2015
Tsy fantatro hoe nahoana aho no teo
Ôktôbra 2015


Tsy fantatro hoe nahoana aho no teo

Amber Cheney, Alabama, Etazonia

Sary
illustration of two women hugging

Nataon’i Kathleen Petersen

Vao nahavita ny vavaka hariva fanaonay izaho sy ny reniko. Nifamihina izahay sady niteny hoe: “Tiako ianao” Avy eo dia nandeha tany amin’ny efitrano fatoriako aho. Rehefa nihazo ny varavarako aho dia nisy fahatsapana mafy tonga tao an-tsaiko fa ho faty ny reniko ny ampitson’io.

Niezaka niady tamin’ilay eritreritra ny atidohako sy ny foko. Tsy nisy zavatra tokony hitranga amin’ny reniko mihitsy. Milamina tsara daholo ny aminy.

Rehefa tonga tao amin’ny efitranoko aho dia nandohalika nivavaka ary nilaza tamin’ny Ray any An-danitra fa tsy tokony ho marina ny fahatsapako mikasika ny reniko. Nangataka taminy aho mba hanala ilay eritreritra tato amiko saingy tsy niala izany. Niverina tao amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniko aho ary nilaza tamin’ny reniko fa nila fihina sy oroka fanampiny alohan’ny handehanako hatory. Niteny indray izahay hoe: “Tiako ianao,” dia niverina tany amin’ny efitranoko aho. Elaela aho vao resin-tory tamin’io alina io.

Rehefa nifoha aho ny marainan’io dia natahotahotra. Soa fa teo ny reniko, faly sady salama tsara. Kanefa tany an’eritreritro dia mbola nijanona ihany ilay fahatsapana mahasorena fa nisy zavatra tsy mety. Tamin’ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona tamin’io andro io dia nitsangana ny reniko ka nizara fijoroana ho vavolombelona mahafinaritra.

Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia lasa nampianatra tany amin’ny kilasin’ny Kilonga izy ary izaho kosa nandeha tany amin’ny Sekoly Alahady. Nanana fahatsapana mazava hafa aho tamin’izay fotoana izay fa nila nitsangana sy nivoaka tao amin’ny Sekoly Alahady. Tsy hoe te hisarika ny saina taty amiko aho fa nisy zavatra nanala ahy teo amin’ny sezako ka nitondra ahy nivoaka ny varavarana. Tao anatin’ny minitra vitsivitsy dia efa nipetraka tao amin’ny kilasin’ny Kilonga izay nampianaran’ny reniko aho nihaino azy nampianatra. Tsy fantatro hoe nahoana aho no teo saingy fantatro fa teo amin’ny toerana izay tokony hisy ahy aho.

Avy eo tany an-tranon-drahalahiko ny tolakandran’io, dia nibanjina mivantana farany ny masoko ny reniko rehefa nidaraboka ka nodimandry noho ny embolie pulmonaire nahazo azy. Noho ny antony izay an’ny Ray any An-danitra sy noho ny famindrampony dia nandefa ny Fanahy Masina Izy mba hanomana ahy. Ireo bitsika ireo dia nanome ahy fotoana fanampiny niarahako tamin’ny reniko izay mety tsy ho nankamamiako raha toa ka tsy niraharaha ilay feo tony sy malefaka aho.

Mbola tsy niharihary be tamiko toy izany ny fitiavan’ny Raiko any An-danitra raha tsy nitranga ilay toe-javatra nanodidina ny nahalasana ny reniko. Tena voatahy isika manana Ray any an-danitra izay tia antsika tokoa ka nanome antsika ilay fanomezana manokan’ny Fanahy Masina.