Namana
Tetevana finoana
martsa 2024


“Tetevana finoana,” Namana, martsa 2024, pejy 30–31.

Tetevana finoana

Nanana olana i Jacob—te hatory lava izy!

Tany Brézila no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

“Jacob a!, fantatrao ve ny valiny?” Hoy Madama Lelis nanontany.

Nanokatra ny masony i Jacob ary nitraka avy teo ambony latabatra. Nijery azy daholo ny mpiara-mianatra taminy. Nibanjina azy ihany koa ny mpampianatra azy. Tsapany ho nafana ny takolany. Resin-tory tany am-pianarana indray izy!

“Azafady ry Madama Lelis,” hoy izy. “Azonao averina ve ilay fanontaniana teo raha sitrakao?”

“Eny! Saingy aza matory an-dakilasy intsony raha sitrakao.”

Somary nidina nisitrika teo amin’ny fipetrahany izy. “Eny Madama.”

Tonga tany amin’ny sekoliny vaovao i Jacob vao herinandro vitsivitsy lasa izay. Tia nianatra izy, ary tsara fanahy ny mpiara-mianatra taminy. Saingy nisy olana iray anefa—te hatory lava foana izy! Lavitra ny sekoliny vaovao ka tsy maintsy nifoha maraina be izy mba ho tonga any ara-potoana.

Tamin’ny voalohany dia mora ny nifantoka tao amin’ny kilasy. Saingy nihasarotra hatrany izany. Indraindray i Jacob dia reraka loatra hany ka renoky ny torimaso.

Ny andro manaraka dia nangataka an’i Jacob sy ny ray aman-dreniny hihaona taminy ny talen’ny sekoly. Nitsiky izy ary nandray azy ireo tao amin’ny biraony.

“Faly aho fa eto ianareo,” hoy izy. “Mpianatra mahay i Jacob. Saingy nilaza ny mpampianany fa tsy liana amin’ny kilasiny izy. Indraindray izy dia tsy mifantoka, ary toa reraka be. “Tsy maninona ve izy?”

Nihatokatoka ny reniny. “Niezaka mafy i Jacob mba ho afaka handeha aty an-tsekoly, saingy lavitra ny tranonay izany. Mila mifoha maraina be izy isan’andro. Noho izany te hatory izy mandritra ny fotoam-pianarana amin’ny maraina.”

“Hay! Izay fotsiny ve?” hoy ny tale. “Tokony hanandrana kafe kely ianao! Asio kafe mahery tetevany vitsivitsy ao anatin’ny rano fisotron’i Jacob isa-maraina. Hanampy azy tsy hatory izany.”

Niketrona i Jacob. “Nefa ny fianakavianay tsy misotro kafe, Madama.”

Hita ho very hevitra ny tale. “Ho sarotra aminao ny hianatra raha resin-tory foana ianao. Tokony hieritreritra an’izany ianao farafaharatsiny.”

Rehefa nandao ny biraon’ny tale izy ireo, dia nifamahofaho ny tao an-tsain’i Jacob. Te hahomby kokoa izy tany am-pianarana, saingy te hanaraka ny didy koa izy.

Tamin’io alina io dia namaky momba ny Tenin’ny Fahendrena ao amin’ny soratra masina ny fianakaviany.

Rehefa tonga ny anjaran’i Jacob dia namaky izy hoe: “Ary ny olo-masina rehetra izay mahatsiaro ny hitandrina sy ny hampihatra ireo teny ireo … Ary hahita fahendrena sy rakitsoa lehiben’ny fahalalana izy ireo. Ary hihazakazaka izy ireo fa tsy ho sasatra ary handeha fa tsy ho reraka.”*

Avy eo dia nahita hevitra izy!

Nitraka avy teo amin’ny sezany izy. “Ho solon’ny tetevana kafe dia hampiasaiko ny tetevana finoana!”

“Inona no tianao holazaina?” hoy ny rainy nanontany.

Nitsiky i Jacob. “Isaky ny maraina alohan’ny sakafo maraina dia afaka mivavaka isika ary mangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hitahy ahy mba tsy ho te hatory be aho. Ny vavaka ataontsika dia ho toy ny tetevana finoana!”

Nitsiky ihany koa i Neny sy i Dada. “Ohatra an’ny hevitra tsara izany!” Hoy i Dada.

Ny ampitso maraina dia nandohalika ny fianakavian’izy ireo ary nivavaka mba hanana hery hiari-tory i Jacob. Nanao toy izany koa izy ireo ny afakampitso. Ary ny andro manaraka izay. Niezaka natory aloha koa i Jacob isaky ny alina. Ary isa-maraina dia nanana finoana ny fianakavian’i Jacob fa hanampy azy ny Ray any An-danitra.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nandaitra ny tetevana finoan’izy ireo. Afaka nifantoka nandritra ny andro manontolo i Jacob! Namaly ny vavak’izy ireo Andriamanitra. Ary fantatr’i Jacob fa nirehareha taminy Izy noho ny fanarahany ny Tenin’ny Fahendrena.

Sary
alt text

“Vonona hianatra ve ianao ry Jacob?” Hoy Madama Lelis nanontany indray maraina raha iny niditra tao an-dakilasy iny.

Nihatokatoka i Jacob sady feno tsiky teo amin’ny endriny. Nahazo ny tetevana finoany izy talohan’ny fianarana. Vonona tamin’ny zava-drehetra izy!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Raquel Martin