2015
Mankalaza ny takarivan’ny mpianakavy
Ôktôbra 2015


Mankalaza ny takarivan’ny mpianakavy

Nanoro hevitra antsika ireo mpaminanin’ny andro farany tamin’ny 1915, mba hanokana takariva iray isan-kerinandro ho an’ny fianakaviantsika. Nantsoina hoe “takariva ho an’ny tokantrano” izany tamin’ny voalohany—fotoana ianarana ny filazantsara sy iarahana mifaly sady hanamafisana orina ilay fifandraisantsika eto an-tany sy mandrakizay.

Zato taona aty aoriana dia mbola manohy manampy antsika hanorina fianakaviana izay haharitra mandrakizay ny takarivan’ny mpianakavy. Nampanantena ireo mpaminany fa hisy finoana sy tanjaka ara-panahy lehibe kokoa hitombo ao am-pontsika amin’ny alalan’izany ary hisy fiarovana sy firaisankina ary filaminana hitoetra ao an-tokantranontsika.

Mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray isika rehetra eto an-tany ary mpikambana ao anatin’ny fianakavian’ny Raintsika any an-danitra. Afaka mankalaza ny takarivan’ny mpianakavy sy mandray anjara amin’izany isika na aiza na aiza misy antsika eto amin’izao tontolo izao ary na inona na inona toe-javatra iainantsika eo amin’ny fiainana.

Sary
Parents and children reading from the scriptures. Shot in Thailand.

Ankavia: Nifindra vao haingana tany Thailand ny fianakaviana Moua izay toerana nahalalan’izy ireo ny filazantsara sy nanaovana batisa azy. Mandalina ny Bokin’i Môrmôna izy ireo mandritra ny takarivan’ny mpianakavy ka amin’ny fiteny Hmong izay fitenin-drazany ary amin’ny fiteny Tailandey izay fiteny ao amin’ilay toerana vaovao ipetrahany no anaovany izany.

Sary
Family playing games on table in Portugal

Ambany: Ny fiarahana mifaly sy ny filalaovana kilalao no fomba iray hanorenan’ny fianakaviana Santos avy any Portugal finamanana akaiky ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavy.

Sary
Series of images of people studying in groups, individually, in families sitting in Congo

Ankavanana: Midika zavatra bebe kokoa noho ny hoe reny sy ray ary zanaka ny atao hoe fianakaviana any amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo. Noho izany rehefa mampivory ny fianakaviany rahalahy Suekameno hanao ny takarivan’ny mpianakavy dia afaka manatrika tsara an’izany koa ny olona maro avy eo amin’ilay tanàna.

Sary
Filipino mother sings and does actions with her young children.

Eny amin’ny tampony: Ampiasain-drahavavy Gercan avy any Philippines ireo hiran’ny Kilonga sy hira nentim-paharazana mba hampianarana ny zanany momba ny fifaliana avy amin’ny filazantsara.

Sary
Family in a kitchen

Ambony: Tia manao mofomamy antsoina hoe cookies ny fianakaviana Anderson izay hita ao an-dakozian’ilay tranony any Georgia, Etazonia eto amin’ny sary. Ampiasain’izy ireo ao anatin’ny lesona izany indraindray na atao ody am-bava fo fotsiny.

Sary
Family Home Evening.

Ambony: Mitady fomba tsotra hampianarana ny filazantsara rahalahy sy rahavavy Reynolds avy any Washington, Etazonia, mba hahafahan’ireo zanany kely mianatra sy mahatakatra.

Sary
A Bolivian family sings a hymn during family home evening.

Eny amin’ny tampony ankavanana: Ampandraisin’ny fianakaviana Espinoza anjara ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavy ny renibeny mendri-kaja rehefa mihira sy mianatra ny filazantsara izy ireo.

Sary
Family looking at photo albums.

Ny tantaram-pianakaviana no zavatra tena ankafizin’ny fianakaviana Jin avy any Georgia, Etazonia ny manao azy mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Mahafinaritra azy ireo ny mampianatra ny zanany mikasika ny zavatra nolovain’izy ireo amin’ny maha-koreana azy.

Sary
A family walking together outdoors. Shot in Australia.

Mandehandeha mivoaka mijery ireo toerana mahafinaritry ny tanàna no takarivan’ny mpianakavy ataon’ny fianakaviana Ligertwood avy any Australie indraindray.