2015
Ampy ve ny nataoko?
Ôktôbra 2015


Manompo ao amin’ ny Fiangonana

Ampy ve ny nataoko?

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Nanampy ahy hahatakatra ny fomba tena tsara hanatanterahana ny antsoko ny lesona iray momba ny ondry very.

Sary
Composite photo of a lamb on a cliff. There is a tree growing out of the side of the rocky cliff.

Sary natambatambatra nataon’i Mike Boyland/iStock/Thinkstock sy Oleksiy Fedorov/Hemera/Thinkstock

Voantso ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny paroasin’ny mpianatra manambady nisy anay aho fony 23 taona. Tsaroako ilay tsy fahampian’ny fahaiza-manao tsapako niaraka tamin’ny faniriako hanao izay tsara indrindra avy amiko. Tsindrindaona sy feno fientanentanana ny hanompo aho saingy niahiahy tamin’ny fahafahako ho mpitarika tsara.

Volana vitsy taorian’ny naha-filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ahy dia nahatsapa aho fa tsy ampy ny zavatra nataoko. Naniry ny hifandray tamin’ireo rahavavy aho ary hahatakatra ny zavatra ilainy manokana kanefa tsapako fa tsy tanterako izany.

Niresaka tamin’ny evekako aho ary namboraka ny olako. Nohazavaiko fa toy ny tsy afaka manampy tsotra izao ireo rahavavy rehetra tiako hanaovana izany aho. Nolazaiko fa tena maniry ny hisian’ny tenako ampitomboana dimy aho mba hanatanterahana ilay asa araka ny eritreretiko fa tokony hanatanterahana azy. Niezaka naneho ny olako tamin’ny fomba tsotsotra sy nifono vazivazy aho, saingy vetivety ny masoko dia vonton-dranomasom-pahakiviana. Nitsiky izy ary nanolotra torohevitra faran’izay tsara azoko hatramin’izay ho an’ny mpitarika.

“Moa ve ianao mahafantatra ny tantaran’ilay mpiandry ondry izay rehefa very ny iray tamin’ireo ondriny dia nandao ny ‘sivy amby sivifolo’ izy mba hitady izany?” hoy izy nanontany (jereo nyLioka 15:4–7). Nanetsika ny lohako aho ho fanekeny izany.

“Toa misy fahendrena tena lehibe ao anatin’io fanoharana io,” hoy izy nanohy. “Fantatr’ilay mpiandry ondry fa tsy haninona ireo sivy amby sivifolo raha toa ka hilaozany mba hitadiavany an’ilay ondry anankiray very.”

Dia nanolotra ity torohevitra manaraka ity ny evekako:

“Hitanao! Manana fomba tsara hifampikarakarana ireo sivy amby sivifolo ireo rehefa lasa ianao. Hifamporisika sy hifanohana tsara tokoa izy ireo. Manoro hevitra ny mba hifantohanao amin’ireo izay toa very aho. Tsy haninona ny ambiny.”

Nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho fa marina ny zavatra nolazainy tamiko ka tsy tokony hiahiahy mikasika ny ondry iray manontolo ao anatin’ny indray mandeha aho. Ny hitady ireo very no tanjoko ary hanasa azy ireo hiverina ao amin’ny vala. Afaka ny ho tanteraka amin’izay fomba izay ireo tanjon’ny Ray any an-danitra ary afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanany aho.

Rehefa nanaraka ny torohevitry ny eveka aho dia nahatsapa ho nahazo fahatakarana lehibe kokoa ny fomba tian’ny Tompo hanompoako ao amin’ny Fanjakany. Nahatsapa fahafahampo ara-panahy koa aho izay nampahatanjaka ahy tao anatin’ny antsoko satria nanompo araka ny fomba natoron’ny Mpamonjy aho. Nomen’ny evekako fahatakaran-tsaina sy fahitana zava-baovao izay fanomezana lehibe aho tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mivavaka sy mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ireo mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana isika dia ho entanin’ny fanahy mba hampiseho antsika ny fomba hitarihana amin’ny fomba tsara izy ireo.