Seminera sy Institiota
Lesona 14: Lasa mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona


Lesona 14

Lasa mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona

Fampidirana

Nataon’ny Tompo azo tanterahina amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo rehetra izay efa nodimandry tsy nahalala ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny “hiverin[a] eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ireo mpianatra, ato amin’ity lesona ity, dia hianatra ny fomba hamporisihan’ny fanahin’i Elia antsika mba handray anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ho lasa “mpamonjy… ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21).

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:27–37, 58–59

Asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tao amin’ny tontolon’ny fanahy

Asao ireo mpianatra hieritreritra hoe firy amin’ireo razambeny no efa maty tsy nahare ny filazantsara na tsy nadray ireo ôrdônansin’ny famonjena.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy, dia niseho tamin’ireo fanahy efa nodimandry Izy. Ny mombamomba io fitsidihana io, araka ny fahitana hitan’ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918), dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. (Mariho fa ity dia ohatra iray amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra rehefa mandalina ny soratra masina)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:27–37. Asaivo manaraka ny mpianatra rehetra ary hikaroka izay zavatra nataon’ny Tompo nandritra ny asa fanompoana nataony tao amin’ny tontolon’ny fanahy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanomanan’ny Mpamonjy ny lalana hanavotana ny fanahin’ireo izay efa nodimandry? (Antitrantero ity fahamarinana manaraka ity: Naniraka sy nampianatra ary nanomana fanahy mahatoky ny Mpamonjy mba hitory ny filazantsara amin’ireo izay ao an-tranomaizin’ny fanahy.)

  • Araka ny ao amin’ny andininy 34, dia nahoana no tsy maintsy toriana amin’ireo ao an-tranomaizin’ny fanahy ireo fitsipiky ny filazantsara? (Hazavao fa ny hoe “hotsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo” dia midika fa ny zanak’ Andriamanitra rehetra, na velona na maty, dia hanana fahafahana hanaiky ny filazantsara sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena mba hahafahana mitsara ny rehetra amin’ny fenitra mitovy. Jereo ihany koa ny F&F 137:7–9.)

Angataho mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:31, 58–59 ireo mpianatra ka hitady hoe inona no tokony hataon’ireo izay nampianarina ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy mba hahatonga azy ireo ho “mpandova ny famonjena.”

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona no tokony hataon’ireo fanahin’ireo efa nodimandry mba hahatonga azy ho “mpandova ny famonjena”? (Hazavao ity fitsipika ity: Rehefa avy ampianarina ny hafatry ny filazantsara ireo olona ao amin’ny tranomazin’ny fanahy, dia afaka misafidy ny hibebaka sy hanaiky ireo ôrdônansy isoloana tena izay hatao any amin’ny tempoly izy ireo.)

Zarao ity teny nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny olona sasany dia tsy mahatakatra tsara ka mieritreritra fa ireo fanahy efa maty ‘dia atao batisa ao amin’ny finoana Môrmôna kanefa tsy mahafantatra izany akory’ na koa hoe ‘ny olona izay nivavaka tany amin’ny antokom-pinoana hafa tany aloha dia voatery lasa mino ny fivavahana Môrmôna manomboka any amin’ny lasa mankany amin’ny ho avy.’ Mieritreritra izy ireo fa manana hery isika ny hanery ny fanahy iray amin’ny resaka finoana. Mazava ho azy fa tsy manana isika. Nanome ny fahafahana misafidy ho an’ny olombelona rehetra hatrany am-piandohana Andriamanitra. ‘Ny maty izay mibebaka dia havotana, amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’Andriamanitra’ [F&F 138:58], kanefa tsy mitranga izany raha toa izy ireo ka tsy manaiky ireo ôrdônansy ireo” (“The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 10).

Asao ireo mpianatra hiaraka tsiroaroa dia hilalao an-tsehatra mba hanazava amin’ny tsy mpikambana iray ny fomba ahafahan’ny olona, na velona na maty, mandray ny filazantsara sy ireo ôrdônansin’ny famonjena noho ny drafitr’ Andriamanitra.

Obadia 1:21; Malakia 4:5–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; 128:18

Isika dia tokony ho lasa “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21)

Asao ireo mpianatra hitanisa ireo fomba izay ahafahantsika mandray anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana. (Mitady ny anaran’ny fianakaviana sy mitondra azy ireny any amin’ny tempoly, manangona sy mitahiry ny sary sy tantaran’ny fianakaviana, mandahatra izany, sy ny sisa.)

  • Inona no ho fiantraikan’ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana eo amin’ny fahatsapantsika mikasika fianakaviantsika efa nodimandry?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny loharanon’izany fahatsapana izany, dia asehoy ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson fa ny Fanahin’ i Elia dia ‘fisehoan’ ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-masina ny fianakaviana’ (‘A New Harvest Time,’ Ensign, mey 1998, 34).34). Izany hery mitarika miavaky ny Fanahy Masina izany dia mamporisika ireo olona hamantatra ireo razambeny sy hanangona antontan-taratasy mikasika azy ireo ary haneho fitiavana amin’ izy ireo sy ireo olona ao amin’ ny fianakaviany—na ireo izay niaina taloha na ireo izay miaina amin’ izao fotoana izao. Misy fiantraikany amin’ny olona ao anatiny sy any ivelan’ny Fiangonana ny Fanahin’i Elia” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 25).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity famaritana ny hoe “fanahin’i Elia” ity:

Ny fanahin’i Elia dia fiasan’ny Fanahy Masina izay mitaona antsika hamantatra, sy hanangona antontan-taratasy ary hikolokolo ireo havantsika taloha sy ankehitriny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Malakia 4:5–6.

  • Araka io andinin-tsoratra masina io, dia amin’ny fomba ahoana no hisian’ny famangian’ny mpaminany Elia izay efa nampanantenaina fiantraikany eo amin’ireo fianakaviana eo amin’izao tontolo izao sy ny asa famonjen’ny Tompo amin’ny andro farany? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Elia nitsangana tamin’ny maty dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny 3 Aprily 1836, tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary nanome azy ireo ny fanalahidin’ny famehezana an’ny Fisoronana Melkizedeka [jereo ny F&F 110:13–16].)

  • Inona no dikan’ny hoe hifampitodika ny fon’ny ray sy ny fon’ny zanaka?

Asao hamaky mafy ity fanazavana manaraka ity izay nomen’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo (1805–44) ny mpianatra iray:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Ny teny hoe mitodika eto dia tokony hadika hoe mamatotra, na mamehy. Inona anefa no tanjon’io asa manan-danja io? na ahoana no hanatanterahana izany? Tokony ho atolotra ireo fanalahidy, ho tonga ny fanahin’ i Elia, … ary ho tonga mpamonjy eo amin’ ny tendrombohitra Ziona ireo Olomasina [jereo ny Obadia 1:21].

“Fa amin’ny fomba ahoana no hahatonga azy ireo ho mpamonjy eo An-tendrombohitra Ziona? Amin’ ny fananganana ireo tempoliny, sy ny fanamboarana toerana fanaovam-batisa, ary ny fandehanana any sy ny fandraisana ireo ôrdônansy rehetra … eo amin’ ny toeran’ ireo razambeny rehetra izay efa nodimandry, ary hanavotra azy ireo … ; ary izany no rojo izay hamatotra ny fon’ ny ray amin’ ny zanaka, ary ny zanaka amin’ ny ray, izay manatanteraka ny iraka nampanaovina an’ i Elia” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 472–73).

  • Ho lasa inona isika hoy Joseph Smith rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo havantsika efa nodimandry? (Mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona.)

Asehoy ity teny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Tonga Mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona ara-bakiteny isika. Inona no dikan’izany? Tahaka ny nanomezan’ny Mpanavotra antsika ny ainy mba ho sorona isolona tena ho an’ny olona rehetra, ary lasa Mpamonjy antsika tamin’ny fanaovana izany, dia isika koa, amin’ny fomba kelikely kokoa, rehefa manao asa isiloan-tena any amin’ny tempoly, dia lasa mpamonjy ireo any an-koatra izay tsy manana fahafahana handroso raha tsy misy zavatra ataon’ireo ety an-tany ho azy ireo” (“Closing Remarks,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 105).

Hazavao fa nanatanteraka ny Sorompanavotana tamin’ny fisoloana tena antsika i Jesoa Kristy. Rehefa mandray ireo ôrdônansy eo amin’ny toeran’ireo izay efa nodimandry amin’ny alalan’ny fisoloan-tena isika, dia lasa “mpamonjy eo amin’ny tendrombohitra Ziona.” Ny teny hoe “Tendrombohitra Ziona” dia afaka manondro toerana maro, anisan’izany ilay tanànan’Andriamanitra any an-danitra na ilay tanànan’i Jerosalema Vaovao (jereo ny Hebreo 12:22; F&F 76:66; 84:2–4; 1 Mpanjaka 8:1).

  • Inona ireo fomba hahatonga antsika hazoto kokoa hiasa mba hanampy ireo havantsika taloha sy ankehitriny mba handray ireo fitahian’ny tempoly rehefa takatsika ilay andian-teny hoe “mpamonjy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona”?

Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny mizara ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ity:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Maneho ny tsy maha-manam-petra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fikarohana ireo razambentsika sy ny fanatanterahana ho azy ireo ny ôrdônansin’ny famonjena izay tsy ho azon’ny tenany manokana tanterahina. Maty ho an’ny rehetra’ i Kristy.’ [2 Korintiana 5:15.]” (“The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 10).

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 dia mirakitra taratasy iray izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny Olomasina izay niresahany ny Malakia 4:5–6 sy nanomezany fanazavana nentanim-panahy momba ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 ireo mpianatra. Asaivo asiany marika ireo antony nolazain’i Joseph Smith fa tokony handraisana anjara amin’ny asa fanavotana ireo havantsika nodimandry. Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny zavatra hitan’ireo mpianatra, dia mifampiresaha momba izao manaraka izao:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ezaka ataontsika mba hanao ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo razambentsika mitondra fanavotana ho antsika ihany koa?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: Mitady, Mitondra, ary Mampianatra.

Asaivo hazavain’ireo mpianatra hoe amin’ny fomba ahoana no hamaritan’ireo teny ireo ny dingana izay asaina arahintsika rehefa manatanteraka ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana isika. (Ataovy izay hahitan’ny mpianatra ireto manaraka ireto: Mitady sy manomana anarana ho an’ny fanaovana ôrdônansy any amin’ny tempoly; mitondra ireo anarana ireo any amin’ny tempoly ary manatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena ho an’ireo olona ireo; mampianatra ny hafa hanao toy izany koa.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fanarahana ireo dingana ireo, dia asehoy sy asaivo vakin’ny mpianatra iray mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar, na alefaso ilay horonantsary “The Promised Blessings of Family History” (lds.org/topics/family-history/fdd-cook/blessings-video). Rehefa mamaky na mijery horonantsary ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo fitahiana nampanantenaina izay azo avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Manasa ireo tanoran’ny Fiangonana aho mba hianatra momba ny Fanahin’i Elia sy hiaina izany. Mamporisika anareo aho handalina, sy hikaroka momba ireo razambenareo ary hiomana hanatanteraka batisa amin’ny alalan’ny fisoloana tena ao amin’ny tranon’ny Tompo ho an’ireo razambenareo (jereo F&F 124:28–36). Ary mamporisika anareo aho hanampy ireo olona hafa hamantatra ny tantaram-pianakaviany.

“Raha toa ka manaiky amim-pinoana izany fanasana izany ianareo, dia hitodika any amin’ny ray ny fonareo. … Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ireo razambenareo. Hiorim-paka sy hitoetra maharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo ao Aminy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro amin’ ny fisarihana mahery vaika ataon’ ny fahavalo ianareo. Ho voaro ianareo ao anatin’ny fahatanoranareo sy mandritra ny fiainanareo rehefa mandray anjara ao anatin’izany asa masina izany ary mitia izany” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” 26–27).

  • Inona ireo fitahiana tonga amin’ireo izay mandray anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

Anontanio ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo afaka mizara traikefa manokana momba ny fandraisana fitahiana noho ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana.

  • Ho an’ireo izay nandray ôrdônansy ho an’ny razambeny , inona no fahatsapana azonareo zaraina mikasika ny fandraisana anjara amin’izany traikefa masina izany?

Asao ireo mpianatra hikaroka ny tantaram-pianakaviany amin’ny fampiasana ireo loharano hita ao amin’ny FamilySearch.org sy hikaroka fanampiana avy amin’ny tompon’andraikitra iray momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasiny na sampany raha ilaina izany. Entano ireo mpianatra hanao drafitra mba hitady ny anaran’ireo razambeny, hitondra ny anaran’ireo razambe ireo any amin’ny tempoly sy hanao ny ôrdônansy ho azy ireo, ary hampianatra ny hafa hanao toy izany koa.

Vakitenin’ny Mpianatra