Namana
Najanon’i Janeelyn ny fanakisahana ny efijery
martsa 2024


“Najanon’i Janeelyn ny fanakisahana ny efijery,” Namana, martsa 2024, 36– 37.

Najanon’i Janeelyn ny fanakisahana ny efijery

Tena te hahita ny horonan-tsary manaraka izy. Sy ny manaraka. Ary toy izany hatrany hatrany.

Tany Malayzia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nataon’i Janeelyn teo amin’ny efijerin’ny finday ny ankihibeny. Nisy horonan-tsary maro nipoitra. Niato kely izy mba hijery iray, rehefa izay dia nanohy niakatra sy nidina indray. Nijanona tamina horonan-tsary iray hafa izy nony avy eo. Nisy fiteny ratsy be dia be ilay izy, nefa mampihomehy, ka dia nijery foana izy. Avy eo dia nanohy nanisaka ny efijery ihany.

“Janeelyn! Te ho aty hanao sary ve ianao?” Nanofahofa sombin-taratasy iray i Jojo zandriny vavy.

Nitraka i Janeelyn. “Tsy izao dia izao.”

“ENY ARY.” Niketrona i Jojo dia nametraka ilay taratasy.

Manisaka. Manisaka. Manisaka. Horonan-tsary ahitana biby mahafatifaty. Horonan-tsary ahitana olo-malaza. Horonan-tsary ahitana ankizy mandihy. Ary horonan-tsary vitsivitsy izay fantatr’i Janeelyn fa tsy tsara hojerena Eny, mety mihoatra ny vitsivitsy. Nanomboka nahatsapa i Janeelyn fa tsy tokony hijery azy ireo intsony izy.

Saingy ny olona koa dia mamoaka zavatra tsara maro, hoy izy nieritreritra. Nianatra fomba vaovao hanaovana sary avy amina horonan-tsary vitsivitsy mihitsy aza izy.

“Janeelyn,” hoy i Neny niantso.

“Hmm?” Tsy nitraka akory i Janeelyn tamin’ity indray mitoraka ity.

“Vary nendasina miaraka amin’ny hazan-dranomasina no hohanintsika anio alina,” hoy i Neny. “Hanampy ahy hikarakara izany ve ianao?”

Tia vary nendasina miaraka amin’ny hazan-dranomasina i Janeelyn. Saingy tsy te hitsangana izao dia izao izy.

“Sao dia tokony hametraka ny lovia eo an-databatra fotsiny aho?” hoy izy nanontany. “Afaka manampy amin’ny fanasana lovia koa aho aorian’izay.”

“Mety izany,” hoy i Neny. Saingy mila mametraka tsara ny lovia eo an-databatra ianao rehefa miteny aminao aho. Sady tonga ny fotoana hamerenana ny finday. Raikitra?”

“Raikitra,” hoy i Janeelyn.

Nanohy nijery horonan-tsary ihany anefa i Janeelyn. Mbola nahatsapa indray izy fa tsy tokony hijery azy ireo. Kanefa tena te hahita ny horonan-tsary manaraka izy. Sy ny manaraka. Ary toy izany hatrany hatrany. Manisaka. Manisaka. Sarotra ny nanajanona izany!

Nony farany dia namela ny findainy i Janeelyn. Mety hoe mbola afaka namita horonan-tsary iray farany sisa izy. …

Tsia, hoy i Janeelyn niteny irery tamin’ny fomba hentitra. Nibitsika taminy ny Fanahy Masina, ary te hihaino izy. Mbola nivezivezy teo akaikin’ny finday ny tanany. Tena naka fanahy izany! Nanakimpy mafy ny masony i Janeelyn.

Ry Ray Malala any An-danitra ô!Hoy izy nivavaka mangina. Miezaka mafy mihaino ny Fanahy Masina aho, saingy mila fanampiana aho. Te hijanona tsy hijery ireo horonan-tsary ireo aho, saingy tsy haiko hoe ahoana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Tamin’izay indrindra no niantso azy i Neny hanamboatra ny latabatra. Nitsangana i Janeelyn ary nitsiky. Izany no fomba iray nanampiana azy hiala teo amin’ny finday.

Nandahatra ny lovia teo ambonin’ny latabatra i Janeelyn. “Neny a!, nahita zava-dratsy aho tamin’ny telefaonina”, hoy izy niloa-bava.

Nitraka avy teo amin’ny nahandrony i Neny. “Karazan-javatra inona?”

“Toy ny hoe teny ratsy sy horonan-tsary ratsy.” Nanainga soroka i Janeelyn. “Nefa kosa tsy ratsy avokoa izy rehetra .”

“Inona no nataonao rehefa nahita ireo zavatra ratsy ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Nangina fotoana vitsy i Janeelyn. Nametraka ny kaopy isaky ny toerany avy izy.

“Nanohy nijery foana aho,” hoy izy. “Tsy haiko hoe nahoana. Saingy nilaza tamiko ny Fanahy Masina mba hanajanona izany, ka dia nivavaka aho mba hahazo fanampiana.”

Napetrak’i Neny teo ambony latabatra ny lovia mbola midonaka misy ilay vary nendasina miaraka amin’ny hazan-dranomasina. “Indraindray dia tena sarotra ny manajanona ny fanaovana zavatra iray na dia fantatsika aza fa ratsy izany,” hoy izy. “Ary rehefa mitranga izany, ny zavatra tsara indrindra azo atao dia mivavaka.”

Nitsiky i Janeelyn. “Nanao ny tsara aho izany.”

“Izay mihitsy, nanao ny tsara ianao.” Notoloran’i Neny sotro i Janeelyn hapetraka eo ambony latabatra. “Ary tsy ratsy avokoa ny internet. Afaka manampy antsika hifandray amin’ireo namana sy mizara hevitra izany. Nefa koa mety ho sarotra ny manalavitra ny zavatra ratsy rehetra. Manomboka izao, raha hijery horonan-tsary ianao dia aleo miaraka mijery azy ireo fotsiny. Amin’izay izaho sy i Dada dia afaka manampy raha mahita zava-dratsy ianao.”

Nihatokatoka i Janeelyn. Amin’ny manaraka izy dia hijery horonan-tsary miaraka amin’i Neny sy i Dada. Saingy mandra-pahatonga izany, dia be dia be ny zavatra mahafinaritra azony atao tsy misy finday.

“Afaka miteny amin’ny rehetra ve ianao hoe efa vonona ny sakafo?” Hoy i Neny nanontany.

“Ie! Ary aorian’ny sakafo hariva dia hanao sary miaraka amin’i Jojo aho!”

Sary
alt text
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Mitch Miller