2015
Niresaka tamiko ny Rahavavy Spafford
Ôktôbra 2015


Niresaka tamiko ny Rahavavy Spafford

Sandy Howson, Ohio, Etazonia

Nilalao kilalao amin’ny internet momba ny fandrahoan-tsakafo aho indray alina efa tara raha nandalo ny vadiko ka nilaza fa handeha hatory izy.

“Ho avy aho,” hoy aho taminy.

“Hinoako izany rehefa hitako,” hoy izy.

Tao amin’ilay kilalao nolalaoviko dia nahandro sakafo tsy tena izy ao anatin’ny trano fivarotan-tsakafo tsy tena izy ho an’ny mpanjifa tsy tena izy aho. Nijery teo amin’ny efijerin’ilay solosaina aho ary niteny hoe: “Hay misy sakafo izay ho avy afaka 15 minitra.”

Mba handaniana ny fotoana izay niandrasako dia nandray ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours, aho izay nipetraka teo ambony latabatra hatrizay nahazoako azy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Nanomboka namaky ny teny fanolorana aho. Nahita izao manaraka izao aho teo amin’ny pejy fahatelo izay nataon’i Belle S. Spafford, filoha fahasivin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

“Raha ny hevitro, ny vehivavy amin’ny ankapobeny ankehitriny,” hoy ny nosoratany, “dia tsara raha mandinika ny zavatra mahaliana azy sy manombantombana ireo zavatra izay ataony ary avy eo dia manao dingana mba hanamorana ny fiainany, ka manao ho lohalaharana ireo zavatra tena manan-danja, amin’ny fametrahana ny fifantohana any amin’izay ahitana valisoa lehibe sy maharitra indrindra ka hanala ny tenany amin’ireo zavatra ataony izay tsy dia hitondra voka-tsoa” (2011, xiii).

Ankoatra ny soratra masina dia tsy mbola nisy zavatra izay novakiako ka nampientam-po lalina ahy toy izany. Niresaka tamiko io vehivavy izay efa nodimandry tamin’ny 30 taona mahery lasa io. Mbola mitombina kokoa angamba ny teniny ankehitriny noho ny tamin’ny fotoana izay nilazany azy.

Fantatro avy hatrany fa tsy tokony hilalao kilalao en ligne intsony aho. Novonoiko ny solosaina dia nandeha natory aho ary nilaza tamin’ny vadiko ny amin’ny fanapahan-kevitro. Ny ampitson’io dia tsy novelomiko mihitsy ny solosaina. Fa noeritreretiko kosa ny ora laniko isan’andro tamin’ireny kilalao ireny.

Nampitomboiko 365 (andro ao anatin’ny taona iray) ny telo ora isan’andro ary nozaraiko 24 (ora ao anatin’ny andro iray). Gaga aho raha nahita fa very 45,62 andro isan-taona aho. Very mandrakizay ireo ora sy andro sarobidy ireo. Fotoana izay tokony nolaniako tamin’ny famakiana soratra masina, fiarahana amin’ireo vady aman-janako, fanompoana ny hafa na filofosana amin’ny antso.

Matetika ireo Manampahefana Ambony no miresaka momba io lohahevitra io mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nefa tsy mbola nahatakatra izany aho ary noheveriko fa tsy nihatra tamiko izany.

Feno fankasitrahana aho fa nanampy ahy ny Fanahy Masina hahafantatra fa niresaka tamiko ireo Manampahefana Ambony—sy i Belle S. Spafford.