2015
Inona no mety hampanan-danja ity zavatra ity?
Ôktôbra 2015


Inona no mety hampanan-danja ity zavatra ity?

Kelly Laing, Washington, Etazonia

Nandritra ny fandehanako teny amoron’ny sambo USS West Virginia, dia nisy fitadiavana miaramila iray mahay miteny Pôrtogey mba handeha hanao fifanakalozana traikefa amin’ny tafika an-dranomasina Bireziliana mandritra ny telo herinandro. Izaho irery no hany nahay niteny Pôrtogey tao anatin’ny tafiky ny tantsambo mpisitrika.

Ny tsy handeha no zavatra tsapako voalohany. Vao avy nahavita fanaovana fisafoana nandritra ny telo volana aho ary niandrandra ny hahita ny fianakaviako, saingy tsy nety niala tato an-tsaiko mihitsy ilay fifanakalozana traikefa. Nitodika tamim-bavaka tany amin’ny Ray any an-danitra aho ary nahazo valiny mazava fa tokony handeha ka dia nekeko ilay asa hampanaovina.

Maro ireo sakantsakana teo amin’ny fanaovana fifandaminana. Nisy fotoana nahatsapako faniriana ny hilavo lefona. Nieritreritra aho hoe, “Inona no mety hampanan-danja ity zavatra ity?” Nibitsika tamiko anefa ny Fanahy Masina mba hanohy.

Sary
Illustration depicting men on board a Navy ship. One of the men is pointing and yelling at a man sitting at a table. Another officer is standing in the doorway.

Sary nataon’i Allen Garns

Tonga tany amin’ilay sambo Bireziliana ihany aho tamin’ny farany taorian’ny fanemorana maro. Teo am-pivazavazana sy teo am-panondronondroana tovolahy miaramila iray ny kapitenin’ilay sambo raha iny nentina niditra ny efitrano fisakafoan’ny miaramila iny aho. Hitan’ilay kapiteny aho ka nijanona izy ary nilaza tamin’ny teny Anglisy tsy dia mazava loatra hoe, “Oay! Tonga ilay namako Amerikana. Tonga soa Inona no tianao hosotroina?”

Namaly tamin’ny teny Pôrtogey aho hoe te hisotro ilay zava-pisotro malefaka malaza any Birezila aho izay nandritra ny nanaovako asa fitoriana no nisotroiko azy farany. Nilaza izy fa manana ny karazana toaka maro samihafa ny sambo, saingy nolazaiko hoe tsy misotro toaka aho.

Nisy nandondona taty aoriana tao amin’ilay efitra keliko. Rehefa nosokafako ny varavarana dia indro nijoro teo ilay tovolahy miaramila tany amin’ilay trano fisakafoana.

“Amerikana ianao,” hoy izy. “Tsy misotro toaka ianao. Miteny Pôrtogey ianao. Mety ho Môrmôna ve ianao?”

“Eny, Môrmôna aho,” hoy ny navaliko.

Nofihininy aho ary nigogogogo nitomany izy.

Io miaramila io, Lietna Mendes, dia mpikambana vaovao ihany ary vao avy nahazo mari-pahaizana avy ao amin’ny Akademian’ny tafika an-dranomasina Bireziliana. Rehefa teny ambony sambo dia vetivety dia fantany fa nanantena azy hanaraka ilay fomba fiaina feno hadalana ataon’ny miaramila rehefa mitsidika seranan-tsambo ilay kapiteny. Saingy nirotsaka tsy tapaka an-tsitrapo hanao “asa tsy mivoaka ny seranana” ny Lietna Mendes ary raha tsy izany dia tsy mandray anjara amin’ireo zavatra atao any ivelan’ny seranam-pandalovana. Lasa nanorisory ilay kapiteny izany. Rehefa niditra ny efitrano fisakafoana aho dia teo am-pivazavazana ny Lietna Mendes izy noho ny tsy fiarahany amin’ny hafa.

Nanome baiko an’ilay lietna izy hoe: “Mandeha miaraka amin’ireo miaramila ianao any amin’ny seranam-pandalovana manaraka.” “Ianao no hampiseho an’ilay miaramila Amerikana vahiny izany atao hoe miala voly izany. Izany no handrasany amintsika.”

Nivavaka nandritra ny volana maro ny Lietna Mendes mba hahatakaran’ilay kapiteniny sy hanekeny ny fitsipika iainany. Lasa votoatin’ny ankamaroan’ny resaka nifanaovana tao amin’ny efitrano fisakafoana ny filazantsara hatrizay nahatongavako. Niresaka tamin’ireo miaramila hafa momba an’i Joseph Smith, ny Famerenana tamin’ny Laoniny sy ny Tenin’ny Fahendrena ary ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izahay. Vetivety dia niova ny fandraisana ny Lietna Mendes. Nesorin’ny miaramila ireo sary pôrnôgrafika narantiranty ary niaraka nisakafo tany amin’ny trano fivarotan-tsakafo iray izahay rehetra fa tsy nandeha tany amin’ny trano filanonana amin’ny alina rehefa niantsona tany amin’ny seranana manaraka.

Nanalefaka ny fony ireo lehilahy rehefa nanakaiky ny fiafaran’ilay telo herinandroko teny ambony sambo sy taorian’ny fifanakalozan-kevitra maro niarahana tamin’ilay kapiteny sy ireo miaramila mikasika ny finoantsika. “Azoko amin’izay ilay izy ankehitriny,” hoy ilay kapiteny tamin’ny Lietna Mendes talohan’ny nandehanako ary nampiany hoe tsy hangataka azy mba handika ny fitsipika iainany intsony izy.

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana io zavatra niainako io. Nianatra izaho sy ny Lietna Mendes fa mahafantatra antsika tsirairay avy ny Raintsika any an-danitra ary tia antsika sy miahy ny fiainantsika manokana.