Toko 41
Ireo fambara ny amin’ny fahaterahan’i Kristy
I Nefia, zanakalahin’i Helamàna, dia nanome ireo rakitsoratra masina sy ireo soratra masina an’i Nefia lahimatoany.
I Nefia dia nahita ireo fambara mahatalanjona sy fahagagana nambaran’ireo mpaminany fa hitranga mialoha ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.
Saingy nilaza ny Nefita sasany fa efa lasa ny fotoana tokony hahaterahan’i Jesoa. Nesoin’izy ireo ireo izay mbola nino ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita.
Ireo olona nino an’i Jesoa Kristy sy ireo faminaniana dia nalahelo raha nihevitra fa mety ho nisy zavatra nanakana ireo faminaniana tsy ho tanteraka.
Niandry tamim-pahatokiana ny andro iray tsy misy haizina ny olona; izany no fambara fa ho teraka i Jesoa Kristy.
Ireo izay tsy nino an’i Jesoa Kristy dia nisafidy andro iray hamonoana ireo mpino raha toa ka tsy mitranga ilay fambara.
Nalahelo i Nefia noho ny faharatsian’ireo izay tsy nino ny Mpamonjy.
Nivavaka nandritra ny manontolo andro ho an’ireo olona izay hovonoina i Nefia.
Nampionona an’i Nefia ny Tompo sady nolaiziny azy fa tsy hisy haizina iny alin’iny. Ho teraka ny ampitson’io ao Betlehema i Jesoa Kristy.
Tamin’io alina io dia nody ny masoandro saingy tsy maizina ny andro. Tonga ilay fambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Talanjona ny vahoaka.
Ireo izay nanao tetika mba hamono ireo mpino dia nianjera tamin’ny tany; toy ireny hoe maty ireny.
Natahotra izy ireo noho ny haratsiam-panahy nataon’izy ireo. Fantatr’izy ireo izao fa ho teraka ny Mpamonjy ary marina ny nambaran’ireo mpaminany.
Nazava ny alina manontolo. Rehefa niposaka ny masoandro ny marainan’iny dia fantatry ny olona fa teraka tamin’io andro io i Jesoa Kristy. Tanteraka ireo faminaniana.
Nisy kintana iray vaovao nipoitra teny amin’ny lanitra tahaka ny nilazan’ireo mpaminany azy mihitsy.
Niezaka ny nandresy lahatra ny olona tsy hino ireo fambara efa hitany i Satana saingy maro tamin’izy ireo no nino.
I Nefia sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia nanao batisa ireo rehetra nino sy nibebaka.
Nisy vaovao mahafaly teo amin’ny tany satria tanteraka ireo tenin’ireo mpaminany. Efa teraka i Jesoa Kristy.