2015
Ny drafitry ny famonjena: Harem-pahalalana masina mba hitarika antsika
Ôktôbra 2015


Ny drafitry ny famonjena: Harem-pahalalana masina mba hitarika antsika

Ny fanohanantsika ny drafitry ny Ray no fanalahidin’ny fahombiazantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Izany koa no fanalahidin’ny fahombiazantsika eto amin’ny fiainana an-tany.

Matetika aho no nieritreritra ny fahakivian’ireo zanak’Andriamanitra izay mirenireny ao anatin’ilay izao tontolo izao izay ngazana maizina sy mahonena, ka tsy mahafantatra hoe iza izy ireo, na avy aiza na nahoana no eto an-tany na ho aiza izy ireo aorian’ny fiainany eto an-tany.

Tsy mila mirenireny isika. Nanambara fahamarinana mandrakizay mba hamaliana ireo fanontaniana ireo Andriamanitra. Hita ao anatin’ny drafitra lehibe ho an’ny zanany izany. Io drafitra io ao anatin’ny soratra masina dia fantatra amin’ny hoe “drafitry ny fanavotana,”1 ny “drafitry ny fahasambarana,”2 ary ny “drafitry ny famonjena.”3

Sary
The Beeches, by Asher Brown Durand

HAZO HETIRA, NATAON’I Asher Brown Durand, © The Metropolitan Museum of Art, LOHARANO NIAVIAN’NY SARY: Art Resource, NY, TSY AZO HADIKA

Tsy hirenireny any ivelan’ny lalana izay mitondra miverina any amin’ny Raintsika any an-danitra ny tenantsika rehefa mahatakatra sy manaraka amim-pankatoavana ny drafitr’Andriamanitra isika.4 Amin’izay ary amin’izay ihany vao afaka ny hiaina ilay karazana fiainana iainany isika, dia ny “fiainana mandrakizay, … izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra.”5

Io fanomezana ny fiainana mandrakizay io dia mendrika ny hanaovana izay azo atao mba handalinana sy hianarana ary hampiharana ny filazantsara. Hitsangana amin’ny maty ny olombelona rehetra ary handray ny fitahian’ny tsy fahafatesana. Saingy ny fanatratrarana ny fiainana mandrakizay—ilay fiainana izay iainan’Andriamanitra6—dia mendrika ny hiainana ny drafitry ny famonjena amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjatsika rehetra.

Mahatakatra ny drafitry ny famonjena

Tena manome hery tokoa ny fahafantarana ilay drafitra! Ny drafitry ny famonjena dia iray amin’ireo harem-pahalalana lehibe indrindra nomena ny olombelona hatramin’izay satria manazava ny tanjona mandrakizain’ny fiainana izany. Tena mirenireny ao anatin’ny haizina tokoa isika raha tsy misy izany. Izany no mahatonga ilay hoe ny lamin’Andriamanitra dia ny hanome didy ny zanany “rehefa nampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana.”7

Ny tanjoko dia ny hanampy antsika tsirairay mba hanararaotra io harem-pahalalana io—mba hahatakatra tsara kokoa ny drafitry ny famonjena sy hampihatra izany fahatakarana izany eo amin’ny fiainantsika isan’andro.

Fahafahana misafidy

Noho ny maha-manan-danja ny fahafahana misafidy ao anatin’io lamina io dia ndeha hatombontsika amin’izany izy ity. Nomen’ny Raintsika fahafahana handray andraikitra na handà tsy handray andraikitra isika8 araka ireo fahamarinana mandrakizay—fahamarinana izay mahatonga an’Andriamanitra amin’izao misy Azy izao sy mahatonga ny lanitra araka ny ahitana azy.9 Mahazo fifaliana maharitra mandrakizay isika raha toa ka mampiasa ny fahafahantsika manaiky sy miaina ireo fahamarinana ireo. Mifanohitra amin’izany kosa no hiseho fa hiaina fijaliana sy fahoriana isika raha toa ka ampiasaintsika ny fahafahantsika misafidy mba tsy hankatoavana sy handavana ny lalàn’Andriamanitra.10

Ny fahafahana misafidy dia mifandray amin’ireo ambaratonga telon’ny drafitry ny famonjena: ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny fiainana an-tany ary ny fiainana aorian’ny fiainana an-tany.

Fiainana talohan’ny nahaterahana

Araka ny nambara ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” isika tsirairay dia “fanahy izay zanakalahy na zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” izay manana “toetra sy anjara araka an’Andriamanitra.”11 Nohazavain’ny Ray any an-danitra antsika ilay drafitry ny fanavotany nandritra ilay filankevitra talohan’ny nahaterahana.12 Nifototra tamin’ny fotopampianarana sy lalàna ary fitsipika izay efa nisy hatrizay ilay drafitra.13 Nianatra isika fa raha manaiky sy manaraka ilay drafitra dia ho angatahina mba handao amim-pahavononana ny fiaraha-miaina amin’ny Raintsika ary hosedraina mba hahitana raha toa ka hisafidy ny hiaina araka ny lalàny sy ny didiny isika.14 Nifaly tamin’izany zava-mahasoa izany isika15 ary nanohana tamim-pankasitrahana ilay drafitra satria nanome antsika ilay fomba hahafahana ho tonga tahaka ny Raintsika any an-danitra izany sy handovana ny fiainana mandrakizay.

Saingy mety misy vokany hafa mitranga koa avy amin’ilay drafitra: raha nisafidy ny tsy hiaina araka ireo lalàna mandrakizain’Andriamanitra isika dia handray zavatra ambany kokoa noho ny fiainana mandrakizay.16 Fantatry ny Ray fa ho tafintohina sy hanota isika eo am-pianarantsika amin’ny alalan’ny zavatra iainantsika eto an-tany, ka dia nanome Mpamonjy iray Izy mba hanavotra ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotana sy hanasitrana ireo ratra ara-panahy sy ara-pihetsehampon’ireo izay mankatò.17

Sary
Cropped portion of Carl Bloch's painting depicting Christ sitting at a table with the two men with whom He walked on the road to Emmaus.

I Jesoa Kristy no ilay zanaka malalan’ny Ray nofidina sy notendrena hatrany am-piandohana.18 Nanohana ny drafitry ny Ray Izy ary nanolo-tena ho Mpamonjy antsika rehefa nilaza hoe: “Inty Aho, iraho aho.”19 Dia notendren’ny Ray i Jesoa mba ho Ilay hiaina fiainana tsy misy fahotana eto amin’ny fiainana an-tany sy hanao sorona ho an’ny fahotantsika sy ny fahoriantsika ary hitsangana amin’ny maty mba hanapaka ny famatoran’ny fahafatesana.

Niaina tany amin’ilay fiainana talohan’ny nahaterahana koa i Losifera izay lasa fantatra amin’ny anarana hoe Satana.20 Nolaviny ilay drafitra noho ny antony feno fitiavan-tena ary nikatsaka ny hamotika ny fahafahan’ny olona misafidy izy sy nikomy tamin’ny Ray.21 Vokatr’izany dia tsy hahazo vatana velively i Satana sy ireo izay nanaraka azy. Narian’izy ireo ilay fahafahana mandray anjara ao amin’ny drafitry ny Ray ary nafoiny ilay anjara masiny.22 Manohy ny adim-pikomiana amin’Andriamanitra izy ireo ary mikatsaka ny hampanalavitra ny fon’ny olombelona sy ny sainy Aminy.23

Narafitra sy namboarina ho an’ireo izay nanaiky ny drafitry ny Ray ity tany ity.24 Mahazo vatana izay nohariana araka ny endrik’Andriamanitra sy ny tarehiny isika ety. Sedraina sy tsapaina isika ety. Maka traikefa izay ilaina mba handovana ny fiainana mandrakizay isika ety.25

Fiainana an-tany

Sary
Adam and Eve

Noharian’Andriamanitra i Adama sy Eva ary natambany ho mpivady dia napetrany tao amin’ny Sahan’i Edena ary nodidiany mba hanan-janaka izy ireo.26 Rehefa nampiasa ny fahafahany misafidy i Adama sy Eva dia samy nesorina teo anatrehan’Andriamanitra ary lasa olona mety maty.27 Nahatanteraka ny drafitry ny Ray izany satria afaka nanan-janaka izy ireo izay zavatra tsy azony natao tao amin’ny Sahan’i Edena.28 Ny hery masina ahafahana miteraka araka ny lalàna mandrakizay dia tsy azo ampiasaina afa-tsy ao anatin’ny fepetra apetraky ny Raintsika any An-danitra ihany. Manome fahafahana mba hahazoana fifaliana mandrakizay ny fanaovana izany. Hiteraka fahoriana amin’ny farany izay mety ho fampiasana io hery masina io any ivelan’ny fetra napetrak’Andriamanitra.29

Miezaka ny mampanalavitra antsika amin’ireo zava-mahasoa misy amin’ny alalan’ny drafitry ny Ray i Satana, izay maniry ny mba “hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”30 Nahoana no avelan’ny Ray any an-danitra maka fanahy antsika i Satana? Satria fantany fa ny fifanoherana dia ilaina amin’ny fivoarantsika sy ny fisedrana antsika eto amin’ny fiainana an-tany.31 Manome antsika fahafahana sarobidy mba hitodihana any amin’Andriamanitra sy hianteherana Aminy ny fifanoherana. Noho ny tsara sy ny ratsy izay eo anoloantsika mandrakariva dia afaka maneho mazava tsara ny fanirian’ny fontsika isika amin’ny alalan’ny fanekena ny anankiray ary ny fandavana ilay iray hafa.32 Ny fifanoherana dia hita ao anatin’ny fakan’i Satana fanahy nefa koa hita ao anatin’ny fahalementsika manokana, fahalemen’ny olona izay miraikitra ao anaty amin’ny maha-olombelona.33

Mba hanampiana antsika hisafidy amim-pahendrena dia nambaran’Andriamanitra ny drafitry ny fanavotany ary nanome didy,34 ny Fahazavan’i Kristy,35 ary ny Fanahy Masina ho namana lalandava Izy.36 Na dia eo aza ireo fanomezana ireo dia manota daholo isika rehetra eto amin’ity izao tontolo lavo ity, ka tsy afaka ny hiditra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’izay zava-bitantsika manokana fotsiny isika rehetra.37 Izany no antony nanomezan’ilay drafitra feno famindrampony Mpamonjy iray.

Tonga tety an-tany tamin’ny naha-zanaka Lahitokan’Andriamanitra azy i Jesoa Kristy ary nahavita tanteraka ilay iraka nampanaovina Azy tamin’ny alalan’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.38 Araka ilay drafitra feno famindrampon’ny Ray dia resy tamin’ny alalan’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ny vokatry ny Fahalavoana,39 ary afaka resena ny vokatry ny fahotana ary afaka mivadika ho tanjaka ny fahalemena raha toa ka misafidy ny hampiasa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.40

Sary
Frontal head and shoulders portrait of Jesus Christ. Christ is depicted wearing a pale red robe with a white and blue shawl over one shoulder. Light emanates from the face.

Sarin’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’ny C. Harrison Conroy Co.

Amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy ihany no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay. Mitaky ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny fanaovana batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izany.41 Raha amin’ny teny tsotsotra dia tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ilaina rehetra isika ary maharitra hatramin’ny farany eo amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany.

Fiainana aorian’ny fiainana an-tany

Aorian’ny fahafatesantsika dia hijoro eo anatrehan’ny Mpamonjy isika mba hotsaraina.42 Ho voavela sy handova izay ananan’ny Ray rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ny fiainana mandrakizay, ireo izay mampihatra ny finoany an’i Kristy ho amin’ny fibebahana noho ny maha-be famindrampo an’Andriamanitra.43 Noho ny maha-marina an’Andriamanitra dia tsy hahazo ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay ny olona tsirairay izay mibebaka.44 Hahazo ny valisoany araka ny finoany, ny fibebahany, ny eritreriny sy ny faniriany ary ny asany ny olona tsirairay.45

Mampihatra ny drafitry ny famonjena eo amin’ny fiainantsika andavanandro

Rehefa takatsika ilay endrika iray manontolon’ilay drafitra ary hitantsika ao anatin’izany ny tenantsika dia mahazo zavatra sarobidy isika na hoe tena manan-danja mihitsy aza: fahatazanana lavitra ny mandrakizay. Manampy antsika eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika sy ny zavatra ataontsika isan’andro ny fahatazanana lavitra ny mandrakizay. Mampilamina ny saintsika sy ny fontsika izany. Miorina mafy sy tsy azo hozongozonina isika eo anatrehan’ireo hevitra izay toa mandresy lahatra manodidina antsika nefa mifono faharatsiana mandrakizay.

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fiezahana manakatra ity fiainana ity amin’ny fisehony fotsiny fa tsy miaraka amin’ny fananana fahatakarana ny drafitry ny famonjena izay ahitana ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana sy ny fitsarana ary ny fitsanganana amin’ny maty dia toy ny tsy nahita afa-tsy ny fizarana faharoan’ilay tantara an-tsehatra misy fizarana telo.”46 Tsy maintsy mahatakatra ny fizarana voalohany isika (ny fiainana talohan’ny nahaterahana) mba hahalalana ny fomba hanaovana safidy tena tsara ao amin’ny fizarana faharoa (ny fiainana an-tany), izay hamaritra ny hitranga amintsika ao anatin’ny fizarana fahatelo (ny fiainana aorian’ny fiainana an-tany).

Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia manova ny fomba fijerintsika ny fiainana sy ny olona rehetra manodidina antsika ary ny tenantsika ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena miaraka amin’ny vavaka atao amin-kitsimpo. Manazava ny fahitantsika ny ara-panahy ny fahatakarana ny drafitra ary manome fahafahana antsika hahita zavatra araka ny tena fisehony.47 Toy ny nanomezan’ny Orima sy Tomima fahafahana ny Mpaminany Joseph Smith mba handray fanambarana sy fitarihana,48 no hampisehoan’ilay fahalalana ny drafitra antsika koa ny fomba “[hiasana] araka ny fotopampianarana sy ny fitsipika mikasika ny hoavy, araka ny safidim-pitondrantena” izay efa nomen’ny Tompo antsika.49 Noho izany dia hatanjaka ny finoantsika ary ho haintsika ny fomba hamaritana ny lalam-piainantsika sy ny fandraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fahamarinana mandrakizay.

Ireto misy ohatra vitsivitsy izay manan-danja manokana amin’izao androntsika izao:

Ny tanjon’ny fanambadiana ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra

Sary
illustration of a bride and groom in front of a temple

SARY NATAON’I James Johnson

Tandindomin-doza ny fanambadiana sy ny fianakaviana satria fantatr’i Satana fa zavatra manan-danja mba hahazoana ny fiainana mandrakizay izany—toy ny maha-manan-danja ny Fahariana, ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.50 Mikatsaka ny hanimba ny fahatakarantsika ny fanambadiana sy ny fianakaviana ary ny fanorenana izany i Satana satria efa tsy nahomby tamin’ny famotehana ny iray tamin’ireo andry ijoroan’ny drafitra ireo izy.

Lasa zavatra mazava ifantohan’ny saina ny tanjon’ny fanambadiana rehefa raisina ho fitaovana raikitra hijerena ny tokony hatao ny drafitry ny Ray any an-danitra. Mahatonga ny drafiny ho tanteraka ilay didy mba handao ny ray sy ny reny ary hikambana amin’ny vady,51 ary hiteraka sy hameno ny tany52. Mitondra ireo fanahy izay zanany eto an-tany isika amin’ny alalan’ny fanambadiana ary lasa mpiara-miasa aminy eo amin’ny fanampiana ny zanany mba handray anjara amin’ny drafiny.53

Manome antsika ilay fomba handovana ny fiainana mandrakizay ny drafitry ny Ray, ilay fiainana iainan’ireo ray aman-dreny any an-danitra. Ao anatin’ilay drafitra dia, “tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”54 Ny tena fototry ny fiainana mandrakizay dia ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izay lafin-javatra tena manan-danja mba hahatongavantsika tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra.55

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy

Mifameno isika ao anatin’ny fanambadiana ka amin’ny alalan’ny lehilahy sy vehivavy manana ny fahasamihafany miavaka sy tena ilaina ihany no ahafahan’izany ho tanteraka. Rehefa mamakivaky ny fiainana an-tany amin’ny maha-mpivady isika dia miara-mivoatra, manakaiky kokoa ny Mpamonjy rehefa mankatò sy mahafoy tena manao ny sitrapony ary miaraka manorina ny fanjakany. Rehefa fantatsika fa didin’Andriamanitra ny fanambadiana mandrakizay ary manomana fomba hanatanterahan’ny zanany ny zavatra rehetra asainy atao Izy,56 dia fantatsika fa hahomby ny fanambadiantsika rehefa miray hina eo amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika isika.

Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fisafidianana ny hitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany no ahazoantsika ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra rehefa miatrika ireo olana eto amin’ny fiainana an-tany isika.57 Manome antsika hery avy any ambony ireo ôrdônansin’ny tempoly ary manome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra.58 Manome fahafahana ny mpivady hiaraka hivoatra ny ôrdônansin’ny famehezana sy ho iray ao amin’ny Tompo.59 Izay mety ho solon’izany karazana fanambadiana izany dia tsy hahatanteraka ireo tanjona masiny ho antsika sy ho an’ireo taranany ho avy.60

Zava-manintona sy faniriana

Tonga eto amin’ity tontolo lavo ity miaraka amin’ny fahalemena na olana izay raiki-tapisaka amintsika amin’ny maha-olombelona isika tsirairay.61 Manampy antsika hahita ireo fahalemen’ny olombelona rehetra ny fahatakarana ny drafitr’Andriamanitra—tafiditra ao anatin’izany ireo zava-manintona sy faniriana izay tsy mifanaraka amin’ny drafiny—satria mandalo izany.62 Ny fahafantarantsika hoe niaina toy ny zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra isika talohan’ity fiainana ity dia manome fahafahana antsika hihevitra fa loharano masina no niavian’ny maha-izy azy antsika manokana. Ilay maha-zanakalahy na maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika —fa tsy ny fahalementsika na ny zavatra ironantsika—no loharano marina iavian’ny maha-izy azy antsika.63

Ny fahitana izany dia ahafahantsika miandry tsara kokoa amim-panentrentena sy amim-paharetana ny Tompo,64 ka mahatoky fa amin’ny alalan’ny finoantsika sy ny fankatoavantsika, ary ny faharetana hatramin’ny farany dia ho voadio ny toetrantsika sy ny faniriantsika, ho hamasinina ny vatantsika ary lasa zanakalahy sy zanakavavy marin’i Kristy isika izay tonga lavorary tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ny tanjona mandrakizain’ilay drafitra dia mitondra fahatokiana eo amin’ny mahatoky fa ho avy tokoa ny andro izay “hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra; … tsy hisy fanaintainana: fa efa lasa ny zavatra taloha.”65 Io “fanantenana mamirapiratra sy lavorary” io66 dia hampilamina ny saintsika sy ny fontsika ary hanome fahafahana antsika hiandry ny Tompo amim-paharetana sy amim-pahatokiana.

Fampanantenana ho an’ireo izay maharitra amim-pahatokiana

Ireo izay miahiahy sao hanakana azy ireo tsy hahazo ny fiainana mandrakizay ny toe-javatra iainany amin’izao fotoana izao dia tokony hahatsiaro fa “tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany.”67

Tsy hisy fitahiana tsy homena ny mahatoky izany. Nanambara ny Filoha Lorenzo Snow hoe: “Tsy misy Olomasin’ny Andro Farany izay maty taorian’ny niainany fiainana feno fahatokiana ka hamoy zavatra satria tsy nahavita nanao zavatra vitsivitsy noho ny tsy fanomezana fahafahana azy ireo hanao izany. Amin’ny teny hafa, raha toa ny zatovolahy na zatovovavy iray ka tsy manana fahafahana hanambady nefa miaina fiainana feno fahatokiana izy ireo mandra-pahatonga ny fotoana hahafatesany, dia hahazo ireo fitahiana rehetra sy ny fisandratana ary ny voninahitra ho azon’ny lehilahy na vehivavy izay afaka nanao sy nampivoatra izany izy. Tena marina sy azo antoka izany.”68

Fampanantenana ho an’ireo izay mahafantatra ny drafitra sy mampihatra izany isan’andro

Sary
One painting depicting a boy writing, with open books on a table, including the scriptures. The father, next to him seated, looks at his work and rests his arm on the back of the boy's chair. A case of books is at viewers left and french doors are at viewers left in background.

Nanohana tamin’ny fontsika manontolo ny drafitry ny Ray isika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Fantatsika fa tia antsika Izy ary nitolagaga tamin’ilay fanomezany tamim-pahalalahan-tanana ity fahafahana handova izay rehetra ananany ity isika ary tafiditra ao anatin’izany ny fiainana mandrakizay. Ny fanohanantsika ny drafitry ny Ray no fanalahidin’ny fahombiazantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Izany koa no fanalahidin’ny fahombiazantsika eto amin’ny fiainana an-tany.

Noho izany ny fanasana ataoko dia ny mba hiarahantsika mijoro indray mandeha indray hanohana ny drafitry ny Ray. Ataontsika noho ny fitiavana ny rehetra izany satria ilay drafitra koa aza dia fanehoana ny fitiavana an’Andriamanitra.

Hisy dikany lalina kokoa ny fiainantsika rehefa mampihatra isan’andro ny fahalalantsika ilay drafitra isika. Hiatrika ireo olantsika amim-pinoana bebe kokoa isika. Hibosesika handroso isika miaraka amin’ny fananana fanantenana azo antoka sy mamirapiratra hahazo ny fiainana mandrakizay.