2015
Fanapahan-kevitra mpandresy
Ôktôbra 2015


Fanapahan-kevitra mpandresy

Fahafahana ho azy mba hilalao ao amin’ny ekipa mpandresy izany—nahoana izy no hiteny hoe tsia?

“Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina azy” (Mosià 13:16).

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Nihazakazaka niditra ny varavarana eo aloha i Miranda, feno fisaorana fa nangatsiaka kokoa ny tao an-tranony noho ny hafanan’ny toetr’andro fahavaratra tao ivelany. Tsemboka izy avy nilalao baolina kitra, lalao farany tamin’ny taona, sady kivy satria resy ny Teal Turbos. Resy indray.

Niditra tao an’efitrano i Neny ary nitondra tavoahangin-drano sy harona nisy ireo ambin’ny voasary voatetika avy tany amin’ilay lalao. “Tena nilalao tsara ianao. Tsy mora ny asan’ny mpiandry tsatokazo.”

Tena nilalao tsara i Miranda—nahasakana baolina betsaka izy ary nandaka mafy kokoa noho ny mahazatra. Saingy mbola tsy nilalao baolina kitra na oviana na oviana avokoa teo aloha ny ankamaroan’ny ankizivavy tao amin’ny ekipany, ary androany no naha-ôfisialy azy fa resy foana izy ireo isaky ny lalao tamin’ity taona ity.

“Mba te ho ao amin’ny ekipa izay efa nandresy indray mandeha fotsiny aho indraindray” Nisy ranomaso kely nirotsaka avy tamin’ny sisin’ny mason’i Miranda ka nilatsaka teo amin’ny fanamiany maintso manga. Rehefa nakimpiny ny masony dia naneno ny telefaonina.

Noraisin’i Neny ilay telefaonina ary rehefa afaka fotoana fohy dia hoy izy: “Ho anao ilay antso.”

“Manahoana, Miranda ve izany? Tom ity, mpanazatra ny Chili Kickers. Nijery ny lalaonareo aho androany Tena nahafinaritra ny fahitana anao teny.”

Nanomboka nidoboka mafy kokoa ny fon’i Miranda. Ny Chili Kickers no ekipa mpilalao baolina kitra tsara indrindra tao amin’ny ligy!

“Hilalao amin’ny kilalao fifaninanana isam-paritra ny ekipanay amin’ny volana manaraka. Tena nilalao tsara ianao androany ka tiako ianao mba hiaraka aminay ho mpiandry tsatokazo mpandiby.”

Efa nila ho nitsamboatra nivoaka ny tratrany mihitsy ny fon’i Miranda. Fahafahana ho azy mba hilalao hiaraka tamin’ny ekipa mpandresy izany.

“Te handeha aho!” Hoy i Miranda. Niresaka nandritra ny minitra vitsivitsy izy ireo momba ny antsipiriany mialohan’ny nametrahany ny telefaonina dia nihazakazaka nankao amin’ilay efitra iray hafa izy mba hilaza tamin’i Neny. Nanomboka nanoratra ireo datin’ny fanazaran-tena sy ny lalao teo amin’ny kalandirien’ny fianakaviana izy ireo.

Tampotampoka teo dia tsy nanoratra intsony i Neny, nijanona teo ambonin’ny iray tamin’ireo efamira teo amin’ny kalandirie ny peniny.

“Oay! Miranda a! Amin’ny andro alahady ireto lalao ireto. Jereo ange e!” Nanondro ny fandaharam-potoan’ny lalao izy ary nitodika tany amin’ny Miranda niaraka tamin’ny endrika niahiahy. “Inona no tokony hataontsika araka ny eritreritrao?”

Kivy i Miranda sady nanaiki-molotra izy nieritreritra ny safidiny. Mety hamela azy hilalao i Neny raha nangataka izy, kanefa rehefa nieritreritra momba ny hoe nilalao andro alahady izy—indrindra ny hoe tsy mandeha miangona—dia nanotika ny kibony. Fantany fa natokana handehanana miangona ny andro alahady sy hivavahana amin’ny Ray any An-danitra, ary tsy afaka ny hanao ireo zavatra ireo marina izy rehefa milalao baolina kitra.

“Angamba tokony hiantso azy indray aho ka hilaza aminy fa tsy afaka ny hilalao,” hoy i Miranda. Niezaka ny tsy hitomany izy. Na dia fantany aza fa izany no safidy tsara dia sarotra ny manajanona zavatra izay niriany mafy tokoa.

“Ary fantatrao ve hoe inona no eritreretiko?” Hoy i Neny sady namihina azy. “Zaza tena tsara ianao araka ny eritreritro.”

Ny alahadin’iny, rehefa nipetraka tao amin’ny Kilonga i Miranda, dia nieritreritra momba ny safidy tsara izay nataony. Gaga ilay mpanazatra rehefa niantso i Miranda ka niteny hoe tsy afaka nilalao baolina kitra amin’ny andro alahady izy. Niezaka nanao izay hampiova ny eritreriny izy saingy nifikitra tamin’ny fanapahan-keviny i Miranda. Rehefa nihaino ireo hira sy lesona ao aminn’ny Kilonga i Miranda tamin’izay dia nitsiky. Ilay fahatsapana feno fiadanana tao am-pony no nilaza taminy fa tao amin’ny toerana tokony hisy azy izy. Nandray fanapahan-kevitra mpandresy izy rehefa dinihina tokoa.

Sary nataon’i Brad Teare