2015
Hevi-baovao manaitra
Ôktôbra 2015


Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Hevi-baovao manaitra

Impiry isika no mifaneho teny feno hatsaram-panahy?

“Afaka mitsapa ny tenantsika manokana isika amin’ny fametrahana fanontaniana vitsivitsy. … 1. Oviana ny fotoana farany niderako ny vadiko, na tamin’ny fotoana niarahanay samirery na teo anatrehan’ireo zanakay? 2. Oviana ny fotoana farany nisaorako azy, na nanehoako fitiavana taminy, na nitondrako azy am-bavaka tamin-kafanampo sy tamim-pinoana? 3. Oviana ny fotoana farany nitsaharako tamin’ny fitenenana zavatra izay fantatro fa mety handratra? 4. Oviana ny fotoana farany nialako tsiny sy nangatahako famelan-keloka tamim-panetrentena—ka tsy nanampy ireo andian-teny hoe ‘fa raha mba nanao an’izao mantsy ianao’ na ‘fa raha mba tsy nanao an’izao mantsy ianao’? 5. Oviana ny fotoana farany nisafidianako ny ho faly toy izay ny hitaky hoe izaho no ‘manana ny rariny’?”

Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, “Hiara-hivoatra isika,” Liahona, mey 2015, 31.