Namana
Inona no antsoina hoe Paska?
martsa 2024


“Inona no antsoina hoe Paska?” Namana, martsa 2024, 46–47.

Ireo fototry ny filazantsara

Inona no antsoina hoe Paska?

Sary
alt text

Fotoana iray manokana hieritreretana momba an’i Jesoa Kristy ny Paska.

Amin’ny Paska dia tsaroantsika fa fantatr’i Jesoa ny zavatra tsapantsika. Nahatsapa ny fanaintainantsika sy ny alahelontsika Izy.

Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa satria tia antsika Izy. Napetraka tao amin’ny fasana iray ny vata-mangatsiakany.

Telo andro taty aoriana dia foana ny fasana. Velona indray i Jesoa! Izany no antsointsika hoe Fitsanganana amin’ny maty.

Noho i Jesoa dia ho velona indray isika rehetra aorian’ny fahatesantsika. Afaka mahatsapa ny fitiavana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa isan’andro isika fa tsy amin’ny Paska fotsiny ihany!