2015
Ataovy mazava kokoa ny fanilonao
Ôktôbra 2015


Ho an’ny ankizy

Ataovy mazava kokoa ny fanilonao

Taloha ela be tany Grèce dia nisy fifaninanana hazakazaka izay ahitana mpihazakazaka mihazona fanilo mirehitra. Izay mahavita hatramin’ny farany ilay fifaninanana hazakazaka miaraka amin’ny fanilo mbola mirehitra no mpandresy. Toy io fifaninanana hazakazaka io ny fiainana hoy ny Filoha Uchtdorf. Ilay fanilo hazonintsika no Fahazavan’ i Kristy. Rehefa miezaka ny hitovy amin’i Jesoa Kristy isika dia mampahazava bebe kokoa ny fanilontsika.

Lokoy ireo faribolana misy zavatra azon’ity ankizikahy ity atao mba hitoviany bebe kokoa amin’i Jesoa sy hampahazava bebe kokoa ny fanilony.

Sekoly

Toerana hahatongavana

Mitsikitsiky amin’olona iray izay toa irery na miarahaba azy

Mihazona ny hatezerana amin’ny olona iray

Mikarakara ny vatanao

Manesoeso ny rahalahinao na ny anabavinao na ny anadahinao na ny rahavavinao

Mankatò ny mpaminany

Milavo lefona rehefa manao hadisoana ianao

Manampy olona iray

Sary nataon’i Simone Smith