2015
Ilay tapakilan’ny fiantsonana
Ôktôbra 2015


Ilay tapakilan’ny fiantsonana

Mipetraka any Baja California, Mexique ny mpanoratra.

Sary
illustration of girl walking toward her car.

Fátima!

Sary nataon’i Bryan Beach

Nandeha nijery horonantsary izaho sy ny namako vitsivitsy avy ao amin’ny Fiangonana. Rehefa niditra ilay toerana lehibe fiantsenana izahay dia nahazo tapakila hahazoana toerana eo amin’ny fitobian’ny fiarakodia. Rehefa vita ilay horonantsary dia tsikaritray fa very ilay tapakila hahazoana toerana eo amin’ny fitobian’ny fiarakodia. Tamin’ny voalohany dia nieritreritra izahay fa afaka nandoa ny vidin’ilay tapakila fotsiny saingy samy tsy nisy nanana ny 180 pesos nilaina tamin’izany izahay.

Ny vokatry ny tsy fandoavana ny saran’ny fahazoana toerana eo amin’ny fitobian’ny fiarakodia dia ny famelana ny fiara ao amin’ilay toerana lehibe fiantsenana mba ho taritina hivoaka, izay mety ho lafo kokoa. Kivy tanteraka ireo namako, indrindra fa ilay nitondra fiara satria an’ny rainy ilay fiara. Nisitaka mba hivavaka aho. Nangataka tamin’ny Ray any An-danitra tamin’ny finoako sy ny fanetreko tena manontolo aho mba hanome anay ny fomba hamahana ny olanay ka hiverina soa aman-tsara any an-tranonay. Tsy ho hadinoko mandrakizay ny zava-nitranga segaondra vitsy monja taorian’ny vavaka nataoko.

Teny am-pandehanako niverina nanatona ilay fiara dia nisy olona iray tao aoriako niantso ny anarako. I Francisco izany, namako tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Nanontany izay nataoko teo izy ary nolazaiko azy ny zava-nitranga. Tsy nisalasala izy namoaka ny pôketrany ka nanome ahy vola ampy nandoavana ilay tapakila very. Izany fihetsika feno hatsaram-panahy izany no valiny mivantana an’ilay fangatahako tamin’ny Ray any An-danitra.

Mety tsy ho fantatr’i Francisco mihitsy ny halehiben’ny fanampiana izay nataony saingy fantatro fa ho feno fankasitrahana lalina aho mandritra ny androm-pianako.

Tsy ampoizina indraindray ireo fomba hamalian’ny Ray any An-danitra ireo vavaka ataontsika saingy tsy misy ny kisendrasendra. Mahafantatra antsika tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary manoro lalana eo amin’ny fiainantsika.

Fantatro fa rehefa miaina amim-pahamarinana isika dia hahazo fitahiana tsy tambo isaina izay ny Ray any An-danitra ihany no afaka manome azy antsika, anisan’izany ny fampanantenany antsika hoe “raha manao ireo zavatra ireo [isika], dia hasandratra [isika] amin’ny andro farany” (Almà 37:37).