagôta manamboatra sambo lehibe

Ny iray tamin’izy ireo izay nantsoina hoe Hagôta dia nanamboatra sambo lehibe iray ary nandefa izany tany amin’ny ranomasina andrefana.

Sary
ny Nefita miantsambo niaraka tamin’ny vatsy

Nefita maro no nandeha tamin’ny sambony sy nitondra sakafo sy vatsy.

Sary
sambo ambonin’ny rano

Avy eo i Hagôta dia nanamboatra sambo hafa izay nitondra ny olona nankany amin’ny tany avaratra. Niverina ilay sambo voalohany ary naka olona maro kokoa.

Sary
sambo roa ambonin’ny rano

Nisy sambo iray hafa nandeha. Tsy nisy niverina ireo sambo ary tsy fantatry ny Nefita na oviana na oviana ny zava-nitranga tamin’ireo olona ireo.