Namana
Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
martsa 2024


“Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy”, Namana, martsa 2024, 28–29.

Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

26 febroary–3 martsa

Tempoly vita amin’ny taratasy

Ho an’ny 2 Nefia 11–19

Sary
alt text

Nampianatra i Isaia fa ny tempoly dia toerana manokana izay ianarantsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nephi 12:3). Manaova tempoly ho anao manokana! Aforeto telo ny tapa-taratasy iray. Hetezo ho telozoro ny tendrony iray. Avelaro ilay taratasy ary ataovy eo afovoany ny sarinao.

4–10 martsa

Fihirana fijoroana ho vavolombelona

Ho an’ny 2 Nefia 20–25

Sary
alt text

Nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy i Isaia. Nilaza izy fa Jesoa no heriny sy hirany (jereo ny 2 Nefia 22:2). Inona no hira momba an’i Jesoa tianareo? Miresaha momba ny antony hitiavanareo azy ireo. Dia iaraho mihira izany!

11–17 martsa

Fotoanan’ny tantara momba ny fanaovan-javatra andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra

Ho an’ny 2 Nefia 26–30

Sary
alt text

Ny Ray any an-danitra dia manampy antsika hianatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra,” na tsikelikely isaky ny mandeha (2 Nefia 28:30). Tantarao miaraka ny tantara tianareo indrindra ao amin’ny soratra masina, andalana iray isaky ny mandeha! Mifandimby milaza fehezan-teny iray amin’ny tantara ny tsirairay mandra-pahavitan’ny tantara.

18–24 martsa

Dingana hanarahan-dia an’i Jesoa

Ho an’ny 2 Nefia 31–33

Sary
alt text

Nampianatra i Nefia fa manara-dia an’i Jesoa Kristy isika rehefa manam-pinoana Azy, mibebaka, atao batisa, mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary maharitra hatramin’ny farany (jereo ny 2 Nefia 31). Soraty eo amina sombin-taratasy samy hafa avokoa ny dingana tsirairay, ary avy eo dia aparitaho eo amin’ny tany izy ireo. Manakimpy ny masony ny olona iray ary manisa hatramin’ny 10 raha ny hafa rehetra kosa mijoro eo ambonina taratasy iray avy. Milaza ny iray amin’ireo dingana hanarahana an’i Jesoa avy eo ilay olona nanisa. Ny olona eo ambonin’io taratasy misy ilay dingana voalaza io no manisa manaraka.

25–31 martsa

Lisin’ny Paska

Ho an’ny Paska

Sary
alt text

Noho i Jesoa Kristy dia ho velona indray isika aorian’ny fahafatesantsika (jereo ny Almà 40:22–25). Ataovy ilay lisin’ny Paska vita tanana ao amin’ny Pejy 17. Apetraho eo amin’ny toerana hahitan’ny fianakavianao azy ireo ny lisinao mba hanampiana anareo hahatsiaro ny Mpamonjy amin’ity herinandro ity.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katy Dockrill