2015
Asio solika ny fanilonao: Fisedrana mandritra ny 30 andro
Ôktôbra 2015


Zatovo

Asio solika ny fanilonao: Fisedrana mandritra ny 30 andro

Ho an’ny zatovo ao amin’ny Fiangonana izay be zavatra atao eo amin’ny fiainana dia mety mora ny ho tafahitsoka ao anatin’ny fanaovan-javatra amim-pahazarana fotsiny, indrindra ny zavatra ara-panahy. Mamaky ny soratra masina sy mivavaka ary mitsaoka amin’ny fomba mitovy isika saika isan’andro nefa avy eo manontany tena hoe nahoana no toa nikororosy fahana ara-panahy.

Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hihazonana ny fanilo ara-panahintsika hiredareda dia ny fanaovana izay hiainanao zavatra ara-panahy manan-danja. Saingy mora lazaina fa sarotra tanterahina izany. Noho izany dia ity misy torohevitra mba hanampiana anao hivoatra ara-panahy: Mieritrereta zavatra atao iray mifandray amin’ny filazantsara izay tsy nataonao velively teo aloha (na mahalana ny anaovanao azy ) ka dia manolora tena ny hanao izany isan’andro ao anatin’ny iray volana. Afaka manomboka amin’ny zavatra kely ianao satria ho hitanao fa mora kokoa ny manao fanovana kely mba ho lasa fiovana maharitra. Mety hitaky finoana sy ezaka bebe kokoa avy amintsika ny fanaovana zavatra izay mamoaka antsika ao anatin’ilay faritra mampahazo aina antsika ara-panahy, saingy rehefa ataontsika izany dia manasa ny Fanahy Masina isika hiaraka amintsika ary mampiseho finoana lehibe kokoa ny Ray any an-danitra sy faniriana hanakaiky Azy kokoa isika. Ireto ary misy hevitra vitsivitsy hanombohanao izany: