2015
Oay! Ahoana amin’izay ary izao?
Ôktôbra 2015


Oay! Ahoana amin’izay ary izao?

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Afaka miseho na aiza na aiza izany—ao an-trano, any an-tsekoly, na any an-tranon’ny namana iray. Tampotampoka eo dia mahita zavatra izay fantatrao fa tsy tsara ianao—amin’ny telefaonina, fahitalavitra, solosaina, na amin’ny fitaovana filalaovana, na ao anaty boky na gazetiboky. Inona ary no azonao atao izao mba hampahazo aina anao?

  • Halaviro izany. Vonoy izany. Apetraho izany. Ataovy ho toy ny poizina ho an’ny atidohanao izany—satria izany tokoa izany.

  • Resaho amin’ny neninao na ny dadanao izany. Ny ray aman-dreny no mahafantatra tsara indrindra anao ary tian’izy ireo ho voaro sy faly ianao. Aza menatra. Ny zavatra nitranga taminao saika mitranga amin’ny olona rehetra ao anatin’ny fotoana iray.

  • Miresaha foana. Mety hanampy anao ny miresaka amin’ny neninao na ny dadanao isaky ny tsy nampahazo aina anao ny zavatra hitanao nandritra ny tontolo andro. Afaka manampy anao mba hanao drafitra hiarovana anao amin’ny fijerena zavatra tsy tokony hojerena ny ray aman-dreny. Raha mahatsiaro tena ho voafandrika sy miahiahy na ohatra ny te hijery zavatra tsy tokony hojerena indray ianao dia lazao azy ireo ihany koa izany.

  • Aza mipetra-potsiny. Mijere na mamakia zavatra tsara. Manaova zavatra mampavitrika. Manaova zavatra tsara. Miaraha amin’ny fianakaviana na namana.

  • Tadidio hoe iza ianao. Tsy ratsy ianao noho ny zavatra hitanao. Zanak’Andriamanitra ianao ary tia anao Izy ary te hanampy anao ho voaro sy ho faly.

  • Afoizo izany. Alao sary an-tsaina hoe mamotsotra balaonina ny tenanao ka mijery izany mandeha mitsingevaheva. Miezaha ho tony ary avelao ny zavatra izay hitanao hitsingevaheva miala ny sainao. Izao dia alao sary an-tsaina ny tempoly, ny fianakavianao, na zavatra hafa izay tianao jerena.

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney