Namana
Ilay Reniakoho sy ireo akohokely
martsa 2024


“Ilay Reniakoho sy ireo akohokely,” Namana, martsa 2024, 4–5.

Ilay Reniakoho sy ireo akohokely

“Niresaka momba izany i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina,” hoy i Dada.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nibanjina an’i Clara ireo akohokely mavo voloina miisa dimy. Kio, kio, kio!

Isaky ny lohataona dia mividy zanak’akoho hokarakaraina ny fianakavian’i Clara. Androany izy dia tsy maintsy nanampy an’i Dada hitondra azy ireo hody mba honina miaraka amin’ireo akohon’izy ireo hafa.

Mikitoantoana ny lalana nandehanan’izy ireo fiara. Saingy notazonin’i Clara hiperaka tsara teo am-pofoany ilay baoritra nisy ireo akohokely. Nosafosafoiny moramora tamin’ny tendron’ny rantsantanany ny iray tamin’izy ireo. Nalefaka ery izany!

Rehefa tonga tao an-trano i Clara sy i Dada, dia nandeha tany amin’ny tranon’akoho tao an-tokotany izy ireo. Ilay tranon’akoho dia trano kely izay nonenan’ireo reniakoho rehetra sy nanatodizan’izy ireo.

“Iza amin’ireo reniakoho no hametrahantsika ireto akohokely?” Hoy i Dada nanontany.

Nijery ny manodidina i Clara. Namindra mololo ho lasa antontany ny akohovavy iray. Hanome akany tsara ho an’ireo akohokely vaovao ireo mololo. Afaka ny ho reniakoho tsara angamba izy.

“Ity,” hoy i Clara nanondro ilay reniakoho.

Nalain’i Dada moramora iray avy tao anatin’ilay boaty ny akohokely iray ary napetrany teo akaikin’ilay reniakoho. Nijery ilay akohokely ilay reniakoho. Nanainga ny elany izy, ary tampoka teo dia tsy hita ilay akohokely!

Lasa aiza izy teo? “Tsy maninona ve ilay akohokely?” Hoy i Clara nanontany.

Nihatokatoka i Dada “Jereo!”

Namoaka ny lohany avy ao ambanin’ny volon’ilay reniakoho ilay akohokely.

“Nahoana ilay reniakoho no nanao izany?” Hoy i Clara nanontany.

“Mba hiarovana ilay akohokely”, hoy i Dada. “Hiaro azy tsy ho azon-doza sy hanafana azy ao ambanin’ny elany izy.”

Nanampy an’i Dada nametraka ireo akohokely hafa niaraka tamin’ilay renin’izy ireo vaovao i Clara. Nanainga ny elany ilay reniakoho mba hanangona azy rehetra miaraka.

“Hitanao, niresaka momba izany i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina,” hoy i Dada.

“Izany ve?” Hoy i Clara nanontany. “Inona no nolazainy?”

“Ao fa hasehoko anao.”

Niditra tao an-trano i Clara sy i Dada. Namoaka ny soratra masiny i Dada. Dia nanomboka namaky izy.

“Impiry Aho no hanangona anareo toy ny reniakoho manangona ny zanany eo ambany elany, raha mibebaka ianareo sy miverina Amiko amin’ny fo feno finiavana.”*

Nieritreritra ny tsirairay tamin’ireo akohokely teo ambanin’ny volon’ilay reniakoho i Clara. “Izany hoe angonin’i Jesoa tahaka ny hanangonan’ny reniakoho ny zanany ao ambanin’ny elany koa ve izany isika?” Hoy i Clara nanontany.

“Izay mihitsy,” hoy i Dada. “Miaro antsika izy, toy ny iarovan’ny reniakoho ny zanany. Fa miaro antsika amin’ny zavatra hafa mihoatra lavitra noho ny hatsiaka Izy anefa. Fantany rehefa ory na marary na malahelo isika. Omeny fiadanana sy fampiononana isika. Miahy antsika Izy.”

Ny ampitso maraina, dia namahana ilay reniakoho sy ny zanany vaovao i Clara. Nahatonga azy hieritreritra ilay soratra masina novakin’i Dada izany. Nitsiky izy rehefa nieritreritra an’i Jesoa. Fantany fa tia azy sy nikarakara azy Izy, toy ny nikarakaran’ilay reniakoho ireo zanany.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’ i Assia Ieradi