Scripture Stories
Toko 9: Fonenana vaovao ao amin’ny tany nampanantenaina


Toko 9

Fonenana vaovao ao amin’ny tany nampanantenaina

Sary
tany nampanantenaina

Niampita ny ranomasim-be ilay sambo nitondra ny fianakavian’i Lehia ary tody teo amin’ny tany nampananatenaina. Namelatra ny lain’izy ireo ny olona.

Sary
mamboly masom-boly

Niava ny tany izy ireo ary namboly ireo masom-boly nentin’izy ireo.

Sary
biby maro be

Rehefa nandehadeha teo amin’ny tany vaovaony izy ireo dia nahita karazam-biby maro be. Nahita volamena, sy volafotsy ary varahana ihany koa izy ireo.

Sary
i Nefia manoratra

Notenenin’ Andriamanitra i Nefia mba hanao takela-by ka hanoratra eo amin’izany. Nanoratra momba ny fianakaviany sy ny dian’izy ireo i Nefia. Nanoratra ny tenin’ Andriamanitra ihany koa izy.

Sary
i Lehia miresaka amin’ny fianakaviany

Niha-antitra i Lehia. Mialoha ny nahafatesany dia niresaka tamin’ireo zanakalahiny izy ary niteny azy ireo mba hankatò ny didin’ Andriamanitra. Nitsodrano ireo zafikeliny ihany koa izy.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela tezitra tamin’i Nefia

Rehefa maty i Lehia dia tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela ary nitady ny hamono azy. Tsy tian’izy ireo hoe i Nefia izay zandriny lahy no hitarika azy ireo.

Sary
i Nefia sy ireo olo-marina nandeha niala

Nilazan’ny Tompo i Nefia mba hitarika ireo olo-marina hankany an-tany foana. Nandeha nandritra ny andro maro izy ireo ka nony farany dia nijanona tao amin’ny tany iray antsoin’izy ireo hoe Nefia.

Sary
olona miresaka

Nankatò an’ Andriamanitra ireo olona nanaraka an’i Nefia. Niasa mafy izy ireo ary voatahy. Nampianarin’i Nefia ny olony mba hanamboatra trano vita amin’ny hazo sy amin’ny vy. Nanamboatra tempoly tsara tarehy izy ireo.

Sary
Lamanita

Nantsoina hoe Lamanita ireo mpanara-dia an’i Lamàna sy i Lemoela.

Sary
Lamanita

Tsy nankatò an’ Andriamanitra ny Lamanita ka nesorina teo anatrehany izy ireo. Tsy afaka niaraka tamin’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo raha tsy nibebaka izy ireo.

Sary
Lamanita niady tamin’ny Nefita

Feno fitaka ny Lamanita ary matetika niady tamin’ny Nefita.