Namana
Arahaba avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée!
martsa 2024


“Arahaba avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée!” Namana, martsa 2024, 8–9.

Arahaba avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

I Papouasie-Nouvelle-Guinée dia nosy iray izay firenena ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika. Mandrakotra ny antsasaky ny nosy Nouvelle-Guinée izy io. Olona mihoatra ny 8 tapitrisa no monina any!

Ireo fiteny

Sary
alt text

I Papouasie-Nouvelle-Guinée dia manana fiteny maro kokoa noho ny firenena rehetra eran-tany — fiteny 840 eo ho eo!

trano fiangonana

Sary
alt text

Matetika no misy tondra-drano any Papouasie-Nouvelle-Guinée. Noho izany dia aorina eo ambony tsato-kazo ny trano fiangonana any. Rehefa tonga ny tondra-drano, dia afaka mivoy ny lakany hatreo am-baravarana ny mpikambana!

Vorona an’ala

Sary
alt text

Ireo Voro-Paradisa dia vorona an’ala saro-kenatra. Ny lahy dia manana elatra tena kanto sy maro loko. Misy Voro-Paradisa Raggiana eo amin’ny sainam-pirenena.

Sing-Sings

Sary
alt text

Mivory ireo foko any Papouasie-Nouvelle-Guinée mba hihira, handihy, hizara fomban-drazana, ary mba hahazo namana. Foko 100 mahery no mandray anjara amin’ny sing-sing lehibe indrindra isan-taona!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Zhen Liu