Seminera sy Institiota
Lesona 8: Ny maha-lahy na vavy sy ny maha-izy azy ny tena mandrakizay


Lesona 8

Ny maha-lahy na vavy sy ny maha-izy azy ny tena mandrakizay

Fampidirana

Ny maha-lahy na vavy antsika dia napetraka talohan’ny nahaterahantsika tety an-tany ary toetoetra ilaina amin’ny maha-izy azy antsika mandrakizay. Ireo mpitarika ny Fiangonana dia nanavaka ny fifanintonan’ny samy lahy na ny samy vavy, izay tsy fahotana, sy ny fanaovan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy firaisana ara-nofo, izay raisina ho fahotana satria mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fisandratantsika faratampony. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita ny fototra ara-paminaniana an’io fanavahana io sy hamantatra ihany koa fa ny zanak’Andriamanitra rehetra dia samy tiany ary mendrika ny hoentina amim-pitiavana sy amim-pahalalam-pomba.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Robert D. Hales, “The Plan of Salvation: A Sacred Treasure of Knowledge to Guide Us,” Ensign, ôkt. 2015.

  • Jeffrey R. Holland, “Helping Those Who Struggle with Same-Gender Attraction,” Ensign, ôkt. 2007, 42–45.

  • Dallin H. Oaks, “Same-Gender Attraction,” Ensign, ôkt. 1995, 7–14.

  • Gospel Topics, “Same-Sex Marriage,” lds.org/topics.

  • “Love One Another: A Discussion on Same-Sex Attraction,” mormonsandgays.org. Raha mametraka fanontaniana mikasika ny fitsipiky ny Fiangonana mikasika ny firaisan’ny samy lahy na samy vavy ireo mpianatra, dia asaivo mijery ity tranonkalan’ny Fiangonana ity izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24; Mosesy 2:27; “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”

Lafiny manan-danja amin’ny maha-izy azy antsika mandrakizay ny maha-lahy na maha-vavy antsika

Asao ny mpianatra telo hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24; Mosesy 2:27; ary ny andiam-pehezanteny faharoa ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Asao ireo mpianatra handinika hoe inona no ampianarin’ireo loharanom-pitaovana ireo na tiany holazaina mikasika ny maha-lahy na maha-vavy.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra amipanarin’ireo loharanom-pitaovana ireo mikasika ny maha-izy azy antsika mandrakizay? (Tokony hahita izao manaraka izao ireo mpianatra: Ny maha-lahy na maha-vavy antsika dia toetoetra manan-danja amin’ny maha-izy azy antsika sy amin’ny tanjontsika mandrakizay.)

  • Nahoana no hanampy antsika ny mahatakatra fa ny maha-lahy na maha-vavy antsika dia efa nisy elabe talohan’ny niaviantsika tety an-tany? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia azonao atao ny mizara ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Joseph Fielding Smith [1876–1972]: “Hitantsika ao amin’ny Genesisy hoe: … ‘Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.’ [Genesisy 1:27; nampiana soramandry.] Moa ve tsy azo atao ny mino fa ireo fanahy vavy dia nohariana araka ny endriky ny ‘Reny any An-danitra’?” [Answers to Gospel Questions, comp. Joseph Fielding Smith Jr., boky 5 (1957–66), 3:144].)

  • Nahoana no hanampy antsika hiaina mifanaraka amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ny fahatakarantsika ny toetra mandrakizay amin’ny maha-lahy na maha-vavy, na dia manaiky ny fenitry ny fitondrantena mifanohitra tanteraka amin’izany aza ny fiarahamonina indraindray?

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia zarao ity teny mifono fotopampianarana izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Vakio tsirairay ny andiam-pehezanteny ary mifanakaloza hevitra momba ny zavatra ampianariny mikasika ny fomba hanoheran’ny fanaovan’ny samy lahy na samy vavy firaisana ara-nofo ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fisandratana faratampony an’ireo zanany.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny tanjon’ny fiainana an-tany sy ny asa hanirahana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hanomana ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ho amin’ny anjarany—ny ho lasa tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra.

“Ny anjarantsika mandrakizay—fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy—dia tsy azo tanterahina raha tsy amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany (amin’ny alalan’izany no hahazoantsika mijanona ho ‘fanamarinana eo anoloan’Andriamanitra’ [F&F 93:38]) ary ireo lehilahy sy vehivavy izay nanao sy nanaja ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay any amin’ny tempolin’Andriamanitra ihany no afaka mahazo azy io (jereo ny F&F 131:1–4132). …

“Koa satria i Satana dia mikatsaka ny hahatonga ny ‘olon-drehetra ho ory tahaka azy’ (2 Ne. 2:27), dia ampiasainy mba hamporisihana ireo safidy sy fihetsika izay hanimba ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany ny ezaka mafy indrindra ataony . Katsahiny ny hanozongozona ilay fitsipika maha-tompon’andraikitra ny tsirairay, mba handresen-dahatra antsika hampiasa amin’ny tsy tokony ho izy ny hery masina ananantsika ahafahana miteraka, mba hanakiviana ny lehilahy sy ny vehivavy mendrika tsy hanao fanambadiana sy hiteraka, ary hampisavorovoro saina mba tsy hahalalana ny hevitry hoe lahy na vavy” (“Same-Gender Attraction,” Ensign, ôkt. 1995, 7–8).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6

Ny Fiangonana dia manavaka tsara ny fifanintonan’ny samy lahy na ny samy vavy sy ny fanaovan’ny samy lahy na ny samy vavy firaisana ara-nofo.

Omeo ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Asao ireo mpianatra handalina ilay teny nambara, ka hitady ireo fitsipika izay ampianarin’ny Loholona Holland mikasika ireo izay voasinton’ireo lehilahy na vehivavy tahaka azy sy ny fomba hamaliana azy ireo am-pitiavana.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Nisy zatovolahy mahafinaritra iray vao roapolo taona mahery kely eo ho eo nipetraka teo ampitako. Mahasarika erỳ ny fitsikiny, na dia tsy nitsiky matetika aza izy nandritra ny resaka nataonay. Ny nanintona ahy dia ny alahelo teo amin’ny fijeriny.

“‘Tsy fantatro raha tokony hijanona ho mpikamban’ny Fiangonana aho’ hoy izy. ‘Tsy mino ny tenako ho mendrika aho.’

“‘Nahoana moa ianao no tsy ho mendrika?’ Hoy aho nanontany.

“‘Tia lehilahy aho.’

“Nieritreritra izy angamba hoe hikoropaka aho. Tsy izay anefa. ‘Dia … ?’ Hoy aho nanontany .

“Hita soritra teny amin’ny endriny ny fihenan’ny ahiahiny rehefa nahatsapa izy fa liana taminy tsy tapaka aho. ‘Tsy manintona ahy ny vehivavy. Ny lehilahy no manintona ahy. Niezaka tsy niraharaha ireo fahatsapana ireo aho na hanova azy ireo saingy …’

“Hoy izy nisento. Nahoana aho no tahaka izao? Tena misy ireo fahatsapana ireo.’

“Niato kely aho, dia hoy aho avy eo hoe: ‘Mila fanampim-pahalalana kely aho alohan’ny hanoroako hevitra anao. Hitanao! Ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na samy vavy dia tsy fahotana, fa ny fanatanterahana ny faniriana ao anatin’izany no fahotana—tsisy hafa amin’ireo faniriana ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka ihany. Moa ve ianao mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

“Nihifikifi-doha izy. ‘Tsia, tsy mandika aho.’

“Tamin’izay fotoana izay dia nihamaivamaivana aho. ‘Misaotra anao maniry ny hamaha ity olana ity,’ hoy aho. ‘Mila herimpo ny miresaka momba izany, ary midera anao aho noho ianao nijanona ho madio.

“‘Ny amin’ny hoe nahoana ianao no manana ny fahatsapana anananao, dia tsy afaka mamaly izany fanontaniana izany aho. Mety misy antony maro mahatonga izany, ary mety ho samy hafa toy ny maha-samy hafa ny olona izany. Misy zavatra sasany izay mety tsy ho fantatsika mihitsy mandritra ity fiainana ity, anisan’izany ny antony hanananao ireo fahatsapanao. Kanefa ny fahafantarana ny antony hananao ny fahatsapana toy izany dia tsy manan-danja raha ampitahaina amin’ny fahafantarana hoe tsy nandika lalàna ianao. Raha mifanaraka amin’ireo didy ny fiainanao, dia mendrika ny hanompo ao amin’ny Fiangonana ianao, sy higoka ny maha-mpikambana feno anao, sy hankany amin’ny tempoly, ary handray ireo fitahiana rehetra entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.’

“Somary nitraka kokoa izy. Notohizako hoe: ‘Tsy manome lanja ny tenanao ianao rehefa ny fahatsapana ara-nofo anananao no hamaritanao voalohany ny tenanao. Tsy izay ihany no toetoetra mamaritra anao ,noho izany dia aza mifantoka be loatra amin’izany. Voalohany indrindra dia zanak’Andriamanitra ianao, ary tia anao Izy’” (“Helping Those Who Struggle with Same-Gender Attraction,” Ensign, ôkt. 2007, 42).

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao ao amin’ny torohevitry ny Loholona Holland?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fitsipika hentitra manaraka ireto ka hifampizaran’ireo mpianatra sy hifanakalozany hevitra am-pitandremana izany:

  • Afaka mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra isika rehefa mifantoka amin’ny maha-izy azy antsika hoe zanakalahiny sy zanakavaviny isika.

  • Ny fahatsapana herin-tsintona ho tia olona iray izay lahy na vavy tahaka ny tena dia tsy fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, fa ny fanekena hiroboka amin’izany fitiavana izany no fandikana io lalàna io. Zarao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6: “Tsy … hanitsakitsa-bady [ianao] … na hanao zavatra toy izany,” ka hazavao hoe ny “zavatra toy izany” dia entina milaza ny firaisana ara-nofo ivelan’ny famatoran’ny fanambadiana. Ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na samy vavy dia fahotana, toy ny maha-fahotana ny firasaina ivelan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Na iza na iza mandray anjara amin’ny karazana fahotana amin’ny fahalotoam-pitondrantena dia afaka ny ho voavela amin’ny alalan’ny fibebahana.

  • Na eo aza ireo antony mahatonga ny olona sasany ho voasintona amin’ireo lehilahy na vehivavy tahaka ny tenany, dia afaka ny hisafidy ny hiaina mifanaraka amin’ny didin’Andriamanitra ny olona rehetra. Antitrantero ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Maro ny zavatra tsy takatsika mikasika io lohahevitra io, hany ka tsara kokoa amintsika ny mijanona akaikin’ny zavatra fantatsika avy amin’ny teny nambaran’Andriamanitra. Ny zavatra fantatsika dia tsy niova ary tsy miova ny fotopampianaran’ny Fiangonana, fa ny firaisana ara-nofo dia tsy tokony hatao raha tsy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy izay mpivady ihany” (“What Needs to Change,” mormonsandgays.org).

  • Rehefa miaina mifanaraka amin’ireo didin’Andriamanitra isika, dia afaka mandray ireo tombontsoa rehetra maha-mpikambana sy ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Na dia mety tsy nisafidy ny ho voasintona ho tia lehilahy na vehivavy tahaka ny tenany aza ny olona dia afaka misafidy ny fomba hiatrehany izany herin-tsintona izany izy.

Rehefa avy nanoratra ireo fitsipika ireo teny amin’ny solaitrabe ianao, dia manontania hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no mety ahafahan’ireo fitsipika ireo manome fanantenana ho an’ireo izay voasintona amin’ny fitiavana lehilahy na vehivavy tahaka ny tenany?

  • Inona ireo fitsipika hafa azontsika ianarana avy amin’ny teny nataon’ny Loholona Holland?

Matio 7:12; Jaona 8:1–11; 15:12

Tokony ho feno fitiavana sy fanajana isika amin’ny fitondrantsika ny hafa.

(Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity fizarana ao amin’ny lesona ity ianao, dia ataovy izay hanantitranterana fa ireo izay voasintona hitia lehilahy na vehivavy tahaka azy kanefa tsy milefitra amin’izany fahatsapana izany dia tsy manota toy ilay vehivavy tratra nijangajanga. Na izany aza, ny fihetsik’i Kristy tamin’ilay vehivavy dia ohatra maneho ny fomba tokony hitondrantsika ny olon-drehetra—na nanao zavatra mamoafady izy na tsia.)

Lazaoamin’ireo mpianatra fa i Jaona Apôstôly dia nirakitra an-tsoratra ny fotoana iray izay niatrehan’ny Mpamonjy toe-javatra tena nanahirana. Omeo fotoana fohy ireo mpianatra handalinany ny Jaona 8:1–11, ka hitady ny fomba nitondran’ny Mpamonjy ilay vehivavy tratra nijangajanga. Ampio ireo mpianatra hampitovy io tantara io amin’ny fihetsiny sy ny zavatra ataony amin’ireo izay manao firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na samy vavy sy mandray anjara amin’ny fitondrantena mamoafady hafa amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no ampianarina antsika avy amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy momba ny tokony ho fitondrantsika ny hafa? (Na dia tsy nanaiky ny fahotan’ilay vehivavy aza Izy, dia tsara fanahy taminy sy nanaja azy, fa tsy nasiaka taminy.)

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fihetsitsika sy ny zavatra ataontsika manokana amin’ireo rahalahy sy rahavavy tia lehilahy na tia vehivavy tahaka ny tenany, na nanana fitondrantena mamoafady izy ireo na tsia? Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia soratra eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika rehefa mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ireo zanak’Andriamanitra rehetra sy mitondra azy ireo amim-piraharahiana sy amin-katsaram-panahy. (Jereo koa ny Matio 7:12; Jaona 15:12.)

Azonao atao ny mampiseho ity teny nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Mazava ho azy fa ny Tompo dia tsy nanamarina ny fahotan’ilay vehivavy. Nilaza taminy fotsiny Izy hoe tsy nanameloka azy—izany hoe, tsy hampihatra ny fitsarana farany taminy tamin’io fotoana io. Ity fanazavana ity dia hamafisin’ny zavatra nolazainy tamin’ny Fariseo tamin’izay: ‘Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza’ (Jaona 8:15). Ilay vehivavy tratra nijangajanga dia nomena fotoana mba hibebahana, fotoana izay mety ho nolavin’ireo izay naniry ny hitora-bato azy” (“‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, aog. 1999, 8).

Mety hahasoa ireo mpianatra ny fianarany fa, araka ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 8:11, taorian’ny nifandraisany tamin’ny Tompo, “ilay vehivavy dia nankalaza an’ Andriamanitra nanomboka tamin’io ora io, ka nino ny anarany”.

Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Quentin L. Cook

“Amin’ny maha-fiangonana antsika dia tsy tokony hisy olona hanam-pitiavana sy fangorahana bebe kokoa noho isika. Aoka isika mba ho lohalaharana amin’ny fanehoana fitiavana sy ny fangorahana ary ny fanolorantanana an-tsitrapo. Aoka isika mba tsy hanana fianakaviana manilika na tsy manaja ireo izay misafidy fomba fiainana hafa izay nateraky ny fihetseham-pon’izy ireo mikasika ny maha-lahy na ny maha-vavy azy ireo manokana” (“Love One Another: A Discussion on Same-Sex Attraction,” mormonsandgays.org).

Asao ireo mpianatra handrefy ny fihetsiny sy ny zavatra ataony amin’ireo olona izay voasinton’ny lehilahy na vehivavy tahaka ny tenany. Moa ve ireo fihetsika sy zavatra ataony ireo mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo sy ny ohatra nomeny?

  • Inona no mety ho nataonao raha toa ianao ka tafaraka tamin’ny vondron’olona izay manao fanamarihana manaratsy ireo izay mahatsapa ho voasinton’ny lehilahy na vehivavy tahaka ny tenany?

Mijoroa ho vavolombelona fa raha maneho fitiavana sy fahatsaram-panahy bebe kokoa amin’ireo rahalahy sy rahavavy tia lehilahy sy tia vehivavy tahaka ny tenany isika, dia hisy fiainana maro afaka hiova, fianakaviana afaka hositranina, ary ireo olona izay mahatsiaro ho voailiky ny Fiangonana dia afaka hahatsapa fa tsara kokoa ny fandraisan’ireo mpikamban’ny Fiangonana azy. Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ho azon’ny olona rehetra izay mikatsaka ny hanaraka ireo didy sy mijanona ho marina amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara.

Asao ireo mpianatra hieritreritra olona izay fantany fa voasinton’ny lehilahy na vehivavy tahaka ny tenany ary hisaintsaina hoe inona no ho ataon’izy ireo mba hanana fangorahana bebe kokoa amin’izy ireny sady mijanona ho mahatoky hatrany amin’ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena nomen’ny Tompo.

Vakitenin’ny Mpianatra