Namana
Fotoana bebe kokoa iarahana amin’i Max
martsa 2024


“Fotoana bebe kokoa iarahana amin’i Max,” Namana, martsa 2024, 42.

Nosoratanareo

Fotoana bebe kokoa iarahana amin’i Max

Indray mandeha aho dia nandeha nilasy teny amoron-dranomasina niaraka tamin’ny fianakaviako sy ny namako vitsivitsy ary i Max ilay alikako. Nilomano sy nilalao nandritra ny tontolo andro izahay. Nijery afomanga izahay nony avy eo rehefa maizina ny andro. Niaina fotoana nahafinaritra izahay rehetra.

Rehefa nifarana ny afomanga dia nitady an’i Max aho. Kanefa tsy hita izy! Nikoropaka aho ary nikiakiaka hoe tsy hita i Max. Nipatrapatraka teo amin’ny tavako ny ranomasoko sady nitady azy tany anaty ala ihany izahay rehetra. Nahatsapa feo malefaka aho niteny ahy mba hivavaka, dia nataoko izany. Kanefa dia tsapako ho nalemy toy ny paty ny vatako, ary natahotra ny amin’i Max aho.

Tsy nahita azy izahay ka niverina tany amin’ny tranolainay. Nanohy nivavaka tao an-dohako aho, saingy nanomboka very fanantenana. Natory nitomany aho.

Ora vitsy taty aoriana dia nanozongozona ahy hifoha ny ray aman-dreniko. Nipetraka teo akaikiko teo i Max! Henon’ny ray aman-dreniko ny feon’ny fehitendan’i Max nikorintsana teo ivelan’ny tranolainay. Nofihiniko mafy izy ary nisaotra mangina an’ Andriamanitra aho noho ny famaliany ny vavaka nataoko.

Sary
alt text

Telo taona tatỳ aoriana, dia naratra mafy ny lamosin’i Max ary narary izaitsizy. Tsy nety ho sitrana izy, ka tsy maintsy nifanao veloma izahay. Nampahery ahy ny Ray any An-danitra ary nanome ahy fiadanana. Nampahatsiahy ahy ny Fanahy Masina fa efa saika very i Max telo taona lasa izay, saingy nanampy anay hahita azy Andriamanitra. Feno fankasitrahana aho fa nomeny fotoana bebe kokoa izahay mba hitiavana an’i Max.

Fantatro fa mamaly vavaka Andriamanitra ary manome fampiononana ao anatin’ny fitsapana. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ho an’ny olona rehetra. Tena feno fankasitrahana aho noho ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakaviako sy ho ahy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Camarie Brunson