2015
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Ôktôbra 2015


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa

Sary
Filipino mother sings and does actions with her young children.

“Mankalaza ny takarivan’ny mpianakavy,” pejy (26): Na tsy tara mihitsy aza ianareo manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro na ity no fotoana voalohany hanaovanareo izany dia manaova takarivan’ny mpianakavy anankiray miavaka ho fanomezam-boninahitra ny takarivan’ny mpiankavy! Azonao vakina ilay lahatsoratra mba hahitanao ny fankafizan’ny fianakaviana manerana an’izao tontolo izao ny fotoana iarahan’izy ireo rehefa mianatra ny filazantsara. Ifanakalozy hevitra ny fomba entinareo manatanteraka ilay tanjonareo hanao takarivan’ny mpianakavy. Ahoana no fomba mety hampifanarahanareo izany amin’ny zavatra ilain’ny fianakavianareo? Mety hamerina hanolo-tena ny fianakavianareo mba hanao ho lohalaharana ao anatin’ny tokantranonareo ity fomba fanao efa naharitra 100 taona ity, na inona na inona toe-javatra iainanareo.

Sary
Illustration of a boy in bed looking worried and remembering seeing a bad TV show. The clock on the bedside shows 1:00 AM.

Sary nataon’i Mark Robison

“Mitady fanampiana,” pejy 72: Iaraho mamaky amin’ny fianakaviana ilay lahatsoratra dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto: (1) Inona avy ireo karazana sary na fitaovan-tserasera mety ho hitan’ny ankizy? (2) Iza amin’ireo no tsy ho tsara ho antsika ny mijery azy na ny mifantoka aminy? (3) Inona no tokony hataon’ny olona tsirairay ao anatin’ny toe-javatra iray izay ahitany na ahenoany zavatra fantany fa tsy tokony ho hitany na ho henony? Ifanakalozy hevitra ireo tetika ampiasaina avy ao amin’ny “Oay! Ahoana amin’izay ary izao?” ao amin’ny pejy (74) raha mila hevitra ianao (manalavitra ilay zava-miseho, miresaka amin’ny ray aman-dreny, manao asa fanompoana, sy ny sisa).