Namana
Inona no ao an-tsainao?
martsa 2024


“Inona no ao an-tsainao?” Namana, martsa 2024, 38.

Fizarana ho an’ny ankizy lehibe

Inona no ao an-tsainao?

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny zavatra jereko na henoiko? Tsy mandratra na iza na iza izany.

—Olona iray tsy manan-tsiny ao Helsinki

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Ry ilay “Olona iray tsy manan-tsiny” malala,

Ny zavatra rehetra jerenao na henonao dia misy fiantraikany amin’ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary ny asanao. Ary izany dia misy fiantraikany amin’ny maha-ianao anao ankehitriny.

Mba hahatonga anao ho ilay olona tsara indrindra dia ny zavatra tsara indrindra no jereo sy henoy. Nampianarina isika hikatsaka ireo zavatra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara laza na mendri-piderana” (Fanekem-pinoana 1:13). Ary afaka mahafantatra isika fa tsara ny zavatra iray raha mahatonga antsika haniry hanao ny tsara sy “hino an’i Kristy” izany (Môrônia 7:16). Tena zava-dehibe ny zavatra jerenao na henoinao satria manan-danja tokoa ianao.

Amim-pitiavana,

Ny Namana

Lisitra fanamarinana ireo haino vaky jery tsara

Ampiasao ity lisitra fanamarinana ity mba hahazoana antoka fa haino vaky jery mahafinaritra ihany no ampidirinao ao amin’ny atidohanao mahafinaritra!

  • Mampahery izany ary manampy ahy hanana fahatsapana tsara ao anatiko.

  • Mampianatra ahy zavatra tsara izany.

  • Manampy ahy haniry hankatò ireo didin’ Andriamanitra izany.

  • Manentana ahy hanao zavatra tsara izany.

  • Manaja ary mifanaraka amin’ny fenitra arahin’ny ny fianakaviako izany.