2015
Zatovolahy sy zatovovavy mahatalanjona ao amin’ny soratra masina
Ôktôbra 2015


Zatovolahy sy zatovovavy mahatalanjona ao amin’ny soratra masina

Nipetraka tany Alemana ny mpanoratra izay mpampianatra seminera ary nodimandry tamin’ny 2012.

Ianao dia afaka mianatra avy amin’ireo zatovo marin-toetra maro izay notehirizina ao anatin’ny soratra masina ny tantaran’izy ireo ary manaraka ny ohatra nasehon’izy ireo.

Sary
illustration of scenes from the Bible

Sary nataon’i Andrew Bosley

Tia ireo zatovo ao amin’ny Fiangonana ny Tompo. Manana fahatokiana lehibe anareo Izy. Nanome aingam-panahy an’ireo zatovolahy sy zatovovavy mahery fo mba hitarika sy hitahy ny vahoakany ny Tompo tamin’ny fotoana rehetra. Ilainy ny fahaizan’izy ireo mamorona sy ny herimpony ary ny maha-izy azy. Toy izany foana no nitranga ary mbola hitohy ho toy izany hatrany.

Lohahevitra sarobidy izay afaka jerena ao amin’ny soratra masina ireo ohatra maro momba ny zatovo mahery fo. Na dia efa niaina taloha elabe aza izy ireo dia azonao arahina ny ohatra nasehon’izy ireo ary azonao hisintonana lesona ny fiainany. Nanana olana tao amin’ny fianakaviany izy ireo; niaina teo anivon’ny olona tsy marina izy ireo; niatrika “Goliata” izy ireo, saingy ny herimpo sy ny fankatoavana ary ny finoana an’i Jesoa Kristy izay nananan’izy ireo no nanampy azy ireo handresy ireo zava-tsarotra niainan’izy ireo—tahaka ny ahafahan’ireo toetra ireo manampy anao ihany koa handresy ny zava-tsarotra.

Abrahama

Nahavariana ny fanapahan-kevitr’i Abrahama sy ny fahasahiany ary ny fahavononany hanandratra ny feony hanohitra ny faharatsiana—ary vao mainka mahavariana kokoa rehefa fantatra fa nanompo sampy ny rainy. Fony izy mbola tovolahy dia nijoro mafy tamin’ny fahamarinana ka saika novonoina hatao sorona. (Jereo ny Abrahama 1:2–7.)

Josefa tany Egypta

17 taona izy rehefa namidin’ireo zokiny ho andevo, fa noho ny fitahian’ny Tompo dia afaka nanao io toe-javatra sarotra izay niainany io ho zavatra tsara i Josefa. Tsy resy izy satria tsy nilavo lefona mihitsy. Tsy tapaka mihitsy ny fahatokiany ny Tompo. Ny hatsarana lehibe tao anatin’i Josefa dia niseho tamin’ny fomba mendri-kaja izay namelany ireo zavatra tsy rariny natao taminy. (Jereo ny Genesisy 37:35.)

Davida

Mpiandry ondry i Davida tamin’ny fahatanorany ary niady tamin’ny orsa sy liona izy mba hiarovana ny ondrin-drainy. Tsy avy tamin’ny fahaizany tamin’ny naha-mpiandry ondry azy ny fahatokiantenany; avy tamin’ny finoany ny Ray any an-danitra izany, araka ny hita tamin’ny ady nataony tamin’i Goliata. Jereo ny 1 Samoela 17:32–54.)

Estera

Nanapa-kevitra ny nametraka ny ainy ho tandindomin-doza izy mba hanavotana ny vahoakany. Tsy ny hatsaran-tarehin’i Estera akory no nahatonga azy ho olona miavaka fa ny toetrany ara-panahy. (Jereo ny Estera 4–5.)

Daniela

Sary
Illustration of scenes from the Bible, Book of Mormon and Church history.

Sary nataon’i Andrew Bosley

Nankatò ny lalàn’ny fahasalaman’ny Tompo izy na dia tsy nanao izany aza ny hafa nanodidina azy. Nivavaka izy na dia nifanohitra tamin’ny didin’ny mpanjaka aza ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra. Noho ny fahamarinan-toetra nananany sy ny fisokafany tamin’ny fitaoman’ny Fanahy dia nomen’ny Tompo ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikana nofy sy fahitana i Daniela Nahazo hery sy fahendrena avy tamin’ny Ray any An-danitra izy hany ka tamin’ny fotoan’ny loza dia azony nampiasaina malalaka ny herin’ny lanitra. (Jereo ny Daniela 1; 6.)

Nefia

Ohatra iray tena miavaka i Nefia rehefa nilaza hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo ahy” (1 Nefia 3:7). Nanana ny herimpo hanaovana ny zavatra izay nampanaovina azy izy. Nipetraka tao amin’ny trano tsara ve izy? Tsia, niaina tany an-tany foana izy nandritra ny taona maro. Nilamina daholo ve ny zava-drehetra teo amin’ny fiainany? Tsia, tezitra matetika taminy ny rahalahiny ary nanandrana namono azy indraindray. Tao anatin’izany rehetra izany dia nankatò ny didin’Andriamanitra izy.

Ireo zatovolahy Amônita roa arivo

Notezain’ny ray aman-dreny mahatoky ireo zatovolahy ireo ary nitahy azy ireo ny finoany ny tenin’ny renin’izy ireo. Nianatra nihaino sy nankatò tamin’ny antsipiriany izy ireo ary nandritra ny ady nataon’izy ireo dia tsy nanana fisalasalana izy ireo fa hiaro azy ny Ray any An-danitra. (Jereo ny Almà 56:45–48.)

Môrmôna

Novangian’ny Tompo izy teo amin’ny faha-15 taonany satria nanetry tena sy nadio ary tsy nisy pentina, na dia teo aza ny fahalotoan’ny olona nanodidina azy. Tamin’ny faha-15 taonany koa dia natao ho lehiben’ny tafika i Môrmôna. Taty aoriana dia nankinina taminy ny fitazonana ny soratra masina. (Jereo ny Môrmôna 1–2.)

Joseph Smith

Tamin’ny faha-14 taonany dia namaky ny soratra masina izy ka nivavaka mba hahafantarany izay fiangonana tokony hidirany. Niantso azy ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nanokana ny fiainany manontolo ho amin’ny fanatanterahana io asa nanendrena azy io i Joseph na dia teo aza ny sakana sy ny fahasahiranana maro. Novangian’ny anjely Môrônia izy tamin’ny faha-17 taonany izay nampiseho azy ireo takela-bolamena. Na dia tanora aza i Joseph Smith dia mpampianatra mahery vaika sy ohatra lehibe ho an’ny manodidina azy. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1.)

Ny tanora amin’izao andro izao

Moa ve efa lasa ireo fotoana nisian’ny zatovolahy sy zatovovavy mahatalanjona? Tsia! Nilaza tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia fa teo andalam-pahatanterahana ny faminanian’i Joela manao hoe:

“Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra [Izaho Tompo]; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;

“Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny fanahiko amin’izany andro izany” (Joela 3:1–2; jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:41).