2015
Ny pejintsika
Ôktôbra 2015


Ny pejintsika

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona
Sary
Child's art depicting sister missionaries standing by a meetinghouse.

Misiônera vavy, nataon’i Abril S., 9 taona, Mexique

Sary
"Four boys from the same ward in Argentina were baptized on the same day. Their bishop (center) stands with them." A missionary and other men are also in the group.

Niaraka natao batisa tao anatin’ny andro iray ny ankizilahy efatra avy ao amin’ny paroasy iray ao Argentine. Miara-mitsangana amin’izy ireo ny evekany (afovoany).

Sary
Child's art depicting the Freiberg Germany Temple.

Nahazo ny antsony hanao asa fitoriana ny rahalahiko sy ny naman’ny fianakaviana iray. Nandeha fiara nandritra ny adiny valo izahay nankany amin’ny tempoly tao Freiberg, Alemana mba hahafahan’izy ireo mandray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly.

Nijanona nandritra ny dimy andro izahay amin’izay afaka manao asan’ny tempoly be dia be ny fianakaviako. Misy trano fandraisam-bahiny ho an’ny fianakaviana ao amin’ny faritry ny Tempoly. Nanampy ny mpikarakara zaridaina izaho sy ny ankizy sasany hafa ka nomeny glace izahay. Tena faly izahay tamin’izany.

Tsy andriko ny taona manaraka rehefa feno 12 taona aho ka ho afaka ny hanao batisa ao amin’ny Tempoly.

Alicka S., 11 taona, Slovaquie

Sary
photo of Nisha J

Misaotra Anao aho Andriamanitra

Misaotra Anao aho Andriamanitra noho ny fahazavana.

Satria izany dia mamiratra andro aman’alina.

Misaotra Anao aho Andriamanitra noho ireny hazo ireny.

Satria izany no mampitony ny rivotra mahery.

Misaotra Anao aho Andriamanitra noho ireo zavatra maro hafa tsy haiko faritana.

Fa fantatro lalina ato anatiko hoe Ianao no namorona ity fiainako.

Na dia mety tsy dia tena lafatra aza ity fiainako ity,

Dia afa-po aho raha mbola velona ety.

Nisha J., age 10 taona, Repôblikan’i Palau