2015
Ny lalana mankany amin’ny toerana azo antoka
Ôktôbra 2015


Mandra-pihaonantsika Indray

Ny lalana mankany amin’ny toerana azo antoka

Avy tamin’ny “Finding Safety in Counsel,” Liahona, jolay 1997, 23–25

Iray amin’ireo fomba ahafantarantsika fa avy amin’Andriamanitra ny fampitandremana iray dia satria efa nampiharina ny lalàn’ny vavolombelona, ireo vavolombelona nahazo lalana.

Sary
Images from the April 2013 general conference.

Toa tsy manam-pahataperana ny fanirian’ny Mpamonjy hitarika antsika ho any amin’ny toerana azo antoka. Ary tsy misy fiovana ny fomba fanehoany ilay lalana. Manisy lalana mihoatra ny iray izy mba hahatongavan’izany any amin’ireo izay vonona hanaiky izany. Ary anisan’izany lalana izany foana ny fandefasana hafatra amin’ny alalan’ny vavan’ireo mpaminaniny isaky ny mendrika ny hanana mpaminanin’Andriamanitra eo anivony ny olona. Omena andraikitra hampitandrina ny olona hatrany ireo mpanompo nahazo alalana ireo amin’ny fanambarana amin’izy ireo ny lalana mankany amin’ny toerana azo antoka.

Rehefa nihamafy ny fifanenjanana tao Missouri avaratra, Etazonia, tamin’ny fararanon’ny taona 1838, dia nampiantso ny Olomasina rehetra ny Mpaminany Joseph Smith mba hiangona tao Far West ho fiarovana azy ireo. Maro ireo tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena nitokana na tao anatin’ny andiana tranokely niparitaka. Nanome torohevitra manokana an’i Jacob Haun izy, izay mpanorina ny tanàna kely iray nantsoina hoe Haun’s Mill (fitotoam-boan’i Haun). Nahitana izao manaraka izao ny tahirintsoratra iray tamin’izany fotoana izany: “Nandefa teny tamin’ny alalan’i Haun, tompon’ilay trano fitotoam-boa, ny Rahalahy Joseph mba hampahafantatra ireo rahalahy izay nipetraka tao mba hiala ka ho any Far West, saingy tsy nampitain’i Haun ilay hafatra” (Philo Dibble, ao amin’ny “Early Scenes in Church History,” ao amin’ny Four Faith Promoting Classics [1968], 90). Taty aoriana dia noraketin’i Joseph tao amin’ny tantarany hoe: “Hatramin’io andro io dia nanome ahy fahendrena Andriamanitra mba hanavotra ireo olona mandray torohevitra. Izay nanaraka ny torohevitro dia tsy mba nisy novonoina velively” (History of the Church, 5:137). Avy eo ny mpaminany dia nanoratra ilay fahamarinana mampalahelo fa tokony ho avotra ny ain’ny olona tsy manan-tsiny tao Haun’s Mill raha naharay sy nanaraka ny toroheviny izy ireo.

Amin’izao androntsika izao dia efa nampitandremana tamin’ny torohevitra momba ny toerana hahitana fiarovana amin’ny fahotana sy ny fahoriana isika. Ny iray amin’ireo fanalahidy hahafantarana ireo fampitandremana ireo dia ny fiverimberenan’izy ireo. Ohatra, imbetsaka tao amin’ireny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ireny ianao no efa naheno ny mpaminanintsika nilaza fa hamerina ny tenin’ny mpaminany teo aloha ary noho izany dia ho vavolombelona faharoa na fahatelo aza indraindray. … Nanoratra ny Apôstôly Paoly fa “amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra” (2 Korintiana 13:1). Iray amin’ireo fomba ahafantarantsika fa avy amin’Andriamanitra ilay fampitandremana ny hoe efa nampiharina ny lalàn’ny vavolombelona, ireo vavolombelona nahazo lalana. Raha toa ka miverimberina ireo tenin’ny mpaminany dia tokony hisarika ny saintsika izany ary hameno fankasitrahana ny fontsika noho ny fiainana ao anatin’izany fotoana feno fitahiana izany. …

Tia antsika ny Ray any An-danitra. Naniraka ny Zanany Lahitokana Izy mba ho Mpamonjy antsika. Fantany fa ho tandindomin-doza lehibe isika eto amin’ny fiainana an-tany, ny ratsy indrindra amin’izany dia avy amin’ireo fakam-panahin’ny fahavalo mahatsiravina iray. Izany no anisan’ny antony nahatonga ny Mpamonjy nanome ny fanalahidin’ny fisoronana mba hahafahan’ireo izay manan-tsofina ho enti-mihaino sy finoana hankatoavana handeha any amin’ny toerana azo antoka.