Namana
Haza voankazo
martsa 2024


“Haza voankazo,” Namana, martsa 2024, 33.

Zavatra mahafinaritra

Haza voankazo

Sary
alt text

Indro misy kilalao azonao atao miaraka amin’ny namana sy ny fianakaviana!

  1. Mamarita tsipika fiaingana sy tsipika fahatongavana. Mifidiana olona iray ho mpanenjika.

  2. Mijoro eo amin’ny tsipika fiaingana ny rehetra ary misafidy voankazo iray mangingina. Ny mpanenjika dia mijoro ao ambadiky ny tsipika fiaingana mitodi-damosina ireo mpilalao hafa.

  3. Miteny anarana voankazo iray ny mpanenjika.

  4. Ireo mpilalao nisafidy io voankazo io dia mihazakazaka mankany amin’ny tsipika fahatongavana. Mitodika mijery ilay mpanenjika ary miezaka mikasika azy ireo.

  5. Izay voakasika dia izy no mpanenjika manaraka!

Mpanamboatra sakafo

Ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena i Jesoa dia nilaza tamintsika hoe inona no sakafo tsara hohanina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–12, 14. Avy eo dia ataovy sary eo amin’ny lovia fisaka etsy ambany ny sakafo tianao indrindra!