2015
Mitady fanampiana
Ôktôbra 2015


Mitady fanampiana

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Efa taorian’ny misasakalina tamin’izay saingy fantatr’i Tate fa fotoana tokony niresahany izany.

“Ry Ray any An-danitra, mivavaka aho, mba tariho sy ambeno isan’andro aho” (Children’s Songbook, 19).

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Nandrinandry tsy natory tao anatin’ny maizina i Tate, niezaka ny tsy hitomany. Efa nivavaka izy mba hahazo fanampiana kanefa toa nisy rahona mainty matevina nihantona teo amboniny, nanakana ny Fanahy.

“Ahoana raha tsy ho hadinoko mihitsy iny fandaharana mahatsiravina tamin’ny fahitalavitra iny?” hoy izy sady natahotra.

Andro vitsivitsy lasa izay dia nahavita aloha ny enti-modiny izy ka nivadika teo amin’ny fahitalavitra. Saingy tsy nanampo ny hahita zavatra toy izany teo amin’ny efijery izy. Taitra loatra izy ka hadinony hatramin’ny namono haingana ny fahitalavitra izay tokony ho nataony.

Tsy fanahy iniany izany. Tsy tokony nijery zavatra toy izany izy nefa izao dia tsy afaka nanadino izany. Indraindray mandalo ao an-tsainy izany any am-pianarana, eo amin’ny latabatra fisakafoana—mandritra ny fotoam-bavaka mihitsy aza. Rehefa amin’ny fotoana toy izany dia faly izy fa tsy afaka namaky ny tao an’eritreriny i Neny sy i Dada. Nampianatra an’i Tate ny ray aman-dreniny mba tsy hijery sarin’olona tsy miakanjo. Fantany fa nanantena azy tsy hijery fandaharana mahery setra amin’ny fahitalavitra sy ny horonantsary ary amin’ny jeux vidéo koa izy ireo.

“Ankehitriny fantatro hoe nahoana,” hoy i Tate niteny irery.

Niala teo am-pandriany i Tate ka nandohalika indray. Inona no azony natao?

“Ry Ray any An-danitra,” hoy i Tate nibitsibitsika. “Ampio aho tsy hieritreritra intsony momba ny zavatra izay hitako.” Nofafany ny ranomaso izay niforona teo amin’ny masony ary nihaino izy. Nihanidoboka mafy ny fony. Nieritreritra izy fa nahatsapa ny Fanahy Masina nibitsika taminy saingy tsy izany ilay valinteny tiany ho azo.

Nila niteny tamin’ny ray aman-dreniny izy.

“Nahoana?” Hoy i Tate nanontany tena. Hahatsapa ho toy ny zazakely izay mankao amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniny amin’ny sasakalina izy. Dia hilaza izany amin’izy ireo ve? Nahatsapa ho menatra sy tsy nahazo aina indray izy.

Avy eo dia nisy eritreritra mazava tonga tao an-tsainy: Tian’ny Ray any An-danitra izy mba ho faly. Tian’ny Ray any An-danitra izy mba hahatsapa ny Fanahy indray, mba hieritreritra zavatra tsara ary ho marin-toetra amin’ny fianakaviany. Tiany indrindra i Tate mba ho lasa mpihazona ny Fisoronana Aharôna mendrika rehefa feno 12 taona afaka volana vitsivitsy. Tsapan’i Tate fa raha toa ka hotazoniny ny zavatra izay hitany ary hafeniny ho tsiambaratelo dia hijanona tsy ho faly momba izany foana izy.

Fantar’i Tate fa nila fanampiana izy—ary vao avy nilaza azy mihitsy ny Fanahy Masina hoe aiza no ahitana izany.

Nijery ilay tarehimarika mazava tamin’ny famantaran’ora teo akaikin’ny fandriany i Tate. Efa nanakaiky ny tamin’ny 1:00 maraina tamin’izay. Nitsangana izy ary nandeha tamin’ilay lalantsara maizina nitondra tany amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniny. Nitelin-drora tamim-pahatahorana izy dia nandondona teo amin’ny varavaran’izy ireo.

“Neny ô? Dada ô?”

“Tate ve izany?” hoy ny feon’i Neny mbola rendremana.

“Misy olana angaha?” hoy i Dada nanontany.

“Ie,” hoy i Tate. “Afaka miresaka ve isika? Ary mety afaka mahazo tsodrano ve aho?”

Narehitr’i Dada ny jirony teo amin’ny sisin’ny fandriany ary nasainy niditra aho. Sambany tao anatin’ny andro maro no nahatsapa hafanana sy fanantenana ary fahazavana i Tate.

Sary nataon’i Mark Robison