2015
Tongava eny amin’ny farany miaraka amin’ny fanilonao mbola mirehitra
Ôktôbra 2015


Hafatra avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Tongava eny amin’ny farany miaraka amin’ny fanilonao mbola mirehitra

Sary
Runners passing a torch.

Sary nalain’ny Stocktrek Images/Thinkstock

Tany Grèce fahiny, ireo mpihazakazaka dia nifaninana tao anatin’ny fifaninanana hazakazaka ifanoloana nantsoina hoe lampadedromia.1 Mihazona fanilo eny amin’ny tanany ny mpihazakazaka ao anatin’ilay hazakazaka ary mamindra izany eny amin’ilay mpihazakazaka manaraka mandra-pahatongan’ilay olona iray farany ao amin’ny ekipa eny amin’ny faritra hahatongavana.

Tsy nomena an’izay ekipa nahery nihazakazaka ny loka—fa nomena ny ekipa voalohany tonga teny amin’ny faritra hahatongavana niaraka tamin’ilay fanilony mbola mirehitra.

Misy lesona lalina sintonina eto izay nampianarin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina: raha zava-dehibe ny manomboka ilay fifaninanana, dia zava-dehibe kokoa noho izany ny hahatongavantsika miaraka amin’ny fanilontsika mbola mirehitra.

Nanomboka tao anatin’ny tanjaka i Solomona

Ny Mpanjaka lehibe Solomona dia ohatra iray mampiseho izany hoe olona nanomboka tao anatin’ny tanjaka izany. “Tia an’i Jehovah [izy fony mbola tanora] ka nizotra araka ny dian’i Davida rainy” (1 Mpanjaka 3:3). Faly taminy Andriamanitra ka nilaza hoe: “Angataho izay tianao homeko anao” (1 Mpanjaka 3:5).

“Saina malady ho entiko mitsara ny olonao, hahaizako manavaka sy soa sy ny ratsy” (1 Kings 3:9) no nangatahan’i Solomona fa tsy harena na fahalavan’ny andro iainana.

Tena nahafaly ny Tompo izany ka sady nomeny fahendrena i Solomona no nomeny harena mihoa-pampana no nataony lava andro iainana.

Tsy nitoetra ho matanjaka hatramin’ny farany i Solomona na dia tena hendry sy nanao zavatra lehibe maro aza. Indrisy fa taty aoriana tao anatin’ny fiainany dia, “nanao izay ratsy [teo] imason’i Jehovah [i Solomona], ka tsy mba tanteraka tamin’ny fanarahana Azy” (1 Mpanjaka 11:6).

Mamita ny hazakazatsika manokana

Impiry isika no nanomboka zavatra dia tsy nahavita izany hatramin’ny farany? Fanarahana fitsipi-pihinanana? Fanaovana fanatanjahantena? Fanolorantena hamaky ny soratra masina isan’andro? Fanapahan-kevitra ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa?

Impiry isika izay no nametraka tanjona ny volana Janoary ary nanatanteraka izany tamin-kafanampo tao anatin’ny andro vitsivitsy na herinandro vitsivitsy na volana vitsivitsy mihitsy aza nefa rehefa tonga ny ôktôbra dia tsy nisy afa-tsy lavenona mangatsiaka ilay afom-panolorantena?

Indray andro aho nahita sary nampihomehy iray izay nahitana alika natory teo akaikin’ny taratasy norotidrotehiny. Mivaky hoe, “Diplaoma tamin’ny fiofanana ho alika mpankatò” izany.

Toy izany isika indraindray.

Manana fikasana tsara isika, manomboka ao anatin’ny tanjaka isika ary te hamoaka ny tsara indrindra avy amintsika. Saingy avelantsika ho rotidrotika sy hanjavona ary ho hadino ireo tanjontsika.

Efa toetran’olombelona ny hoe tafintohina, dia mianjera, dia te hitsoaka an-daharana indraindray. Saingy amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia nanolo-tena isika hoe, tsy hanomboka ilay hazakazaka fotsiny fa hamita izany koa—ary hamita izany miaraka amin’ilay fanilo mbola miredareda. Nampanantena ny mpianany ny Mpamonjy hoe: “Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” (Matio 24:13).

Mamelà ahy hanazava amin’ny teny hafa ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy amin’izao androntsika izao: Raha mitandrina ny didiny isika ary tonga eny amin’ny farany miaraka amin’ny fanilontsika mbola mirehitra dia hahazo ny fiainana mandrakizay izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra rehetra (jereo ny F&F 14:7; jereo koa ny 2 Nefia 31:20).

Ilay Fahazavana izay tsy mba maty na oviana na oviana

Indraindray rehefa avy tafintohina na nianjera na nilavo lefona mihitsy aza isika dia kivy ka mino fa maty ilay hazavantsika ary vita hatreo ilay hazakazatsika. Kanefa mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tsy mety maty ny Fahazavan’i Kristy. Mazava ao anatin’ny alina maizin-kitroka izany ary handrehitra indray ny fontsika raha toa ka hampanatonintsika Azy ny fontsika (jereo ny 1 Mpanjaka 8:58).

Miredareda foana ny Fahazavan’i Kristy na impiry na impiry isika mianjera ary na hatraiza na hatraiza ianjerantsika. Ary rehefa manatona Azy fotsiny isika na dia anatin’ny ali-mikitroka aza dia hatelin’ilay fahazavany ny haizina ary harehiny indray ny fanahintsika.

Ity fifaninanana hazakazaka amin’ny maha-mpianatra ity dia tsy fifaninanana hafainganan-kazakazaka fa fifaninanana hazakaza-davitra. Ary fahasamihafana kely fotsiny ihany no entin’ny hafainganan’ny fandehantsika. Raha ny marina, ny hany mety tsy hahavitantsika ilay hazakazaka dia ny fitsoahantsika an-daharana na ny filavoana lefona.

Rehefa manohy miezaka sy mandroso mankany amin’ny Mpamonjintsika isika, dia handresy ao anatin’ilay fifaninanana miaraka amin’ireo fanilo miredareda.

Tsy miompana amintsika na ny zavatra ataontsika akory ilay fanilo.

Miompana amin’ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao izany.

Ary Fahazavana tsy hitsilopilopy velively izany. Fahazavana mitelina ny haizina izany sy manasitrana ny ratra ary matanjaka na dia ao anatin’ny alahelo tena lalina sy fahoriana tsy takatry ny saina aza.

Fahazavana izay manoatra noho ny fahatakaran’ny saina izany.

Enga anie isika rehetra mba hamita ny dia natombotsika. Ary ho tonga eny amin’ny farany amim-pifaliana miaraka amin’ny fanilontsika mbola mirehitra isika amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Fanamarihana

  1. Harpers Dictionary of Classical Antiquities (1898), “Lampadedromia,” www.perseus.tufts.edu/hopper. Nanazava fifaninanana hazakazaka mitondra fanilo amin’ny endriny hafa iray i Pausanias, izay ahitana ny tsy famotsoran’ireo mpitondra fanilo ny fanilon’izy ireo. Saingy ny ao anatin’ny lampadedromia, izay tonga eny amin’ny faran’ny hazakazaka miaraka amin’ny fanilony mbola mirehitra no mandresy.

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona