Namana
Lisin’ny Paska vita tanana
martsa 2024


“Lisin’ny Paska vita tanana,” Namana, martsa 2024, 17.

Zavatra mahafinaritra

Lisin’ny Paska vita tanana

Ireo lisin’ny Paska dia afaka manampy antsika hahatsiaro ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ny fakan’ny lisy dia maniry ao ambanin’ny tany mandritra ny fotoana maharitra alohan’ny hamelanany amin’ny lohataona. Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia napetraka tao amin’ny fasana iray ny vata-manatsiakany. Rehefa afaka telo andro anefa dia velona indray izy!

Manaova lisin’ny Paska ho anao manokana amin’ny fanarahana ireto dingana ireto.

  1. Farito eo amin’ny taratasy iray ny sarin’ny tananao ary hetezo izany.

  2. Ahorony hanana endrika kitsoloha (cône) izany ary avy eo dia akombony amin’ny fandraikitra (rubans adhésifs). Asio lavaka kely eo amin’ny fanambaniny.

  3. Ahorony manodidina ny pensilihazo ny rantsantanana tsirairay.

  4. Asio tapa-kazo eo amin’ny lavaka eo amin’ny voninkazonao mba hamoronana taho. Araiketo eo amin’ny tapa-kazo ilay voninkazo. Tsi voatery atao: lokoy mavo ny tapany ambony amin’ilay hazo kely ary maitso ny tapany ambany. Ampio ravina vita amin’ny taratasy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Zavakanto nataon’i Anna Oldroyd