Namana
Paska tsy hay hadinoina
martsa 2024


“Paska tsy hay hadinoina,” Namana, martsa 2024, 14– 15.

Paska tsy hay hadinoina

Nahatsapa ny fitiavan’i Jesoa i Jonas teo am’pihirana.

Tany Finlandy no nitrangan’ity tantara ity.

Nihomehy i Jonas rehefa nifaninana nihazakazaka tamin’ireo rahalahiny niditra tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny mba hanao takarivan’ny mpianakavy. Mbola tsaroany ny fofon’ilay zanak’ondry natsatsika matsiro tamin’ny sakafo harivan’ny Paska. Ary mbola afaka nanandrana ilay pasha mamy, tsindrin-tsakafo nentin-drazana fanao rehefa Paska izy.

Rehefa nipetraka nangina ny fianakaviana dia nitsangana i Tristan zokin’i Jonas lahimatoa.

“Arahabaina nahatratra ny Paska!” Hoy iTristan. Natombony tamin’ny hira sy ny vavaka ny takarivan’ny mpianakavin’izy ireo. Avy eo dia tonga ny fotoana ho an’ny fandaharam-potoana manokan’izy ireo mba hihirana. Efa nanomana hira momba an’i Jesoa Kristy hozaraina ny tsirairay.

Nitendry gitara i Tristan, nitendry tamim-pitandremana ny tady tsirairay. Avy eo dia nitendry piano i Einar rahalahiny. Ny rantsantanany dia nivezivezy namakivaky ireo claviers. Nitendry hira koa i Neny sy i Dada ary ireo zokilahin’i Jonas hafa. Tia nihaino ny hiran’ny fianakaviany i Jonas.

Anjaran’i Jonas ny farany. Nifoka rivotra mafy izy dia nanomboka nihira.

Sary
alt text

“Indraindray aho dia alaim-panahy hanao safidy ratsy, kanefa miezaka mihaino aho rehefa mibitsibitsika ilay feo malefaka hoe: -Mifankatiava tahaka ny nitiavan’i Jesoa anareo.-”*

Rehefa nihira i Jonas dia feno fitiavana ny fony. Vonton-dranomasom-pifaliana ny masony. Toy ny nilaza tamin’i Jonas ny Fanahy Masina fa tia azy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

“Misaotra anareo rehetra nizara ny talentanareo,” hoy i Dada. Notanany ambony ny sary iray. Nampiseho an’i Jesoa Kristy nandohalika sy nivavaka teo akaikin’ny hazo iray izany. “Iza no mahalala izay mitranga amin’ity sary ity?”

Nanangana ny tanany i Jonas. “I Jesoa nivavaka tao Getsemane io.”

Nihatokatoka i Dada “Eny. Teo no nahatsapany ny fangirifiriana sy ny alahelontsika rehetra.”

“Nankany amin’ny sahan’i Getsemane izy talohan’ny nahafatesany,” hoy i Neny. “Taorian’ny nahafatesany dia velona indray Izy. Izany rehetra izany dia ampahany amin’ny Sorompanavotany. Nanao izany zavatra rehetra izany i Jesoa satria tiany isika.”

Nandefa horonan-tsary momba ny Paska voalohany i Neny. Rehefa tapitra ilay horonan-tsary dia nangina iray minitra ny rehetra. Nahatsapa indray ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Jonas.

“Izao ve no fotoana hanaovana ny fiaraha-mientantsika?” Hoy i Jonas nanontany.

Nitsangana avy teo amin’ny fandriana i Neny ary nankany amin’ny lalimoara. “Eny! Jona a! hanampy ahy ve ianao?”

Namoaka lakaoly sy hety ary antontan-gazetibokin’ny Fiangonana i Jonas sy i Neny. Naparitaka tamin’ny tany izy ireo. Avy eo i Neny dia nanome ny tsirairay avy ny diary manokan’izy ireo momba ny Paska. “Andao isika hanety sarin’i Jesoa Kristy atao ao amin’ny diaritsika ho an’ny Paska.”

Sary
alt text

Nipetraka teo amin’ny tany i Jonas dia nanokatra ny kahieny.

Naka penina i Dada mba hanoratra ao amin’ny diariny. “Azonareo soratana eo akaikin’ny sary nataonareo ny zavatra hataonareo mba hanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa mba hahatonga anareo ho lasa tahaka Azy ireo kokoa.”

Namadika ny pejin’ny gazetiboky iray i Jonas. Nahita ny sarin’i Jesoa Kristy mitsiky izy.

Nohetezan’i Jonas ilay sary ary napetany teo afovoan’ny pejin’ny diariny. Nieritreritra ny fitiavana rehetra tsapany avy tamin’ny Mpamonjy izy tamin’io andro io. Dia nanoratra izy avy eo hoe: “Hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa aho amin’ny fihainoana an’i Dada sy i Neny sy ny fanampiana amin’ny raharaha. Ho tia kokoa ny rahalahiko aho.” Notazoniny ambony ilay izy mba haseho an’i Neny. Namaky izay nosoratany izy ary nitsiky.

Nahatsiaro an’io Paska io nandritra ny fotoana ela i Jonas. Nahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy izy rehefa nihira sy nianatra momba Azy. Ary nahatsapa ny fitiavan’i Jesoa izy rehefa niezaka ny ho toa Azy.

Tena tia an’i Jonas ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ary tia azy ireo koa i Jonas.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Steliyana Doneva

  • “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40).