2015
Fanontaniana & Valiny
Ôktôbra 2015


Fanontaniana & Valiny

“Rehefa narary ny reniko dia nifady hanina sy nivavaka ho azy izahay, saingy maty ihany izy. Ahoana no ahafahako manaiky izany?”

Fotoana mampalahelo eo amin’ny fiainanao izany. Rariny raha mila maka toky sy valiny amin’ireo fanontanianao maro ianao: “Nahoana izy no tsy velona? Mbola hahita azy indray ve aho? Ahoana no ahafahako manohy ny fiainako tsy misy azy?”

Sady manome fampiononana no manome valinteny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nampanantena ny Tompo hoe: “Sambatra izay rehetra mitoloko, fa izy no hampiononina” (3 Nefia 12:4). Katsaho ny Fanahy Masina fa Izy no ilay Mpampionona.

Manontany tena ianao raha nisy nandre ireo vavaka nataonao. Matokia: maheno ny vavaka ataontsika foana ny Ray any An-danitra. Mampanantena antsika ny Tompo sy ireo mpaminany velona fa marina izany. Mihatra aminao ihany koa ny nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith manao hoe: “Ny fivavakao sy ny fivavaky ny rahalahinao dia efa tafakatra hatreo an-tsofiko” (F&F 90:1). Saingy tokony ho tadidintsika fa ny Ray any An-danitra dia mamaly ny vavaka ataontsika miaraka amin’ny fomba fijery mandrakizay ao an-tsaina (jereo ny Isaia 55:8–9). Izany no mahatonga antsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fangatahana fitahiana saingy avy eo dia mangataka amim-pahatsorana mba ho ny sitrapon’ny Ray no hatao (jereo ny Lioka 22:42).

Na dia mafy aza izany dia mety ho fotoana hivoaranao io fitsapana io. Afaka mianatra mba hanana finoana ny sitrapon’Andriamanitra ianao na dia midika aza izany fa tsy sitrana ny reninao. Marina fa tianao ho velona izy. Saingy ny fisedrana eto amin’ity fiainana an-tany ity dia ny matoky an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra—indrindra fa rehefa sarotra izany. Raha mahatoky azy ianao “dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoa[nao]” (F&F 90:24).

Tafiditra ao anatin’ilay drafitra ny fahafatesana

Araka ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ho antsika dia mifototra amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty ny fiverenantsika eo anatrehany, izay hanampy antsika hiova avy amin’ity mety maty ity ho amin’ny toetry ny tsy mety maty. Mila manaiky fotsiny ianao hoe ao anatin’ilay drafitra ny fahafatesana ary mino fa indray andro any dia mbola ho afaka ny hiaraka indray amin’ny reninao izay nodimandry. Fantaro fa any amin’ny tontolon’ny fanahy ny reninao ary miandry anao izy.

David M.,18 taona, Kasai Andrefana, République Démocratique du Congo

Any amin’ny tontolon’ny fanahy izy

Voan’ny homamiadana ny reniko roa taona lasa izay. Tsy tiako ny nahita azy nanaintaina, ary naniry ny ho afaka nanao zavatra aho. Ary na dia nihatsara aza ny reniko dia mafy tamiko izany. Any amin’ny toerana iray izay tsy hahatsapany fanaintainana na fijaliana ny reninao. Mafy ny tsy mahita azy intsony saingy tsy irery na oviana na oviana ianao. Ho tia anao foana izy ary ho eo mandrakariva ny Ray any An-danitra hampitraka anao rehefa ketraka ianao. Tsy ho avela irery na oviana na oviana ianao. Niaritra ireo fanaintanan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Tsapany ny zavatra tsapanao ary fantany ny zavatra iainanao. Ataovy izay nataoko tamin’ny fotoana nandalovako fitsapana: mankanesa any Aminy dia hohamaivaniny ny enta-mavesatrao.

Shiloh W., 18 taona, Chihuahua, Mexique

Ho tafaray indray ny fianakavianao

Vao 12 taona monja aho no maty ny reniko. Tsy mpikamban’ny Fiangonana aho tamin’izany fotoana izany. Rehefa narary izy dia nivavaka mafy aho mba ho salama ny reniko. Nanana finoana be aho ary natoky an’Andriamanitra tao amin’ny fanantenana fa hiverina ny fahasalamany. Indrisy anefa fa tsy sitrana izy. Nanontany tena aho hoe nahoana no tsy maintsy maty mbola tanora izy ka nandao ahy nefa mbola tao anatin’ny fahatanorako aho. Tezitra aho ary nisy fotoana nisalasalako hoe nisy Andriamanitra. Amin’izao maha-mpikamban’ny Fiangonana ahy izao dia takatro ny drafitry ny famonjena. Fantatro fa miandry ahy izy ary mbola ho tafaray ny fianakavianay.

Inaê L.,19 taona, Minas Gerais, Brésil

Mampianatra antsika ny fitsapana

Maty ny reniko telo taona lasa izay. Hitombo ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra sy ny Mpamonjy anao rehefa mitodika any Amin’izy ireo ianao amin’ny fotoana mahasahirana. Ho hitanao fa io fitsapana io, na dia mandratra fo aza, dia mety ho fitahiana ihany koa. Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fiadanana sy fanomezan-toky. Matokia an’ilay drafitry ny Tompo ho anao. Ekeo fa ny Ray any An-danitra dia mahafantatra ny toerana halehantsika sy ny zavatra ilaintsika mba hahatongavana any. Tia anao ny Tompo ary tiany hanana fifaliana ianao. Natao hampianatra antsika sy hampahatanjaka antsika kokoa ny fitsapana antsika.

Meghan B., 18 taona, Ontario, Canada

Mbola hahita azy indray ianao

Maty ny renibeko tamin’ny faha-17 taonan’ny reniko. Nifady hanina sy nivavaka ho azy ny fianakaviana herinandro maromaro talohan’ny nahafatesany. Nomena tsodranon’ny fisoronana ihany koa izy. Ny zavatra izay tena nanome fiadanana ny reniko dia ny fahafantarany fa mbola ho afaka hahita ny reniny indray izy any amin’ny fiainana ho avy. Ny tanjon’ny reniko dia ny hiaina ny fiainany amin’izay izy mba ho mendrika an’izany fitahiana izany. Malahelo aho fa tsy ho afaka ny hihaona aminy mihitsy amin’ity fiainana ity saingy tsy andriko ilay fotoana izay hifanenanay amin’izay.

Cari R., 15 taona, Utah, Etazonia