2015
Ny voatavon’i Paul
Ôktôbra 2015


Ho an’ny ankizy madinika

Ny voatavon’i Paul

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona
Sary
Product Shot from October 2015 Liahona
Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Nanampy an’i Dada namboly zaridaina i Paul. Naniry izy mba ho teo i Eric rahalahiny mba hanampy. Saingy tany lavitra tany nanao asa fitoriana i Eric.

“Tsy mba ho lehibe tahaka an’i Eric mihitsy aho,” hoy i Paul. “Ahoana no ahafahako mandeha manao asa fitoriana tahaka azy?”

“Aza matahotra!” hoy i Dada. “Mbola hitombo ianao.”

Nanolotra voam-boatavo vitsivitsy an’i Paul i Dada. Nanampy an’i Paul namboly izany izy.

“Hitombo ka ho lasa voatavo lehibe ve ireto voa madinika ireto?” Hoy i Paul nanontany.

“Raha karakarainao tsara izany,” hoy i Dada.

Nandeha nivoaka foana i Paul isan’andro mba hijery ny zaridaina. Notondrahany izany ary tsy ela dia nanomboka nisy tsimoka kely nipoitra. Nihalehibe ny raviny. Nesorin’i Paul tamim-pitandremana tsara ireo ahi-dratsy.

Tamin’ny fararano dia efa naniry be ny voly voatavony. Ary nisy voatavo lehibe miloko volomboasary!

Notaritaritin’i Paul i Dada mba hijery izany. “Nokarakarainao tsara ny voly voatavonao!” Hoy i Dada.

“Ie! Ary hokarakaraiko tsara ny tenako amin’izay mba ho lehibe koa aho.” Hoy i Paul sady nitsiky. “Ary rehefa lehibe aho dia afaka mandeha manao asa fitoriana toa an’i Eric!”

Sary nataon’i Amy Wummer