2015
Nivavaka ho an’ny diako ho any Rotuma
Ôktôbra 2015


Nivavaka ho an’ny diako ho any Rotuma

John K. Muaror, New South Wales, Australie

(Efa maty ny mpanoratra.)

Sary
illustration of a ship at sea

Nataon’i Allen Garns

Niainga omaly ny Westerland,” hoy ny zaobaviko rehefa niarahaba anay tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Nadi ao Fidji.

Nalahelo sy diso fanantenana aho tamin’ilay vaovao. Ny MV Westerland no sambo tokony nitondra anay nijery ny zokiko lahy any amin’ny Nosy Rotuma. I Rotuma dia tokony ho 600 km avaratra andrefan’i Viti Levu, ny midadasika indrindra amin’ireo nosin’i Fidji. Raha tara sambo ianao dia tsy maintsy miandry ny sambo manaraka mandritra ny andro maromaro na herinandro maro mihitsy aza.

Herintaona talohan’io dia efa nandeha tany Rotuma aho nanampy ny rahalahiko nanavao ny tranon’ny renibenay ary nandao azy aho noho ny tsy fifankahazoana tamin’ny lafin’ny asa. Izao aho dia te hifanatri-tava aminy ka hilaza aminy fa nanenina aho.

Herinandro talohan’ny nandehananay fiaramanidina niala tany Australie nankany Fidji dia niteny ahy ny zana-drahalahiko fa hiainga ho any Rotuma ny andro mialohan’ny tokony hahatongavanay ny sambo Westerland. Nantsoiko avy hatrany ny biraon’ilay sambo ka niangavy azy ireo mba hanemotra roa andro ilay dia aho.

“Tsia, tsy azonay atao izany na dia tianay aza,” hoy ny valinteny. “Efa nanomana lanonana fiarahabana ny Filankevitry ny Nosy Rotuma ka tsy maintsy miainga araka ny efa voalahatra ny sambo.”

Nisy eritreritra niserana tao an-tsaiko ka nanapa-kevitra ny hifady hanina sy hivavaka aho.

“Ry Ray any An-danitra,” hoy aho nivavaka, “tena te hahatratra io sambo mankany Rotuma io aho. Inoako fa tsy afaka manemotra andro iray na roa ny fiaingana izy ireo saingy Ianao kosa dia manana ny hery hanaovana izany. Azonao atao ve ny manala bolao iray na aiza na aiza amin’ilay sambo mba hampihemotra ny dia ka hahafahako hiondrana? Mila mankany Rotuma sy mihavana amin’ny rahalahiko aho.”

Rehefa avy nandre ilay vaovao nandiso fanantenana izahay dia nandeha nankany amin’ilay seranana tany amin’ny lafiny ilan’ilay nosy izahay. Renay tao anefa fa nisy olana tao amin’ny maoteran’ilay sambo ka mbola tsy niainga izany. Namaly ny vavaka nataoko ny Ray any An-danitra! Rehefa nojerena dia ilay maotera manontolo mihitsy—fa tsy bolao iray monja—no nilaina nesorina mba hampitsaharana ilay menaka nitete be.

Rehefa niainga ihany ilay sambo herinandro taty aoriana, dia teny ambonin’izany aho. Rehefa tonga tany Rotuma aho dia namihina ny rahalahiko ka nifona taminy ary naverinay tamin’ny laoniny ny fifandraisanay. Azo antoka fa androm-pifaliana tamin’io.

Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho noho io traikefa ara-panahy mahatalanjona io sy noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Vavolombelona iray izany fa mbola misy ny fahagagana ankehitriny, fa velona ny Ray any An-danitra ary mamaly ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika Izy, fa miara-miasa ny vavaka sy ny fifadian-kanina, ary marina ny filazantsara—na dia ao amin’ny tanàna kely iray ao amin’ny nosikelin’i Rotuma aza.