Namana
Nahita an’i Jesoa i Jakôba sy i Nefia
martsa 2024


“Nahita an’i Jesoa i Jakôba sy i Nefia,” Namana, martsa 2024, 26–27.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Nahita an’i Jesoa i Jakôba sy i Nefia

Sary
alt text

Sary nataon’i Andrew Bosley

Sary
alt text

I Jakôba dia zandrin’i Nefia. Teraka taorian’ny nialan’ny fianakaviany tao Jerosalema izy. Tonga tany amin’ny tany nampanantenaina tamin’ny fahazazany i Jakôba.

Sary
alt text
Sary
alt text

Samy nahita an’i Jesoa Kristy i Jakôba sy i Nefia. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany tamin’ny fianakaviany izy ireo mba hanampiana azy ireo hianatra momba an’i Jesoa.

Sary
alt text
Sary
alt text

Nizara ny tenin’i Isaia mpaminany koa izy ireo. Efa nahita an’i Jesoa koa i Isaia ary nanoratra momba Azy ao amin’ny soratra masina. Nampiasa ny tenin’i Isaia avy ao amin’ny soratra masina i Jakôba sy i Nefia mba hampianarana ny fianakaviany momba an’i Jesoa.

Sary
alt text

Nampianatra izy ireo fa ho tonga eto an-tany i Jesoa. Ho faty Izy ary ho velona indray. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy izy ireo mba hiandrandran’ny fianakaviany ny fiaviany.