Namana
Velona i Jesoa Kristy
martsa 2024


“Velona i Jesoa Kristy,” Namana, martsa 2024, 2–3.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Velona i Jesoa Kristy

Namboarina avy amin’ny “Ny Fanahiny miaraka aminareo,” Liahona, mey 2018, 86–89; sy ny “Nitsangana tamin’ny maty Izy,” Liahona, apr. 2013, 4–5.

Sary
alt text

Izao fotoana ao anatin’ny taona izao dia manampy antsika hahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy ny fitsanganany avy tao am-pasana.

Indray mandeha izaho sy ny vadiko dia nitsangana teo ivelan’ny fasana iray tao Jerosalema. Hitanay tao anatin’izany ny dabilio vato niankina tamin’ny rindrina.

Saingy nisy sary hafa tonga tao an-tsaiko. Nieritreritra an’i Maria teo amin’ilay fasana foana aho. Nitomany izy satria maty ny Mpamonjy. Tsy fantany hoe lasa aiza ny vata-mangatsiakany.

Avy eo izy “dia nitodika ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesoa” (Jaona 20:14). Nihevitra i Maria fa Izy no mpiandry ny saha.

“Hoy Jesoa taminy: Ry Maria!” (Jaona 20:16). Tamin’izay dia nahafantatra Azy i Maria. Fantany fa nitsangana tamin’ny maty Izy.

Satria nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty ao amin’ny vatana izay tsy ho faty mandrakizay ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Misaotra ny Raintsika any An-danitra aho noho ny nanomezany ny Zanany Malalany. Feno fankasitrahana aho mahafantatra fa nanao sorona ho an’ny fahotantsika Izy ary nitsangana tamin’ny maty. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty, Mpamonjy antsika ary ohatra tonga lafatra ho antsika.

Kodiaran’ny tantaran’ny Paska

Hetezo ireo faribolana ary apetraho eo ambonin’ilay iray hafa ilay faribolana voalohany. Lavaho eo afovoany ary tazony hipetraka tsara amin’ny paingotra na tariby ireo. Dia ahodino ilay faribolana eo ambony mba hitantarana ny tantaran’ny Paska.

Ny tantaran’ny Paska

  1. Tonga tao Jerosalema i Jesoa tamin’ny Alahadin’ny Sampan-kazo (jereo ny Marka 11:7–11).

  2. Nanome ny fanasan’ny Tompo ny mpianany i Jesoa (jereo ny Matio 26:26–28).

  3. Nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa (jereo ny Marka 14:32–36).

  4. Maty ho antsika teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa (jereo ny Lioka 23:46).

  5. Nandry tao am-pasana nandritra ny telo andro ny vatany (jereo ny Matio 27:59–64).

  6. Velona indray i Jesoa. Ary velona Izy ankehitriny. (Jereo ny Matio 28:6–9.)

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Tallent