2015
Mampianatra ny zatovo ny fomba fitarihana araka ny fomban’ny Mpamonjy
Ôktôbra 2015


Mampianatra ny Zatovo ny fomba fitarihana araka ny fomban’ny Mpamonjy

Tsy hoe ho mpitarika amin’ny ho avy fotsiny ny zatovontsika. Mpitarika amin’izao fotoana izao izy ireo. Afaka manampy azy ireo hitarika tahaka ny Mpamonjy isika.

Sary
Youth preparing food for service project in Puerto Rico

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka tamin’ireo ray aman-dreny sy ny mpitarika ny zatovo mikasika ilay fandanjalanjana tsara izay ilaintsika tadiavina: “Asao ny zatovo handray andraikitra. Mila eo isika saingy tokony homentsika fahafahana handray andraikitra izy ireo. Mila manome torolalana ianao saingy tsy tokony hifehy ny zava-drehetra.”1

Afaka manampy ny zatovolahy sy ny zatovovavy ny ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hianatra fitsipika izay hanomana azy ireo hitarika amim-pahamarinana sy hanorina ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

Fony aho 14 taona dia nihaona tamina zatovovavy izay mpitarika tena tsara. Nifindrafindra monina nanerana an’i Etazonia ny fianakaviako tamin’izay fotoana izay ka lasa mpikambana tao amin’ny paroasy iray vaovao. Tsy tadidiko hoe iza no nanompo tao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Farimbona, saingy tena tsaroako fa tsara fanahy tamiko manokana ireo zatovovavy. Noraisin’izy ireo tamin-kitsimpo toy ireny namana very tsy hita ela be ireny ilay ankizivavy vaovao manifinify ary nataon’izy ireo izay hahazoako aina teo anivony. Noho izaho avy any Delaware dia nieritreritra aho hoe, “Toy izao mihitsy angamba izany hoe lanitra izany!” satria tany dia tsy nisy afa-tsy ny tenako ihany no ankizivivavy Môrmôna tao amin’ilay sekoly ambaratonga voalohany ary ilay hany ankizivavy Môrmôna iray hafa fantatro dia nipetraka adiny iray niala teo amin’ny tranoko raha mandeha fiarakodia.

Voalohany teo amin’ny fiainako ny nananako andiana namana izay niaina ireo fenitra ao anatin’ny Jeunes Soyez Forts, sy nanasa ahy handray anjara amin’ireo fiaraha-mientana ary nizara tamiko ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’izy ireo dia nampanakaiky bebe kokoa ahy tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany noho ny natolotr’izay lahateny na lesona natao. Ao anatin’ilay fitiavana sy fahazavana tahaka ny an’i Kristy nasehon’izy ireo dia izy ireo no hafatry ny filazantsara ary izy ireo no natao hitarika ahy ao amin’ny valan’ondriny.

Inona no zavatra nampahatonga ireo namako vaovao ireo ho mpitarika lehibe?

Nisy misiônera tanora iray namaritra tamin’ny fomba tena tsotra ny atao hoe mpitarika. Hoy izy hoe: “Mila any amin’ilay toerana tokony hisy antsika amin’ny fotoana tena ilana izany isika ka manao sy sitrapon’ny Tompo sy manampy olona izay mila ny fanampiantsika. Izany no zavatra mampahatonga antsika ho mpitarika.”2 Noho ilay maha-izy azy ireo sy ny Fahazavan’i Kristy izay mamiratra ao amin’izy ireo dia manana hery ireo zatovolahy sy zatovovavy manerana an’ity Fiangonana ity hitarika araka ny fomban’ny Mpamonjy ary “hanampy ny olona hafa mba ho lasa mpanaradia marina an’i … Jesoa Kristy.”3

Amin’ny maha-mpitarika antsika dia mitarika sy miara-mandeha amin’ireo zatovolahintsika sy zatovovavintsika isika. Saingy ny kilasy sy ireo fiadidian’ny kôlejy no tompon’andraikitra amin’ny fitarihana sy fitantanana ny asa ao amin’ny kilasiny sy ny kôlejiny ka tafiditra ao anatin’izany ny fifidianana ireo lesona atao isaky ny Alahady ary ny fandrafetana ireo fiaraha-mientana atao ao anatin’ny andro fiasana. Antsoina sy atokana eo ambany fitantanan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ireo mpitarika ao amin’ny kilasy sy kôlejy, noho izany dia manana fahefana hitarika sy hampahery ny zatovo hafa izy. Manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izy ireo ary mianatra manompo toy ny fomba nanompoany.

Toerana sy fotoana tsara ahafahan’ny zatovo mitarika

Any an-trano no fanombohan’ny fitarihana. “Ny fanaovana ny adidintsika amin’Andriamanitra amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpitarika antsika dia manomboka amin’ny fitarihana aseho amin’ny ohatra—dia ny miaina tsy tapaka ary amim-piniavana ny filazantsara ao an-tokantrano,” hoy ny fampianaran’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Mitaky fahavononana sy finiavana isan’andro izany.”4 Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy ny ray aman-dreny. Manampy ny zatovo hametraka tanjona izy ireo. Ny Mon Progrès Personnel sy ny Devoir envers Dieu dia manampy ny zatovo hampahatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ananan’izy ireo, sy hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana ary hanatanteraka ireo anjara asa sy andraikitra masiny ao amin’ny fianakaviana sy ao an-tokantrano ary ao amin’ny Fiangonana.

Any am-piangonana dia afaka manampy ny zatovo izay manompo ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana Aharôna sy Zatovovavy hahatakatra ny andraikitra masiny sy hanandriana ny antsony mba hikarakara sy hampahatanjaka ireo mpikambana hafa ao amin’ny kôlejy sy ny kilasy.

Manomana ny zatovo hitarika fivorian’ny kôlejy sy kilasy ary Fiaraha-mientana Ifampizarana isika amin’ny maha-mpitarika antsika. Miara-mivory amin’ireo zatovo isika mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana rehefa mitady fomba hanampiana an’ireo sahirana sy hampandraisana anjara ny zatovo rehetra mandritra ny lesona isaky ny Alahady, ary handrafetana ireo fiaraha-mientana, asa fanompoana, lasy sy fihaonamben’ny zatovo izy ireo.

Mamporisika ireo fiadidian’ny zatovo isika mba hanampy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy sy kilasy rehetra handray anjara amin’ny lafin-javatra rehetra hita ao amin’ny asa famonjena, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ny mpikambana vaovao, ny fampahavitrihana ny mpikambana malaindaina, ny fanaovana ny asa any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ny fampianarana ny filazantsara.5 Manampy ny zatovolahy sy zatovovavy ireo fiadidian’ny zatovo mba hahalala ny fifaliana sy fitahiana avy amin’ny fanompoana amin’ny anaran’ny Mpamonjy sy avy amin’ny famahanana ny ondriny.

Ny asan’ny mpitarika dia tsy miompana amin’ny hafatra voahaingo sary tena tsara ao amin’ny Pinterest na ny fizarana fampianarana feno famelabelarana ny zava-misy. Ny asan’ny mpitarika dia ny manampy ny zatovolahy sy zatovovavy hianatra sy hampihatra fitsipika izay hanampy azy ireo hitarika araka ny fomban’ny Mpamonjy. Ireto manaraka ireto ny efatra amin’ireo fitsipika ireo.6

Miomana ara-panahy

Sary
Family members sitting in the living room or family room of their home. They are reading the Church magazines.

Ampio ny zatovo hahatakatra ny herin’ny fiomanan’izy ireo ara-panahy manokana. Ampio izy ireo hampihatra finoana amin’ny fanekempihavanana ataony ao anatin’ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo. Ny fahavononan’izy ireo hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminy, sy hahatsiaro Azy mandrakariva, ary hitandrina ny didiny dia maha-mendrika azy ireo hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva. Tsy irery izy ireo ao anatin’ny asa fanompoany rehefa afaka mandray, sy mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina ary mandray andraikitra eo anatrehan’izany.

Miomana ara-panahy izy ireo amin’ny alalan’ny fikatsahana fitarihana ao anatin’ny vavaka atao amin-kafanampo sy ny famakiana soratra masina mba hahitana valiny. Miezaka mitandrina ny didy izy ireo mba hitenenan’ny Fanahy Masina ao am-pon’izy ireo sy ao an-tsain’izy ireo ka afaka ny hahatsapa sy hahafantatra izay olona mila ny fanampiany sy ny zavatra azony atao izy ireo. Mahatsapa fitiavana madion’i Kristy ho an’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kilasy na kôlejy izy ireo.

Ny fiomanana ara-panahy dia mampisy fahatokiantena eo amin’ny zatovo fa solontenan’ny Tompo izy ireo ary manatanteraka iraka ho Azy (jereo ny F&F 64:29).

Mandray anjara ao amin’ny Filankevitra

Ampianaro ny zatovo ny rafitra fototra sy ny herin’ny fanambarana hita ao amin’ny filankevitra rehefa mandray anjara ao anatin’io lamina masina napetraka io izy ireo izay hitantanana ny Fiangonan’ny Tompo sy hahazoan’ny olona tsirairay sy fianakaviana fitahiana.7 Ny fivorian’ny kômitin’ny episkôpà misahana ny zatovo sy ny fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy dia filankevitra izay ianaran’ny zatovo ny andraikiny sy andraisany andraikitra hanompo ny hafa.

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia:

  • Miray hina amin’ny fanarahana ny fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana.

  • Mizara ny eritreriny sy ny heviny ao anatin’ny toe-tsaina mifototra amin’ny fahamarinana, fahamasinana, finoana, hatsaran-toetra, faharetana, fiantrana, ary hatsaram-panahy feno fitiavana.

  • Miara-miasa araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba handrafitra ny zavatra hataon’izy ireo hanampiana ny sahirana.

Manompo ny hafa

Mitarika araka ny fomban’ny Mpamonjy ny zatovo rehefa manompo amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy izy ireo. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Tsy misy zavatra hafa tena voakajy tsara hitarihana olona hiala amin’ny fahotana toy ny fandraisana ny tanan’izy ireo sy ny fiambenana azy ireo amim-pitiavana. Rehefa maneho hatsaram-panahy sy fitiavana amiko na faran’izay kely aza ny olona dia tena misy fiantraikany lehibe amiko izany.”8

Nampianatra ny maha-sarobidy ny olona tsirairay ny Mpamonjy (jereo ny F&F 18:10–15). Ampio ny zatovontsika mba hahatakatra ilay fahamarinana lehibe hoe nanolotra ny ainy i Jesoa Kristy ary nanokatra ny lalana mba hahafahan’ny rehetra manatona Azy. Manolo-tanana sy manompo amim-pitiavana ny zatovolahy sy zatovovavy rehetra izay namoizan’ny Mpamonjy ny zava-drehetra ny mpanompo marin’ny Tompo ho fankasitrahana ny zavatra nataony.

Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ampio ny zatovolahy sy zatovovavy hamantatra izay fotoana tsara hampianarana ny filazantsara ary hahatakatra fa ny fampianarana manan-danja indrindra hozarain’izy ireo dia ny ohatra hasehon’izy ireo. Mitarika araka ny fomban’ny Tompo ny zatovo rehefa miaina araka ny tenin’ny mpaminany sy mitandrina ireo fenitra ao amin’ny Jeunes Soyez Forts izy ireo. Mampiseho ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy marina izy ireo amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny teniny sy ny fihetsiny. Mijoro ho vavolombelony tsy misy fihatsarambelatsihy izy ireo. Ka dia ho heniky ny Fanahy izy ireo ary hanana hery hampiova fo ny tenin’izy ireo rehefa mijoro ho vavolombelona na manampy amin’ny fampianarana lesona atao ny alahady na mizara fahamarinan’ny filazantsara amin’ny namany.

Mitarika araka ny fomban’ny Mpamonjy

Tombontsoa masina izay hitaky ny fanomezan’ny zatovo ny tsara indrindra avy aminy ny fitarihana araka ny fomban’ny Mpamonjy rehefa manompo ny Tompo any an-tokantrano sy any am-piangonana ary eo amin’ny fiarahamonina izy ireo. Ny zatovolahy sy zatovovavy izay mitarika araka ny fomban’ny Mpamonjy dia lasa hafatry ny filazantsaran’i Kristy, valim-bavaky ny olona iray sy anjely izay manompo ireo sahirana ary fahazavan’i Kristy ho an’izao tontolo izao.

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Youth and Family History,” lds.org/youth/family-history/leaders.

  2. Taratasy avy amin’ny zafikelilahin’i Carol F. McConkie, 13 mar. 2015.

  3. Manuel 2: Administration de l’Église (2010),3.1.

  4. Robert D. Hales, “Ny adidintsika amin’Andriamanitra: Asa anirahana ny ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hataony amin’ny taranaka vao misondrotra,” Liahona, aog. 2010, 95.

  5. Jereo ny Manuel 26.1

  6. Jereo ny Manuel 26.1

  7. Jereo ny Manuel 26.1

  8. Enseignements des Présidents de l’Église: JosephSmith (2007), 394, 428.