Namana
Afaka manasa ny hafa hanara-dia an’i Jesoa aho
martsa 2024


“Afaka manasa ny hafa hanara-dia an’i Jesoa aho,” Namana, martsa 2024, 13.

Handeha ary Hanao

Afaka manasa ny hafa hanara-dia an’i Jesoa aho

Tahaka an’i Nefia, ianao dia afaka mandeha sy manao izay nandidian’ny Tompo. (Jereo ny 1 Nefia 3:7.)

Misy fomba maro ahafahanao manasa ny hafa hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Andramo ny iray na ny roa amin’ireto hevitra eto ambany ireto. Na soraty ny hevitrao manokana!

Sary
alt text
  • Manasà olona iray ho any am-piangonana miaraka aminao.

  • Manompoa olona iray miaraka amin’ny namana iray.

  • Manasà olona iray hanatrika fiaraha-mientan’ny Fiangonana.

  • Miaraha mijery horonan-tsary momba ny Fiangonana.

  • Manaova asa tanana avy amin’ireo sahanasa ao amin’ny “Avia hanaraka Ahy miaraka amin’ny namana iray.

Sary
alt text

Rehefa natao batisa aho dia nanasa ilay namako ao am-pianarana izay tsy mpivavaka ao amin’ny fiangonantsika. Tena nahafinaritra fa tonga niaraka tamin’ny fianakaviany izy.

Sofia D., 8 taona, Alberta, Kanadà

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Corey Egbert