Namana
Ilay vato volomparasy mamirapiratra
martsa 2024


“Ilay vato volomparasy mamirapiratra,” Namana, martsa 2024, 10–11.

Ilay vato volomparasy mamirapiratra

Raha nilaza ny marina izy dia ho tezitra taminy ve ny rainy?

Tany Holandy no nitrangan’ity tantara ity.

Nosokafan’i Marie ny vata misy ireo firavany mba hijery ireo vatony tsara tarehy. Notazoniny tsirairay teny an-tanany ireo. Ilay mena, avy eo ilay maitso, avy eo ilay fotsy mazava.

Nandondòna ny varavaran’ny efitrano fatoriana i Bebe. Vonona ny Handeha?

“Eny!” Naverin’i Marie tamim-pitandremana tao anatin’ilay vatany ireo vato.

Nentin’i Bebe tany amin’ny tranomboky i Marie. Fa tsy hoe hijery boky fotsiny. Nisy fampisehoana vato miavaka tao! Nientanentana i Marie.

Rehefa tonga tao amin’ny trano famakiam-boky ilay fiara fitaterana nitondra azy ireo dia niditra tao i Marie sy i Bebe. Nahita latabatra maro nisy ireo vato tsara tarehy izy ireo. Namirapiratra sy malama ny sasany. Ireo hafa koa nanana endrika mahaliana.

“Jereo ity iray ity!” Nanondro kristaly lehibe iray i Bebe. Voarakotra faritra maranidranitra kely be dia be miloko manga ilay izy.

Nisy latabatra iray hafa nisy vato kely boribory be dia be. Nijery ireo loko rehetra i Marie. Nisy vato volomparasy kely sy mamirapiratra ary malama terý amin’ny farany.

Mbola tsy manana vato volomparasy aho, hoy i Marie tao an’eritreritra. Mety tsara ho an’ilay fanangonana ataony izany.

Nijery manodidina i Marie. Teo amin’ny latabatra hafa i Bebe. Tsy nisy olon-kafa teo akaiky teo. Ary tsy hisy halahelo io vato kely io, sa tsy izany?

Noraisin’i Marie ilay vato dia nataony tao am-paosiny.

Tamin’io alina io, rehefa voapetrany soamantsara tao anatin’ny vata misy ny firavany ilay vato volomparasy, dia nankeo am-pandriana i Marie.

“Vonona hihaino tantara?” Nipetraka teo am-pandriana i Dada ary nanokatra ny gazetiboky Namana .

Nirakotra lamba tsara i Marie dia nihaino. Momba ny zazalahy iray izay nibebaka rehefa avy nanao safidy ratsy ilay tantara.

Rehefa namaky i Dada dia nahatsapa i Marie fa toy ny nisy zavatra nifamatotra tao an-kibony. Nihorirana izy, ary avy eo dia namadika ny ondany. Saingy tsy nahazo aina izy. Ary tsy nitsahatra nieritreritra momba ilay vato volomparasy izy.

Sary
alt text

Namarana ilay tantara i Dada. “Ao tsara ve ianao?”

Tsy fantatr’i Marie izay tokony hatao. Raha hiteny amin’i Dada izy dia mety ho tezitra izy.

Fa mety ho hainy anefa ny fomba hanampiana azy.

Nandady tsimoramora avy eo am-pandriana i Marie ary naka ilay vato volomparasy tao anaty vatany. “Nalaiko tao amin’ny tranomboky ity androany.” Nipatrapatraka avy teo amin’ny mason’i Marie ny ranomasony. “Tena miala tsiny aho.”

Nofihinin’i Dada izy. “Tsara foana ny milaza ny marina amiko. Mirehareha ny amin’ny fanananao herim-po hanao ny marina aho.

Nanomboka tsy narary intsony ny kibon’i Marie. Tsy tezitra i Dada!

“Ary noho i Jesoa dia afaka mibebaka isika. Toy ny tao amin’ilay tantara ihany”, hoy izy. “Ahoana raha averintsika any amin’ny tranomboky ilay vato?”

Nanakimpy mafy ny masony i Marie. “Tsia! Tena ho tezitra izy ireo.”

Nametraka tanana teo an-tsorony i Dada. “Mety ho tezitra kely izy ireo. Saingy raha ny hevitro dia ho faly izy ireo fa naverinao izany. Ary hahatonga anao hahazo aina kokoa ihany koa izany.”

Nifoka rivotra lalina i Marie dia nihatokatoka. “ENY ARY.”

Namoaka sombin-taratasy iray i Marie ary nanomboka nanoratra taratasy. “Miala tsiny aho fa naka an’ity,” hoy izy nanoratra. “Tahaka izay aho tsy nanao izany. Te hanarina izany aho.”

Natsofony tao anaty valopy ilay taratasy. Ary nataony tao anatiny koa ilay vato kely volomparasy.

Sary
alt text

“Haverintsika any ity rahampitso,” hoy i Dada. “Manao ahoana ny fahatsapanao amin’izao?”

“Tsara kokoa,” hoy i Marie. “Misy zavatra iray hafa mbola mila hataoko.”

Nandohalika teo akaikin’ny fandriany i Marie ary nivavaka. “Miala tsiny aho fa naka ilay vato,” hoy izy. “Tsy hangalatra intsony aho. Misaotra Anao nanampy ahy ho be herim-po sy hanao ny marina.”

Rehefa niverina tao am-pandriana i Marie dia nahatsapa fiadanana. Rahampitso izy no handamina ny zava-drehetra. Ary fantany fa hanampy azy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Noho Izy ireo dia hilamina ny zava-drehetra.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katie Rewse