Namana
Ohatra tsara iray
martsa 2024


“Ohatra tsara iray,” Namana, martsa 2024, 32.

Namana mankany amin’ny namana

Ohatra tsara iray

Avy amin’ny tafa sy dinika nifanaovana tamin’i Haley Yancey.

Tsy mpikamban’ny Fiangonana aho fony mbola zaza. Tsy mpikambana aho raha tsy efa olon-dehibe sy mpandraharaha, izay aho vao vita batisa.

Mpandraharaha ihany koa ny raiko. Nanahy mafy izy rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana aho. Hoy izy: “Tsy misotro toaka intsony izany ianao. Ho sarotra izany amin’ireo fivoriana izay iarahan’ny rehetra misotro.”

Saingy tsy nanahy velively aho. Nanapa-kevitra aho fa rehefa misy olona manolotra ahy toaka dia hiteny aho hoe: “Tsia, misaotra.” Avy eo dia hanafatra zavatra hafa aho.

Nandeha ny taona, ary imbetsaka aho no nanao izany. Rehefa afaka kelikely, dia nahatsikaritra ny mpiara-miasa tamiko. Raha nomena toaka aho, dia hoy izy ireo: “Tsy misotro i Mathias. Hitondray zavatra hafa izy.” Nihamaro tamin’izy ireo ihany koa no tsy nangataka ny horosoina toaka. Tsy te hisotro koa aho,” hoy izy ireo.

Nisy mpitsidika tonga nivory indray mandeha. Izy ireo ihany no nisotro toaka.

Nanontany ahy izy ireo hoe: “Nahoana no tsy misy misotro toaka mihitsy? Mpikambana ao amin’ny fiangonanareo avokoa ve izy ireo?”

“Tsia,” hoy aho.

Tsy nitory momba ny Tenin’ny Fahendrena tamin’ireo mpiara-miasa tamiko aho. Niorina mafy tamin’ny finoako fotsiny aho ary tsikaritr’izy ireo ny ohatra nasehoko.

Afaka ny ho ohatra tsara koa ianao. Hahatsikaritra ny olon-kafa rehefa misafidy ny tsara ianao. Afaka manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fiainana tsotra fotsiny ny filazantsara ianao.

Sary
alt text

Sary nataon’i Matt Smith